«

»

Feb 15

Toritenin’i Kardinaly Pietro PAROLIN

 

Loharano : Lakroa.mg

 

Son Eminence le Cardilnal Maurice Piat,

Ianareo rahalahy malala ao amin’ny fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara sy avy amin’ireo nosin’ny ranomasimbe indianina,

Ianareo pretra, ianareo diakra,

Ianareo relijiozy lahy sy vavy,

Ianareo mpiandraikitra ny fiangonana kristianina hafa finoana,

Andriamantoa Filohan’ny Repoblika,

Ianareo filohan’ny Repoblika teo aloha

Andriamatoa Praiminisitra sy ianareo minisitra,

Ianareo manam-pahefana sivily sy miaramila,

Ianareo mpikambana amin’ny Corps diplomatique,

Ry rahalahy sy anabavy, ry hava-malala,

 

Faly aho miaraka aminareo eto Madagasikara, eto amin’ity Nosy mena sady soa novangian’ny Olomasina Joany Paoly faha-2 tamin’ny taona 1989 ity ary faly koa aho mampita aminareo ny fiarahabana avy amin’ny Papa François.

 

Ao amin’ny Evanjelin’i Md Matio vao nambara tamintsika teo, dia henontsika hoe : “Nony nahita ny vahoaka i Jesoa dia niakatra teo an-tendrombohitra ary rehefa tafapetraka Izy dia nanatona azy ny mpianany.”     (Mt 5, 1)

 

“Nony nahita ny vahoaka …”

Ao aloha kely, io mpanoratra ny Evanjely io dia nilaza fa hoe vahoaka be, “avy any Galilea, avy any Dekapaoly, avy any Jerosalema, avy Jodea ary avy any andafin’i Jordany” (Mt 4, 25)

Nijery an’io vahoaka io i Jesoa

Io no toetra mampiavaka ny fitoriany izay mampiseho ny fangoraham-po sy ny halemem-panahin’Andriamanitra.

“Nony nahita ny vahoaka” eto i Jesoa dia mampiseho ny famihinan’ny ny maso sy ny fon’Andriamanitra        .
 

I Jesoa ihany, ao amin’ny fiandohan’ny Evanjelin’i Md Lioka no manazava toy izao ny anton’ny asa fitoriany :

Rehefa avy namerina ny Bokin’ny mpaminany tamin’ny mpitandrina izy dia nilaza hoe : “Androany no tanteraka io andalan-tsoratra masina io” (Lk 4, 21). Ary taloha kelin’io dia nanambara izy hoe : “Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo, hilaza fahafahana amin’ny mpifatotra sy fahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahoriana ary hitory ny taom-pahasoavan’ny Tompo” (Lk 4, 16-18).

Miaraka amin’i Jesoa, lasa miseho ankehitriny ny fangoraham-po sy ny halemem-panahin’Andriamanitra. Ny tenany mihintsy no fangoraham-po sy ny halemem-panahin’Andriamanitra. Ny fangoraham-po sy ny halemem-panahin’Andriamanitra miaraka aminy dia zary tonga nofo.

Ireo masony dia mahita ary ireo tanany dia mitsapa ireo fery, ireo ratsam-batana malemy, ireo vatana maratra sy tsy afa-mihetsika intsony. Ireo sofiny maheno ireo fitalahoaka sy hiaka, ary ny Teniny manome fampiononana sy fanantenana ireo voailika sy tsy raharahiana, ireo torotoro fo, sy ireo mpanota.

“… niakatra teo an-tendrombohitra ary rehefa tafapetraka Izy dia nanatona azy ny mpianany.”(Mt 5, 1)

Arak’heviny, isika koa ankehitriny, eo am-pisavana lalana ao ampovoan’ny vahoaka, dia miakatra ny tendrombohitra mba hanakaiky an’i Jesoa sy hihaino azy. Avy amin’ny Vavan’Andriamanitra ny Teniny.

