Mompera Jean Beyzym, ilay apostolin’ny marary hoditra
Ankalazaina ny 12 oktôbra ny fetin’i olontsambatra mompera Jean Beyzym, misionera zezoita pôlôney, nikarakara ireo marary hoditra teto Madagasikara.
Fantaro ny fiainan’i mompera Jean Beyzym
15 mey 1850 : teraka tao Beyzymie,
1863 – 1871 : mpianatra, Kiev
11 desambra 1872 : niditra ho zezoita, novisia Stara Wies – Pôlônina
26 jolay 1881 : nohamasinina ho pretra, Krakôvia
1881 – 1898 : niasa tamin’ny kolejy zezoita, Tarponol sy Chyrow
1898 – 1902 : nikarakara marary hoditra, Ambahivoraka – Antananarivo
1902 -1912 : nikarakara marary hoditra, Maràna – Fianarantsoa
2 oktôbra 1912 : maty tao Maràna
18 aogositra 2002: nasandratr’i ny Papa Joany Paoly II ho olon-tsambatra, Krakôvia.
Alalino ny tarigetram-piainan’i mompera Jean Beyzym
7 km ao andrefan’i Fianarantsoa no misy an’i Maràna, toerana nanorenan’i mompera Jean Beyzym hopitaly hikarakarana ireo marary hoditra.
Ho fandalinana ny fiainan’i mompera dia misy ny lalan’ny hazofijaliana miainga avy eo amin’ny seminera zandriny ao Kianjasoa.
Misy fijanonana folo izy io ka azontsika halalinina sahady ny fahamasinan’i mompera Jean Beyzym.
1 – “Indro ny zanakao” (Jn 19, 25)
2 – “Ny marina ihany no haha-olon’afaka anareo” (Jn 8, 32)
3 – Naniraka ireo mpianatra hialoha azy any amin’ny Tanana sy ny vohitra mbola halehany I Jesoa (Lk 10, 1)
4 – Onena i Jesoa nahita ireto vahoaka marobe nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry (Mt 9,36)
5 – “Zanak’i Abrahama koa ity lehilahy ity “ (Lk 19, 9)
6 – “Aza ataonareo trano fivarotana ny tranon’ny Raiko” (Jn, 2, 16)
7 – “Mpanompo tsy mendrika izahay ka tsy maintsy ho nataonay ihany no hany vitanay” (Lk 17, 10)
8 – “Na iza na iza manao ny sitrapon’Andriamanitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko” (Mk 3, 35)
9 – “Na iza na iza hanatanteraka sy hampianatra izany kosa dia lehibe amin’ny fanjakan’ny lanitra” (Mt 5, 19)
10- “ Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, ka hanomezany voninahitra y Rainareo any an-danitra” (Mt 5, 16)
Raha te hahafantatra misimisy kokoa mikasika ny asan’i mompera Jean Beyzym : beyzym.pl/?page_id=2308