Torolàlana
Boky hanoro làlana ny mpiandraikitra eo amin’ny fanabeazana ny ankizy sy ny tanora kristianina mivondrona ao amin’ny Eokaristia ny Torolàlana. Mamaly ny fanirian’ireo mpiandraikitra mikatsaka ny fomba hitantanana ny fikambanana mba hahafahana mamaly ny antson’i Kristy.
Natao hanampy ny mpiandraikitra ihany koa ny Torolàlana mba handray an’i Kristy hanazava ny fiainany mba hahafahany manaraka azy sy mizara azy amin’ireo ankizy sy tanora iandraiketrany. Te hanampy ny mpanabe hitarika ny ankizy sy ny tanora any amin’i Kristy ny Torolàlana, miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra iainana sy i Kristy ivelomana izy.
Noho ny Fahasoavan’Andriamanitra sy ny fahavitrihan’ny mpanabe dia lany tanteraka ny Boky Torolàlana. Eo andalam-panavaozana azy ny foibe amin’izao fotoana izao ka trotroina am-bavaka mba ho tontosa soa aman-tsara ny fanavaozana ity boky fanovozan-tsoa sy aim-panahy ary loharanom-pahombiazana ho an’ny FET ity.