JMJ 2017 : hafatry ny Papa ho an’ny Tanora
Hafatry ny Papa JMJ 2017
Indreto indray isika mizotra miandalana, taorian’ny fihaonana mampitolagaga tany Cracovie, izay nankalazantsika ny Andro Maneran-tany faha-31 ho an’ny Tanora sy ny Taona Masin’ny Famindram-po. Nanaiky isika notarihin’ny Masindahy Joany Paoly faha-2 sy Masimbavy Faustine Kowalska, apostolin’ny famindrapon’Andriamanitra mba hitondra ny setriny azo tsapain-tanana ho an’ny fanambin’izao vaninandrontsika izao. Niainantsika tamin-kafanam-po ny firahalahiana sy ny hafaliana, ary nanome ny famantarana ny fanentanana an’izao tontolo izao isika ; tsy endriky ny tsy fifankahazoana na fisarahana akory ireo saina sy fiteny samihafa , fa fotoana hanokafana ny fo sy hanorenana tetezana.
Tamin’ny famaranana ny Andro Eran-tany tany Cracovie, dia nanoro ny fiantsonana manaraka ny amin’ny fivahinianana masina ataontsika aho, noho ny fahasoavan’Andriamanitra, izay hitarika antsika ho any Panama amin’ny taona 2019. Hiara-hizotra amintsika amin’io lalana io i Maria Virjiny, izy ilay ambaran’ny taranaka rehetra hoe : sambatra (jer. Lk 1,48). Mifandray amin’ny teo aloha ny ampahany vaovao amin’ny zotrantsika, izay mifantoka amin’ny Hasambarana, ka manosika antsika hiroso amin’ny lalina. Irin’ny foko tokoa ny hahafahanareo tanora tsy mitadidy ny lasa fotsiny, fa hanana herim-po ihany koa ankehitriny sy fanantenana ho an’ny hoavy. Ireo toetra ireo, izay velona mandrakariva tao amin’ilay tovovavy avy any Nazareta, dia voalaza mazava ao amin’ireo lohahevitra nofidiana ho an’ny andro telo manaraka amin’ny Andro Maneran-tany ho an’ny Tanora. Ho an’ity taona ity (2017), handalina momba ny finoan’i Maria isika, raha nanambara tao amin’ny “Magnificat”(Tononkiran’i Maria) izy hoe: « Nanao zavatra lehibe tamiko ilay Mahefa » (Lk 1,49). Ny lohahevitra ho an’ny taona manaraka (2018)- « Aza matahotra ry Maria, fa sitrak’Andriamanitra ianao » (Lk 1,30) – handinihintsika momba ny fitiavana feno herim-po nandraisan’ny Virjiny ny filazan’ny anjely. Ny Andro Maneran-tany ho an’ny Tanora 2019 dia nalaina avy amin’ilay teny « Inty aho ankizivavin’ny Tompo, aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao » (Lk1,38), valin-tenin’i Maria tamin’ny anjely, feno fanantenana.
Amin’ny oktobra 2018, hankalaza ny Sinodan’ny Eveka ny Fiangonana momba ny lohahevitra hoe : « Ny tanora, ny finoana sy ny fandanjalanjana ny fiantsoan’Andriamanitra». Hanadihady isika ny momba ny fomba iainanareo tanora ny trai-kefan’ny finoana eo anivon’ireo fanambin’izao vaninandrontsika izao. Ary atrehintsika ihany koa ireo fanontaniana momba ny fomba hahafahanareo manamafy orina ny vinam-piainana, amin’ny fandanjalanjana ny fiantsoan’Andriamanitra anareo, mazava loatra amin’ny heviny mivelatra kokoa, izany hoe : amin’ny
fanambadiana, eo amin’ny tontolon’ny maha-laika sy tontolon’ny asa, na amin’ny fiainana voatokana sy ny fiainana maha-pretra. Irariako ny hisian’ny firindrana lehibe eo amin’ny dingana mankany amin’ny Andro Maneran-tany ho an’ny Tanora any Panama sy ny fizorana amin’ny synoda.
Tsy mila “tanora-migalabona” ny vaninandrontsika
Araka ny Evanjelin’i Lioka, taorian’ny nandraisan’ny filazan’ny anjely sy taorian’ny nilazany “eny” tamin’ny fiantsoana azy ho tonga renin’ny Mamonjy, nitsangana i Maria ary nandeha faingana namangy an’i Elizabeta rahavaviny, izay efa nitondra vohoka enim-bolana (jer. Lk 1, 36.39). Mbola tena tanora i Maria ; fanomezana lehibe izay nolazaina taminy, nefa mirakitra fanamby tena lehibe ihany koa ; nanome antoka ny fisiany sy ny fanohanany azy ny Tompo, nefa mbola maro ireo zavatra mitoetra manjavozavo ao amin’ny fanahiny sy ny fony. Na izany aza, tsy nikatona tao aminy i Maria, tsy nanaiky hohalefahin’ny tahotra sy ny avona izy. I Maria, mba hahazo aina, dia tsy mba karazan’olona mila divàii tsara hahatsapana fa migalabina tsara sy voaaro. Tsy mba “tanora-divà” izy! (jer; Lahateny fiaretan-tory, Cracovie, 30 jolay 2016). Raha nila fanampiana ilay rahavaviny efa nahazo taona, tsy nitaredretra izy fa avy hatrany dia nandeha.
