«

»

Sep 29

Manome rà, manome aina

Mitsinjara ny «oxygène » manerana ny vatana manontolo ny rà. Izy ihany koa no manaparitaka ireo singa marobe ilain’ny vatana.

Na eo aza anefa ny fivoaran’ny teknôlôjia dia mbola tsy afaka manamboatra rà ny zanak’olombelona ka ny fanomezan-drà ihany no ahazoana rà entina mamonjy izay mila izany :

  • ireo vehivavy very rà betsaka eo am-piterahana ;
  • ireo trà-doza mafy very rà betsaka ;
  • ireo atao fandidiana ka mila rà ;
  • ireo tsy ampy rà noho ny aretina maro samihafa : homamiadana…

Ankehitriny dia tsy ampy ny rà eny amin’ireo toeram-pitsaboana ary tojo fahasahiranana mafy ireo manan-kavana mila rà maika.

Iza no afaka manome rà ? Firy ny fatran’ny rà azo omena ary im-piry isan-taona no tokony hanome rà? Inona avy ireo tombontsoa azo amin’ny fanomezan-drà ?

Iza no afaka manome rà ?

  • Olona feno valo ambin’ny folo taona hatramin’ny enim-polo taona ho an’ireo sambany vao hanome rà, hatramin’ny dimy amby enim-polo taona kosa ho an’ireo efa mpanome.
  • Milanja dimam-polo kilao farafahakeliny.
  • Salama tsara amin’ny andro anomezan-drà.
  • Olona avy nisakafo saingy tsy nihinan-javatra be menaka na misy alikaola tao anatin’ny adiny telo.
  • Tsy mandray zava-mahadomelina.
  • Olona tsara fitondran-tena (tsy nanao firaisana ara-nofo tamin’ny olon-kafa ankoatry ny vady ao an-trano tao anatin’ny efa-bolana).
  • Tsy vao avy : nihinana fanafody (« antibiotique,.. »), nitsabo nify, nanao « tatouage », nididy.
  • Raha vehivavy : tsy tonga fadim-bolana, tsy bevohoka, tsy tera-bao, tsy mampinono.

 Firy ny fatran’ny ra azo omena ary impiry isan-taona no tokony hanome rà ?

  • Araka ny lanjanao no fatran’ny rà azo alaina aminao ary tsy mihoatra ny 450 ml, izany hoe latsaky ny ampahafolon’ny rà izay mikoriana ao aminao ;
  • Aza matahotra ! Ora vitsy monja dia ampy anoloan’ny vatanao ny rà nalaina taminao ;
  • Isan-telo volana ihany no afaka manome rà.

Ireo tombotsoa azo amin’ny fanomezan-drà !

  • Manavotra aina maro ;
  • Manavao ny rà ka mahatsara ny fahasalamana ;
  • Ahafahana mamantatra ny sokajin-drà sy ny toe-pahasalamana amin’ny alalan’ny fitiliana.

Fanomezana sarobidy ho an’ny hafa sady ahazoanao tombontsoa ny fanomezan-drà.

Ny rànao no andrasana hamonjena ain’olona maro.