Vavaka fangatahana fandriampahalemana
Ry Andriamanitra Rain’ny famindram-po ô
Noharianao ho iray fianakaviana aminao izahay ary tsimbininao hatrany hiadana sy ho finaritra
Tsy nahay namaly fitia anefa izahay, indrisy, fa nanalavitra Anao ka latsaka an-katerena
Very fanahy mbola velona ka zohim-pahoriana;
Rotidrotiky ny fialonana sy ny fitiavan-tena ny fiaraha-monina
Mijaly sy misara-bazana ny fianakaviana
Revo ao anatin’ny herisetra sy ny zava-mahadomelina ny tanora maro
Ny mpanararaotra izao andro sarotra iainanay izao mamitaka sy mandainga, ary mahavatra mandatsa-drà aza.
Mitodika aminao anefa izahay ry Ray ô, ka mifona ary avelao ny helokay.
Ahirato ny sainay hahalala ny rariny sy ny hitsiny antoky ny fandriam-pahalemana
Amparo ny tànanay hifandray amin’ny hafa, hampanjaka ny fihavanana
Sokafy ny fonay hahay hitia na dia ny fahavalonay aza
Hazavao ny fiaraha-monina misy anay, hahay handray Anao ho fihavanana
Rotsahy ny tso-dranonao ny fiainanay; omeo ny fanahinao hiady amin’ny ratsy.
Miaraka amin’i Masina Maria Renin’i Jesoa sady Reninay, Mpanjakavavin’ny fiadanana izahay no mitalaho izany aminao.
Amen