Lavitra ny lalana mihazo ny tranon’ny Elizabeta : 150 km eo ho eo. Nefa ilay tovovay avy Nazareta, nasesiky ny Fanahy Masina, tsy nahalala sakana. Azo antoka fa ny andro nizorany dia nanampy azy handinika ny toe-javatra mahagaga izay nandrohy azy. Toy izany koa ny mahazo antsika rehefa manao fivahianana masina isika : eny an-dalana, tonga ao an-tsaintsika ny trangam-piainana, ary afaka manamafy orina ny dikany sy mandalina ny fiantsoan’Andriamanitra ao amintsika isika, izay ambara amintsika aorian’ny fihaonantsika amin’Andriamanitra sy ny asa-panompoana ny hafa.
Nanao zava-dehibe tamiko ilay Mahefa
Ny fihaonan’ireo vehivavy roa, ny iray tovovavy ary ny iray zokiolona dia feno ny Fanahy Masina, ary ampoky ny hafaliana sy ny faharavoana. (Lk 1,40-45). Ireo reny roa, toy izany koa ny zaza tao an-kibony dia nientan-kafaliana. Elizabeta, nihetsi-po noho ny finoan’I Maria, niantso mafy hoe: “sambatra ilay nino fa ho tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminy” (and.45). Eny, iray amin’ireo fanomezana lehibe noraisin’i Virjiny ny finoana. Fanomezana tsy azo visavisaina ny mino an’Andriamanitra, nefa miangavy ihany koa ho raisina ; ary Elisabeta nitso-drano an’i Maria ho an’izany. Avy eo, namaly tamin’ny Magnificat izy (jer. Lk 1, 46-55), izay hahitantsika ilay teny hoe: « Nahavita zava-dehibe tamiko ilay mahefa »
Vavaka mankamin’ny fiovam-penitra, ny an’i Maria, hiran’ny tanora feno finoana, mahafantatra ny fetrany nefa mahatoky ny famindram-pon’Andriamanitra. Nisaotra an’Andrimanitra ity vehivavy kely be herim-po satria nitsinjo ny fiambaniany Izy sy
noho ny asam-panavotana notanterahiny ho an’ny vahoakany, ny mahantra sy ny manetry tena. Ny finoana no ivon’ny tantaran’i Maria. Ny tononkirany no manampy antsika hahazo fa ny famindram-pon’ny Tompo no toy ny milin’ny tantara, na ny tantarantsika tsirairay na ny tantaran’ny olombelona rehetra.
Rehefa manohina ny fon’ny tovolahy na tovovavy iray Andriamanitra dia afaka mahavita asa tena mampitolagaga ireo. Ny « zava-dehibe » nataon’ny Tompo tamin’ny fiainan’i Maria dia manambara amintsika ny diantsika eo amin’ny fiainana, izy tsy hoe: firenirenena tsy misy dikany, fa fivahinianana masina izay, eny fa na dia misy fisalasalana sy fahoriana aza, dia hahafahana mahita an’Andriamanitra amin’ny fahafenoany (jer. Angelus, 15 aogositra 2015). Hiteny ahy ianareo hoe : « Ray, manam-petra aho, mpanota aho, inona no azoko atao? ». Rehefa miantso antsika ny Tompo, dia tsy mianona fotsiny amin’ny maha-isika antsika na amin’izay nataontsika. Ny mifanohitra amin’izany aza, amin’ny fotoana iantsoany antsika, mijery izay mety ho vitantsika Izy, ny fitiavana rehetra izay azontsika omena. Toa an’i Maria tovovavikely, afaka mihoitra ianareo mba ho tonga fitaovana hanatsarana izao tontolo izao ny fiainanareo. Miantso anareo i Jesoa mba hametraka marika eo amin’ny fiainana ianareo, famantarana manamarika ny tantara, tantaranareo sy tantaran’ny maro. (Lahateny tamin’ny fiaratan-tory tany Cracovie 30 jolay 2016).