Ny fampianaran’ny Jesoa momba ny hasambarana niantefa tamin’ny vahoaka sy ny mpianany dia tsy lahateny tsotra. Izy no voalohany sady manan-danja indrindra ary fototr’ireo fampianarana dimy hitantsika ao amin’ny Evanjelin’i Md Matio. Fanambarana mitafy hatsarana lehibe, mihoatra lavitra ny toerana sy ny vanim-potoana ara-tantara, miantefa amin’ny olona manerana ny taona mifandimby ary mahakasika ny tenantsika tsirairay.

Md Augustin dia namaritra ny fampianarana momba ny hasambarana ho toy ny angon’ny Evanjely manontolo : Vaovao Mahafaly ho an’ny rehetra.

Tahaka ny hoe manoloana loharano iray isika ka avy amin’io no miboiboika ny rano mamerina indray ny aintsika, rano izay iainantsika ao anaty lohasaha iatrehantsika ireo zava-tsarotra sy fijaliana maro isan-karazany. I Jesoa no loharano, io ny tena maha-Izy azy lalina, ka avy aminy no miboiboika ny fanambarana ny hasambarana, izay irin’ny fontsika tsirairay isan’andro.

Fa inona marina moa no ambaran’i Jesoa eto? Ireo teny ireo no anombohany ny fampianarany : “Sambatra ny mahatra am-panahy fa azy ireo ny Fanjakan’ny lanitra.” (Mt 5, 3).

 

Ao anatin’io hasambarana voalohany io ny hasambarana hafa rehetra. Tahaka ny vavahady lehibe iray mampisoka amin’ny vavahady hafa rehetra. Ny lahatsoratry ny fampianarany dia tena miray, ampitohizin’ny kofehy volamena : ny asan’Andriamanitra mampihetsika ho an’ny tombontsoan’ny mahantra.

Ambaran’i Jesoa fa sambatra ireo mahantra am-panahy. Fa iza marina moa ireo mahantra am-panahy?

Ny fiteny hoe mahantra am-panahy dia mihoatra lavitra ireo fanasokajiana ara-tsosiolojika sy ara-moraly.

Mba ahazoana  ny tena heviny dia tsy maintsy mitodika kely any amin’ny testamenta taloha isika.

Ao amin’ny vakiteny voalohany dia henontsika i Sôfônia Mpaminany izay nanasa ny olona eto an-tany mba hitady ny Tompo.

“Mitadiava ny Tompo, ianareo manetry tena rehetra amin’ny tany, izay efa nanaraka ny lalàny; katsaho ny fahamarinana, katsaho ny fanetren-tena”. So 2,3)

Ho an’i Sôfônia mpaminany, ny mahantran’ny tany dia ireo manetry tena, ireo miaina eo ambanin’ny Sitrapon’Andriamanitra sy mitoky amin’ny fitsimbinany.

Ho an’i Matio, dia io no hevitry ny hoe mahatra ambaran’i Jesoa amin’ny fampianarany momba ny hasambarana : manana fanahy mahantra. Ny fanahy dia tsy azo sarahina amin’ny kasinga ara-materialy, araka ny fomban’ny grika, fa ny fanahy dia singa mamorona ny firafitra anatin’ny zava-boahary velona.

Noho izany ny fahantrana ambaran’i Jesoa dia ilay toetra mitondra amin’ny fahatsapana ny fiankinana tanteraka amin’Andriamanitra sy ireo fanomezany, mifanohitra tanteraka amin’ny fiheveran’ny olombelona ho mahavita tena samirery.

Mahantra dia midika hoe olona matahotra sy mangovitra eo anatrehan’Andriamanitra, mihohoka eo Aminy, mangataka sy mitalaho ny fanampiany.

“Ny mahantra” araka ny hanoritan’i Matio azy dia manondro an’ireo izay tsy mitoky amin’ny herin’ny tenany satria tsy manana na inona na inona tokony ireharehany na zavatra hiankinany fa mitoky amin’ny Tompo, amin’ny hatsaram-panahiny, amin’ny tanjany sy ny famindram-pony.

Ao amin’ny hasambarana fahatelo, i Jesoa dia manambara hoe : “Sambatra ny malemy fanahy fa izy ireo no handova ny tany”

Ireo malemy fanahy izany dia ireo izay, ankoatry ny fanetren-tenany sy ny fiankinany mahatoky amin’ny Sitrapon’Andriamanitra, mahay mandray ny hafa koa.

