Tag Archive: FET 100 taona

May 06

Kongresy Eokaristika sy fankalazana ny faha100 taona : tsy hotanterahina amin’ity taona ity !

TSATILAKRI ! Indro ampitaina amintsika ny fanapahan-kevitry ny Fivondronam-ben’ny Eveka eto Madagasikara, nampitain’i Mgr Benjamin RAMAROSON, Arsevekan’Antsiranana. « Tsy hotanterahina amin’ity taona ity ny Kongresy Eokaristika miaraka amin’ny faha-100 taonan’ny FET saika hatao tany Antsiranana. Amin’ny fivoriana manaraka no manapaka izay mety ho tohiny ». Araka izany àry dia mazava ny fanapahan-kevitr’ireo Eveka Raiamandreny fa tsy ho tanterahina …

Continue reading »

Feb 05

Kongresy eokaristika 2020 : vavaka hasiviam-bolana, febroary sy marsa

Toy izao indray àry ny Taridalana ho an’ny Vavaka hasiviam-bolana mandritra ny volana Febroary sy Marsa 2020 izao. Ny Dingana fahatelo sy fahefatra ao amin’ny « Lalan’ny Fo » no hodinihina sy hiainana ary hifampizarana. Ny fomba hanatanterahana ny vavaka dia toy ny teo aloha ihany. Toy izao manaraka izao : Hiezaka ny Ekipa fototra iray mba tsy …

Continue reading »

Dec 05

Kongresy Eokaristika 2020 : vavaka hasiviam-bolana ho fiomanana

Arahabaina isika nankalaza tao anatin’ny hafaliana sy fanantenana ny ivon’ny Taon-jobily faha 100 taona iny. Mitohy hatrany ny fiainantsika ny Taon-jobily. « Mirosoa amin’ny lalina kokoa hatrany ». Hamafiso  amin’ny fiainam-bavaka sy ny fiainam-panahy ireo fiomanana isankarazany hoenti-miatrika ny Kongresy Eokaristika hatao any Antsiranana amin’ny 26 – 31 Aogositra 2020. Hiombom-bavaka amin’ny alalan’ny vavaka hasiviam-bolana isika manomboka …

Continue reading »

Nov 19

FET 100 taona – fifampizaràna

TSATILAKRI Zava-dehibe loatra ny faha-100 taona ka tsy avelantsika mandalo fotsiny. Fotoana mety ifampizaràna ny soa notovozintsika teo anivon’ny fikambanana izao. Misaotra mialoha amin’ny fandraisana anjara. Alefa mailaka amin’ny Foibe nasiônaly : fet_afafi@yahoo.fr ny valiny 1 – Témoignage Anarana : Paroasy : Taona nidirana FET : Mitondra inona eo @ fiainanao ny maha-FET anao ? Mitondra inona ho …

Continue reading »

Oct 28

Ivon’ny fankalazana ny faha 100 taonan’ny Fivondronana Eokaristikan’ny Tanora

TSATILAKRI Ny 22 nôvambra 2019, fetin’i Mb Cécile, no feno 100 taona tanteraka ny FET eto Madagasikara. Aoka mba tsy ho hadinoina io andro lehibe io fa homarihina amin’ny fomba manokana. Mba ho fiombonana manerana ny Nosy dia fanentanana no ataon’ny Foibe Nasiônaly ho an’ny AFAFI-FET rehetra tsy ankanavaka, mba samy hanao Fanamiana (Tenue) na ny …

Continue reading »

Oct 28

Kaongresy eokaristika 2020 : ireo tsara ho fantatra

TSATILAKRI Isan’ny hetsika lehibe hanamarihana ny faha zato taonan’ny Fivondronana Eokaristikan’ny Tanora ny kaongresy eokaristika hatao any Antsiranana. Ireto avy ny tsara ho fantatra amin’izany : Daty : 26 aogositra – 31 aogositra 2020 Fisoratana anarana : 1 oktôbra 2019 – 30 aprily 2020 Saram-pisoratana anarana (Saran-dasy) : Ho an’ny Zandrin’i Kristy sy ny Irak’i Kristy : 35000 Ariary …

Continue reading »

Jun 21

Hafatry ny Aomônie Nasionaly ho an’ny faha 100 Taona

« Ny Teny tonga Nofo, Nofo tonga Mofo, Mofo zary Aina »   Io teny Fanevan’ny Taon-jobily faha 100 taona niorenan’ny FET teto amin’ny Nosintsika io no entina miarahaba antsika rehetra amin’izao taom-pahasoavana diavintsika AFAFI-FET sy ny Eglizy manontolo izao. Tonga tokoa ity ilay andro sarobidy sy manan-tantara ho antsika AFAFI-FET, efa nandrasantsika hatry ny ela. Ary …

Continue reading »

Jun 19

Vavaka noho ny taon-jobily faha 100 taona niorenan’ny fet teto madagasikara

Ry Andriamanitra Rainay ô, mitsaoka Anao sy misaotra anao izahay noho i Jesoa  Kristy Zanakao, fanomezan’ny Fitiavanao ho fiainan’izao tontolo izao. Mba topazo maso izahay zanakao mankalaza ao anatin’ny hafaliana sy fanantenana ary fitiavana, ny faha-100 taona niorenan’ny Fivondronana Eokaristikan’ny Tanora teto amin’ny Nosinay. Fahasoavana maro sesehena tokoa no narotsakao ho an’ny Eglizinao eto Madagasikara …

Continue reading »

Jun 07

Taon-jôbily faha 100 Taona : Hira Faneva

FET 100 taona   1. Fa hiroso hatrany ka tsy hihemotra hanamafy ny toky izay natao Ireo ezaka sy dingana vitako dia noho Ianao Jesoa Manaiky ‘zahay fa taninketsanao, ka vonona ho Anao   Hatramin’izay ka hatramin’izao dia isaoranay Anao Noho ny fitsimbinanao nijoro hatrany ty fikambananay   FET ! ‘Zay ilay tanora tia vavaka FET ! …

Continue reading »

Jun 07

Fanokafana ny taon-jôbily : Vavaka hateloan’andro ho fiomanam-panahy

AFAFI ! Efa antomotra ankehitriny ny fotoan-dehibe hiatrehantsika ny Jobily faha 100 taonan’ny FET eto amin’ny Nosintsika. Tsy ho ela intsony dia higadona ny Alahady 23 Jiona, fankalazana ny Sakramenta Masina, andro hanokafana amin’ny fomba ofisialy ny Taon-jobily. Antenaina fa efa samy vonombonona ny rehetra hiatrika io fotoan-dehibe io. Ny Lohahevitra na ny teny Fanevan’ny …

Continue reading »

Older posts «