Nomen’i Jesoa lanjany manokana teo amin’ny asany ny Reniny sy ny vehivavy
Loharano : Lakroa.mg
Saika ny Evanjely manontolo no mampahatsiahy antsika tsy tapaka ny fisian’ireo vehivavy marobe nanara-dia an’i Jesoa, isany ny Reniny, nikarakara sy nanampy azy tany amin’ireo vohitra nalehany. Nitana toerana lehibe sy nanan-danja teo amin’ny fanatanterahany ny iraka ny fisian’izy ireny. Ary ao amin’ny Fiangonana aza, mandraka ankehitriny, dia saika ny vehivavy no mitana ny lohalaharana amin’ny famitana sy fiatrehana ireo adidy sy fanompoana isakarazany.
Mpanara-dia ny Tompo ka afaka mitondra fahamasinana amam-pihavaozana ireo vehivavy. Manana zo sy hery hoenti-manamasina ny tenany sy ny hafa izy ireo, afaka mitory, mijoro ho vavolombelona, mandray andraikitra eo amin’ny fiaraha-mitantana ny Fiangonana. “Asa vadi-drano, ka tsy vita raha tsy ifanakonana”, ka tsapan’i Jesoa izany, fa izy mihitsy no nisantatra naniraka ireo vehivavy, tamin’ny andro nitsanganany ho velona, mba hilaza vaovao mahafaly amin’ireo mpianatra efa kivy sy namoy fo.
Koa hery lehibe ho an’ny Fiangonana ny fisian’ireo vehivavy marobe, manohana ny asa fitoriana, na an-kolaka na mivantana, ary tena ilaina. Fanirian’i Jesoa ny hilozohan’ny vehivavy amin’ny asa fiantrana sy fitiava-namana: hiaro ny aina, hiahy ireo mahantra sy kamboty ary mila vonjy. Izany no maha maro an’isa ireo Fikambanan-dRelijiozy vavy misahana asa maro loha, ho famonjena sy fanasoavana ny olombelona mpanota, tian’i Jesoa ho vonjena, efa namoizany ny ainy, navotany tamin’ny rany.
Tsy azo lavina ary miharihary ao amin’ny Evanjely fa nanome lanja ny vehivavy i Jesoa, nisy ny fanovam-penitra lehibe nataony, raha mitaha tamin’ny fotoan’androny fahizay: nifampiresaka sy nifandray am-pahatsorana tamina vehivavy maro Izy, nanome haja azy ireo, nanankina andraikitra sy iraka maro taminy.
Tsidiho ny Lakroa.mg raha te handalina ianao.