Ny mahantra izany dia mitodika amin’Andriamanitra sy ny hafa ka tafahoana ao aminy ny fitiavana miakatra mankany amin’Andriamanitra sy ny fitiavana marindrano mampifandray ny samy olombelona.

Azo lazaina fa ny mahantra ambaran’ny Jesoa amin’ny fampianarany momba ny hasambarana dia izay mahatsapa lalina ao anatiny fa tsy mahavita tena izy. Mampakatra any amin’Andriamanitra ny fitalahoany tahaka ny mpangataka izay mahatsapa mandrakariva fa mila Azy, mba hahazo fankaherezana, mba ho tonga malemy fanahy, noana sy mangetaheta fahamarinana mba hovokisana sy halana hetaheta amin’ny fahamarinana, mba hamindrany fo ka ho afaka mamindra fo. Izay ilay ambaran’ny Papa François hoe “mamindra fo satria namindrana fo”. Ny dikan’izany ho antsika dia mba hahay hijery sy hihaino bebe kokoa ny hafa, hanana fo madio mba ho afaka mitia, ho mpandala fihavanana, mba ho zanak’Andriamanitra sy ho mpanorina ny fanjakany.

Ny hasambarana dia mampisokatra amin’ny fahalalana ny fanjakany izay mbola ho avy nefa efa tonga sahady amin’ny alalan’ny Asan’Andriamanitra. Miasa eo amin’ny tantara Izy ary ny olombelona dia antsoiny hiara-miasa aminy mba hanova ny tantara, feno fitokiana sy fahasahiana satria tsy irery manatanteraka ny asa.

Ao amin’ny vakiteny faharoa izay henontsika teo dia asongadin’i Md Paoly ny asan’andriamanitra eo amin’ny tantara sy ny fomba fiasany izay samihafa amin’ny fomba fiasan’izao tontolo izao. Miteny amin’ny kôrintianina izy ary manentana azy ireo mba hanome lanja ny maha-olom-baovao azy sy hanavao ny fomba fifandraisany amin’Andriamanitra. Hoy indrindra izy amin’izany :

“fa izay ataon’izao tontolo izao ho adala no nofidîn’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; izay ataon’izao tontolo izao ho malemy no nofidîn’Andriamanitra hampahamenatra ny mahery; ary izay iva razana amana faneso amin’izao tontolo izao, na dia ny atao ho tsy misy aza, no nofidîn’Andriamanitra hahatsinontsinona ny misy, mba tsy hisy nofo hirehareha eo anatrehan’Andriamanitra.”(I Kor 26-29)

Ny teny hoe “nofidin’Andriamanitra” izay miverina in-3 dia maneho ny asan’Andriamanitra eo amin’ny tantara. Nitondra ny famonjena izy, tsy tamin’ny hery miavonavon’ny saina fa tamin’ny hadalan’ny fanambarana noraisin’ny mahantra.

Ny fiainana nikorontana tao anaty lohasaha dia novan’ny fomba fiasan’Andriamanitra sy ny firotsahana tsy miovan’ny olo-marina, izay noana sy mangetaheta fahamarinana ary misokatra amin’Andriamanitra sy ny hafa.

“mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa, sitrana ny boka, malady ny marenina, atsangana ny maty, torina amin’ny malahelo ny Evanjely” (Mt 11, 5-6)

Androany, ny Fiangonana dia mankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an’ny marary hoditra mba hanehoana fitiavana sy fitandremana amin’ireo izay mbola voailiky ny fiaraha-monina, tahaka ireo izay tratran’ny habokana. Io aretina io miteraka fanilihana ara-piaraha-monina nefa amin’izao androntsika izao noho ny ny fisian’ny fitsaboana sahaza ny aretina dia efa azo sitranina tanteraka. Amin’izay indrindra dia tiako ny maneho fisaorana an’ireo rehetra miasa amin’ny rano fitsaboana ny marary hoditra eto amin’ny firenena, indrindra ireo relijiozy vavy.

