Tari-dalana ho an’ny karemy
Nanao laretirety ny Papa Fransoa sy ny mpiara-miasa aminy nanomboka ny alahady 5 martsa teo. Indro ifampizaràna amintsika ny tari-dalana nentin’i mompera Giulio Michelini.
Fandinihana voalohany
Isan’ireo olona tokony handray ny Evanjely indray isika hoy mompera Michelini. Tsy ny fon’ireo lavitra ihany mantsy no tokony hirehidrehitra eo am-pihainoana ny Vaovao Mahafaly fa ny an’ireo mazoto miangona ihany koa.
Fandinihana faharoa : ahoana no fomba fanapahako hevitra ?
Ny faladia tokana fa ny sampanana maro ka tsy maintsy misafidy. Ahoana ny ataoko rehefa manapa-kevitra ? Entim-po fotsiny, miantehitra amin’ny fahazarana sa mametraka ny tombontsoako ho ambonin’ny Fanjakan’Andriamanitra ? Sa “mihaino ny feon’Andriamanitra izay miteny amin’ny feo malefaka ?” Vitako ve ny manetry tena hihaino ny hafa sa dia ny feoko ihany no henoiko ?