Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – Mey 2023
Mba ho tsapan’ny firohotana sy ny fikambanana masina isan’andro anie ny asa fitoriana ilofosany ka entiny hanasoavana ny besinimaro ny fanomezam-pahasoavana noraisiny.
Mba ho tsapan’ny firohotana sy ny fikambanana masina isan’andro anie ny asa fitoriana ilofosany ka entiny hanasoavana ny besinimaro ny fanomezam-pahasoavana noraisiny.
HO AN’NY KOLON-TSAINA TSY MISY HERISETRA Mba ho an’ny fielezan’ny kolontsaina tsy misy herisetra, izay midika hoe tsy hampiasa fitaovam-piadiana araka izay atao anie ny Fanjakana sy ny olom-pirenena.
Mba hahazo valiny mazava avy amin’ny Eglizy anie ireo mijaly noho ny fanararaotana ataon’ny olon’ny Eglizy manoloana ny fangirifiriana sy ny fijaliana iaretany
Mba ho ankohonana mivelona ny finoana sy ny firahalahiana ary ny fandraisana an’ireo tena sahirana anie ny paroasy rehetra eo am-piainana ny tena fiombonana.
Mba ho vavolombelona azo antoka amin’ny fampitana ny fihavanana fa tsy ny fifaninanana anie ireo mpanabe ary mba hanampy manokana ireo tanora marefo
Mba hahita olona vonona hikatsaka ny soa iombonana anie ireo sampan-draharaha sy fikambanana miahy ny maha olona, ary hikaroka fomba fiaraha-miasa vaovao hatrany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena anie izy ireo.
Mba hahazo fanabeazana sy hahita fitiavana amina fianakaviana anie reo ankizy mijaly, ireo miaina eny amoron-dalana, ireo mitondra fahoriana noho ny ady ary ireo kamboty
Mba ho sehatra anjakan’ny firaisan-kina sy ny firahalahiana ary ny fandraisana ny hafa anie ny Eglizy izay miaina ny Evanjely sy mitory azy aminkerim-po ary mba hiainany bebe kokoa anie ny fiombonam-po.
Mba ho foana amin’ny lalànan’ny firenena rehetra maneran-tany anie ny fanamelohana ho faty izay manimba sy manosihosy ny hasina maha olona.
Mba hahita vahaolana hahafahany manohy ny asany ho fanompoana ny mpiara-belona aminy anie ireo mpandraharaha madinika sy salantsalany izay tena ianjadian’ny fahasahiranana ara-toe-karena sy ara-tsôsialy.
Plus