Tsy maintsy iainana ny fampianaran’ny hasambarana mba ahafahana mahatsapa ny asa fanovàna aterany ara-panahy sy ara-tsosialy ary eo amin’ny tena manokana.

Izany no nahatonga ny Papa François nanoro ny tanora mba handinika momba ny hasambarana amin’ireo andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora (JMJ). Izay natao teo anivon’ny diosezy tsirairay tamin’ny taona 2014 dia nandinihana ny lohahevitra hoe “sambatra ny mahantra am-panahy fa azy ireo ny fanjakan’ny lanitra”. Efa nijanonantsika maharitra io androany. (Mt 5,3); tamin’ny taona 2015, dia nohalalinina ny hasambaran’ny madio fo satria hahita an’Andriamanitra izy ireo (Mt 5,8) : io lohahevitra io no nodinihin’ny tanoran’i Madagasikara tamin’ny JMJ nasionaly, nankalazaina tao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa. Nolazaina tamiko fa be dia be ny tanora avy amin’ny lafy valon’ny nosy no tonga : fanehoan’ny tanora malagasy ankafanam-po ny finoana, narahin’ny fotoam-bavaka lava sy fotoanan’ny fety namirapiratan’ny loko sy ny dihy. Ary farany teo, tany Cracovie, dia nandinika momba ny hasambarana fahadimy ny tanora dia ny hasambaran’ny mpamindra fo satria namindrana fo izy. (Mt 5, 7)

Efa hatramin’ny 2013, tany Rio de Jainero, ny Papa François no nanentana ny tanora hamaky indray amin’ny fo manontolo ny Evanjelin’ny hasambarana, izay mitondra fihavaozana manova, ary hanao azy ho programam-piainana mihintsy aza.

Enga anie ny kasinga rehetra manorina ny fiaraha-monina eto amin’ity firenena malala ity mba hanao ny fampianarana momba ny hasambarana izay fon’ny toritenin’i Jesoa, ho programam-piainana : ny Fiangonana, ny fikambanana,  ny fiaraha-monina manontolo ary indrindra ny tanora. Mba ho lalivay anie izy ireo hatraiza hatraiza.

Avy ao amin’ny lohasaha feno zava-tsarotra, atrakao mandrakariva ny fijery ho any amin’ny tendrombohitra itenenan’i Jesoa. Amin’izay ianareo dia hiala amin’ny adin-tsaina ho any amin’ny hasambarana sy ny fanantenana.
 

Manan-karena vato sarobidy ny taninareo; fa aza tahirizina ho tahaka ny vatosoa mangatsiaka ny fampianaran’i Jesoa. Afafazo izy ho tahaka ny voa afafy amin’ny tany mena lonaka, avelao hitsimoka izy dia ho hitanareo ny fa hiavosa ny vokatra ary ny firenenareo, izay efa manan-karena voankazo dia mbola hihamanankarena amin’ny vokatra hafa mamy kokoa, dia ny voankazon’ny hasambarana sy fanantenana.

Raha ampitsimohanareo sy ampitomboinareo ireo fampianaran’ny hasambarana, ireo teny izay namaranan’i Jesoa ny fampianarana teny an-tendrombohitra dia ho tanteraka aminareo tokoa : ho tonga fanasin’ny tany sy fahazavan’izao tontolo izao ianareo

Tompo ô! Ataovy tafa-paka ao aminay ireo teny notononinao teny an-tendrombohitra, ho voaray ao amponay anie izy ireo, hitantana anay, ho kintana fitarikandro ho anay, hotanterahinay eo amin’ny fiainana anie izy ireo ary hamoha midanadana ny vavahadin’ny tena hasambarana aminay, amin’ny fiangonanay ary amin’i Madagasikara.

Ry Maria Virjiny, Mpiaro an’i Madagasikara, ry Md Jaques Berthieu, ry olontsambatra Victoire Rasoamanarivo sy ny olontsambatra Louis Rafiringa, mivavaha ho anay ary ampio izahay hanao ny hasambarana valo ho kara-panondronay!