Sambatra ny madio fo, hira fanevan’ny JMJ Mada 8
1. Ny teninao ry Ray, manazava sy milaza
F’izay madio tanana sy izay mazava fo
No afaka hiakatra ilay vohitra malaza
Higoka hasambarana tsy manam-paharoa (x2)
Sambatra e! izay madio fo, fanahy amam-batana
Fa tsy mora ny miady amin’ny fakam-panahy misakana
Ref : Sarotra ny lalana iantsoanao anay
Lalan’ny fitiavana, lalanao ry Ray
Ampio izahay tanora fa te-hiaraka aminao
Sambatra e, hahazo fiainam-baovao
2. Nanambara ianao, ry Jesoa Kristy
Hoe tsy mbola nisy nahita ny Ray
Ianao no nampianatra anay hifankatia
Mba ho mendrika anay ny mandrakizay (x2)
Sambatra e, izay madio amin’ny fomba fihaino sy fijery
Fa ny fiainana anaty mihitsy no tsy mba ho very
3. Fanentananao anay ry Fanahy Masina ô
Mba hahafahanay miantso ny anaran’Andriamanitra
Sy mijoro an-kasahiana fa tsy an-kiafinafina ô
Ho vavolombelon’ny fiainana any an-danitra (x2)
Sambatra e, ireo mandio ny fitafiny amin’ny ra-njanakondry
Fa tsy maintsy miaritra ny mafy izy ireo vao mahomby
Ry Reny madio indrindra ô, ampio izahay Tanora
Ry Anjely mpiambina anay ô, tantano ny dia fa tsy mora
Md Joany Paoly faharoa ô, mivavaha ho anay
Sambatra e, ny madio fo fa hahita ny Ray.
Hijery ny raki-tsary : www.youtube.com/watch?v=W-J-xlMvLo0