Tag Archive: Hafatry ny Papa

Aug 13

Raki-tsary : Mpamafy fiadanana sy fanantenana

Mpamafy Fiadanana sy Fanantenana 1- Iraky ny Ray, sady Apôstôlin’i Jesoa, Dimbin’i Piera, Ianao ry Ray Masinay ô Vatolampy iorenan’ny Eglizy eto an-tany Mpitana ny fanalahidin’ny lanitra Nirahina hitory eran’ny vazan-tany Hampiray ny andian’ondrin’i Jesoa Hankahery ireo rahalahy sy anabavy Hiorina amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy Ray Masina François ô! Faly izahay mandray anao Hamafy …

Continue reading »

Aug 01

Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – aogositra 2019

Mba ho voatsimbina mandrakariva, amin’ny alalan’ny fiainam-bavaka sy ny fitiavana anie ny maha olona ao amin’ny fianakaviana  

May 01

Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – mey 2019

Mba ho lalivain’ny fampiraisana ny samy vahoaka amin’ny fandraisana andraikitra anie ny kristianina aty Afrika sy Madagasikara, izay tandindon’ny fanantenana ho an’ny kaontinanta afrikanina. Mitodika amin’ny Fiangonana aty Afrika sy Madagasikara ny fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina antsika Kristianina mandritra ity volana Mey ity. Na dia azo lazaina fa mbola tanora aza ny Fiangonana aty …

Continue reading »

Apr 05

Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – Avrily 2019

Mba ho an’ny mpitsabo sy ny mpilatsaka an-tsitrapo any amin’ny tany miady, izay mahafoy ny ainy ho famonjena ny hafa.    

Mar 25

Hafatry ny Papa ho an’ny karemy 2019

“Efa tsindrian-daona ery ny zava-boahary miandry ny hanehoana ireo zanak’Andriamanitra” (Rm 8, 19) Ry rahalahy sy anabavy ao amin’ny Tompo, Isan-taona, miaraka amin’ny Fiangonana Renintsika, Andriamanitra Ray dia “manomana ny kristianina hankalaza ny Paka amin’ny fo falifaly sy fanahy voadio” (Prefasy Karemy I), ka ho afaka hanovo ny hafenoan’ny fiainam-baovao ao amin’i Kristy amin’ny alalan’ny …

Continue reading »

Mar 04

Fangatahana ampanaovin’ny Papa ho an’ny volana Marsa 2019

« Mba ho tsapan’ny kristianina, indrindra ireo enjehina, fa eo akaikin’i Kristy mandrakariva izy ireo ary mba ho voahaja ny zony ». Ny Batemy no maha kristianina ny olona iray ka nandraisany ny fanosorana ho mpaminany sy mpisorona manjaka ao amin’ny Eglizy. Tena zanak’Andriamanitra tokoa izy amin’izany satria mitondra ny anaran’i Kristy. Mpitondra ny Tenin’Andriamanitra, mpitory ny …

Continue reading »

Feb 08

Tsy misy afa-manasa tànana hoy ny Papa Fransoa

Feb 01

Fangatahana ampanaovin’ny Papa ho an’ny volana Febroary

« Mba ho voaray am-pitiavana anie ireo iharan’ny fanararaotana amin’ny maha olona, ireo terena hivarotena sy iharan’ny herisetra ». Maro ankehitriny ireo karazana tranga fanararaotana sy herisetra manosihosy sy manapotika ny maha olona ny olona miseho eto amin’izao tontolo izao ; toy ny herisetra ara-tsaina, ny herisetra sy ny fanararaotana ara-nofo ; fa misy koa ny herisetra ara-bola sy …

Continue reading »

Jan 02

Fangatahana ampanaovin’ny Papa ho an’ny volana Janoary Taona 2019

  « Mba hahay haka tahaka an’i Masina Maria amin’ny famaliana ny antson’ny Tompo anie ny tanora, indrindra ny any Amerika Atsimo, ka vonona hizara ny hafalian’ny Evanjely amin’izao tontolo izao ». Tsy mahagaga raha afantoky ny Papa Ray Masina amin’ny tanora ny fangatahana ao amin’ny Tambajotram-pivavahana mandritra ity volana janoary ity. Amin’ity volana Janoary ity rahateo …

Continue reading »

Dec 03

Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray masina – desambra 2018

« Mba hahita fomba fitoriana mifanaraka amin’ny kolontsaina sy ny fomba fiaina ankehitriny ireo manolotena hanao ny asa fitoriana ny Finoana ». « Ary ny Teny tonga Nofo ka niara-nonina tamintsika » (Jon 1, 14). Efa roarivo taona mahery lasa izay no tanteraka teto anivon’izao tontolo izao izany tenim-pamonjena izany ; manambara ny fahatongavan’Ilay Zanak’Andriamanitra ho olombelona nitondra ny …

Continue reading »

Older posts «