Kongresy Eokaristika 2020 : vavaka hasiviam-bolana ho fiomanana
Arahabaina isika nankalaza tao anatin’ny hafaliana sy fanantenana ny ivon’ny Taon-jobily faha 100 taona iny.
Mitohy hatrany ny fiainantsika ny Taon-jobily. « Mirosoa amin’ny lalina kokoa hatrany ». Hamafiso amin’ny fiainam-bavaka sy ny fiainam-panahy ireo fiomanana isankarazany hoenti-miatrika ny Kongresy Eokaristika hatao any Antsiranana amin’ny 26 – 31 Aogositra 2020. Hiombom-bavaka amin’ny alalan’ny vavaka hasiviam-bolana isika manomboka ny volana desambra izao hatramin’ny volana aogositra 2020.
Efa iarahantsika mahalala ny atao hoe Tambajotram-Pivavahan’ny Papa Maneran-tany. Manolotra antsika « zotra ara-panahy » miseho amin’ny endriky ny sekolin’ny fo io TPPM io. DINGANA SIVY amin’izany lalana izany no ezahintsika hiainana mandritra izao hasiviam-bolana iombonam-bavaka zao. Io ilay antsoina hoe : « Lalan’ny Fo ». Ao anatin’ny vavaka mangina sy feno figagàna no andraisantsika sy anatanterahantsika izany satria manambara amintsika ny tantarantsika miaraka amin’Izy Tompo.
Dingana iray amin’ireo sivy ireo no hatolotra antsika eto isam-bolana ka izorantsika mankany amin’ny Kongresy Eokaristika. Ho an’ity volana Desambra ity àry dia ny Dingana voalohany, miaraka amin’ny vavaky ny Taon-jobily sy izay manampy azy.
Tari-dalana ho an’ny vavaka hasiviam-bolana
- Hiezaka ny Ekipa fototra iray mba tsy ho tapaka mihitsy ny fivoriana isan-kerinandro fa ao anatin’ny fivoriana tsy tapaka io no hanatanterahana ny vavaka iombonana. Raha misy tsy fahatanterahan’ny andro fivoriana dia hifidy andro iray amin’io herinandro voatondro io hanaovana ny vavaka.
- Omena mialoha any am-pivoriana ny lohahevitra sy ny vavaka hatao mba ho afaka hiomana ny tsirairay ;
- Rehefa tonga ny fotoam-pivoriana dia hanokana 30 mn ahay hanaovana ny vavaka sy ny fandinihana masina, araka izao manaraka izao :
- Vavaka Fanolorana ny andro
- Hira fanombohana
- Vavaka torapo, araka izay anentanan’ny Fanahy
- Famakiana ny lahatsoratra momba ny Lohahevitry ny volana diavina
- Fandinihana masina + hira iray
- Vavaky ny Taon-jobily + Rainay, Arahaba ry Maria, Voninahitra, fiantsoana an’ireo Olomasina Mpiaro sy ny Fo Masin’i Jesoa.
- Ny tsirairay kosa isan’andro dia hanao ny vavaky ny Taon-jobily, miampy Rainay sy Arahaba ry Maria ary Voninahitra sy fiantsoana ny Olomasina mpiaro. Izay tsy manana ny vavaky ny Taon-jobily dia hanao Toko Sapile iray ho an’ny Fankalazana.
Ireto àry ny Lohahevitra ho an’ny volana roa manaraka (Janoary sy Febroary)
Lohahevitra ho an’ny volana Desambra : « Tany am-piandohana , ny Fitiavana »
Ny fitiavana mandrakizain’Izy Ray no Teny manorina ny fiainam-pinoantsika.
Ny hoe: «Tia anao aho », izany no sitrany hambara amintsika isan’andro sy tiany ho hita taratra amin’izay rehetra ataony ho antsika. «Andriamanitra dia fitiavana » (1 Jo 4, 8), izany no toetrany, tsy afaka ny tsy ho tia antsika izy. NY FITIAVANA, no ilay fomba tsy itsaharany mijery antsika sy miara-dàlana amintsika na inona na inona zavatra tsy ampoizina miseho amin’ny fiainantsika, eny fa na dia tafasaraka taminy noho ny fahotana aza isika. Tsy misy fepetra ary maharitra mandrakizay ny Fitiavany. Izany no Fiandohana sy Fototra iorenan’ny lalantsika ara-panahy, satria noho ny fitiavany no niandohan’ny fiainantsika ary dia entiny sy horaisina ao Aminy izany indray andro any. Isika no mamaly io antsom-pitiavana io dia satria mahalala io fitiavana io.
- « Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao…» (Jr. 31, 3)
- « Hanadino ny taizany va ny vehivavy, ka tsy hamindra fo amin’ny naloakyny kibony? Na hanadino aza ny reny, izaho tsy mba hanadino anao. Satria efa vitako tombo-kavatsa eo amin’ny felatanako ianao…» (Iz. 49, 15)
- « Ary toy izao izany Fitiavana izany : tsy isika no tia an’Andriamanitra rahateo, fa Izy no tia antsika mialoha, sy naniraka ny Zanany…» (1 Jo. 4, 10)
- « Andriamanitra no nifidy antsika, tao amin’i Kristy, talohan’ny nahariana an’izao tontolo izao… » (Efez. 1, 4)
- «Tsy hisy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesoa Tompontsika.» (Rom. 8, 39)
>>> FET 100 taona : vavaky ny taon-jôbily