Tari-dalana ho an’ny fandinihan-tena
Mamporisika antsika handray matetika ny sakramentan’ny fampihavanana ny Fiangonana. Indro misy tari-dalana hiatrehana izany. Isaorana ny ZENIT amin’ny dika teny.
Ireo fanontaniana anombohana ny fandinihan-tena
Manao ahoana ny toem-panahiko rehefa handeha hikonfesy ? Maniry mafy ny ho voadio, hibebaka, hanavao fiainana ka hanorina fihavanana matotra kokoa amin’Andriamanitra sa heveriko ho toy ny enta-mavesatra izay tsy tiako ho entina akory io sakramenta io ?
Nandritra ireo konfesy farany nataoko, nisy fahotana lehibe niniako tsy nolazaina ny pretra ?
Notanterahiko ny asa fivalozana nasaina nataoko ? Nonerako ve ireo tsy mety vitako ? Niezaka nanantanteraka ireo fikasana tsara hampifandrindra ny fiainako amin’ny Evanjely ve aho ?
(hitohy)