Ny hoe tanora tsy midika hoe miendaka amin’ny lasa
Efa nihoatra ny taonan’ny fialàna sakana i Maria, toy ny maro aminareo. Nefa ao amin’ny Magnificat (tononkirany) izy, manandratra ny feom-pihobiana an’ny vahoakany sy ny tantarany. Maneho amintsika izany fa ny hoe: tanora tsy midika hoe : tsy mifandray amin’ny lasa. Ny tantarantsika tsirairay dia tafiditra ao anatin’ny fitohizan’ny tantara, ao amin’ny dingam-piainan’ny fiaraha-monina tany alohantsika tao anatin’ny taon-jato nifandimby. Ary ny tantaran’ny Fiangonana dia mampianatra antsika fa na mamakivaky ranomasina misahotaka aza izy, ny tanan’Andriamanitra mitarika azy, mampihoitra azy amin’ny fotoan-tsarotra. Ny tena traikefa-piainan’ny Fiangonana dia tsy toy ny « flashmob »iii (seho an-tsehatra tselatra), izay hifanomezana fotoana, hanehoana fahombiazana, ary eo avy samy mizotra amin’ny lalany. Mitahiry lova-panahy maharitra ao aminy ny Fiangonana, izay miampita amin’ireo taranaka mifandimby, ary mitombo miandalana izany amin’ny traikefan’ny tsirairay.
Manana ny toerany ihany koa ny tantaranareo eo amin’ny tantaran’ny Fiangonana
Ny mitadidy ny lasa dia maneho ihany koa ny fandraisana ny asa tsy hay lazaina izay tian’Andriamanitra hotanterahina ao amintsika sy amin’ny alalantsika. Izany dia manentana antsika hisokatra ho voafidy ho toy ny fitaovany, mpiara-miasa amin’ny asa-panavotany. Ianareo ihany koa, ry tanora, afaka manao zavatra lehibe ianareo, afaka mandray andraikitra lehibe, raha toa ka ankatoavinareo ny asan’Andriamanitra be famindramim-po sy feno fahefana ao amin’ny fiainanareo.
Te hametraka fanontaniana vitsivitsy aminareo aho: ahoana no « hitehirizanareo » ao amin’ny fitadidinareo ny tranga, ny traikefam-piainanareo? Ahoana no hikoloanareo ny seho sy ny sary voarakitra ao amin’ny fahatsiarovanareo? Ny sasany, indrindra rehefa voadona amin’ny trangam-piainana, dia te « hanova endrika » ny lasany, hampiasa ny zo ho amin’ny fanadinona. Tiako anefa ny mampahatsiahy anareo fa tsy misy olomasina tsy manana ny lasany, ary tsy misy mpanota tsy manana ny ho aviny. Teraka tamin’ny ratran’ny « huitre »iv ny voahangy! Jesoa, amin’ny alalan’ny fitiavany, afaka manasitrana ny fontsika, amin’ny fanovana ny ratrantsika ho tena voahangy. Araka ny nambaran’i Masindahy Paoly, dia afaka manampatra ny heriny amin’ny fahalementsika ny Tompo (jer. 2 Kor 12, 9).
Nefa, tsy tokony hitoetra hiavosa, toy ny tahiry ao amin’ny « disque dur »ny fahatsiarovantsika. Ary tsy mety ny mitahiry ny zavatra rehetra ao anatin’ny « rahona » virtoaly. Tsy maintsy ianarana ny fomba hanovana ny trangan’ny lasa ho tonga zavatra tena misy mampavitrika, halalinina ary hakana fampianarana sy dikany ho an’ny ankehitrinintsika sy ny hoavintsika. Asa sarotra ny mikatsaka ny rohin’ny fitiavan’Andrimanitra izay mampifandray ny fisiantsika rehetra, nefa tena ilaina izany.
Maro ny olona milaza fa ianareo, ianareo tanora dia tsy mba manana fitadidiana sy maniditsidina. Tsy manaiky izany aho ! Tsy maintsy miaiky isika fa amin’io fotoana io, dia tena ilaina ny mamerina indray ny fahafahana mandinika ny momba ny fiainan’ny tena sy mametraka vina ho an’ny hoavy. Manana ny lasa, tsy mitovy amin’ny hoe : manana tantara. Eo amin’ny fiainantsika, afaka manana fahatsiarovana maro isika, nefa firy amin’ireny fahatsiarovana ireny no tena manorina ny fitadidiantsika? Firy amin’ireny no misy dikany ho an’ny fontsika sy manampy antsika hanome heviny ny fisiantsika? Ny endriky ny tanora, eo amin’ny « fiaraha-monina », dia miseho amin’ny sary samihafa izay mitantara tranga manakaiky ny marina, nefa tsy fantantsika amin’izany izay « tantara », ny traikefa azo tantaraina, manana tanjona sy heviny. Ny fandaharana amin’ny fahita lavitra dia feno ilay antsoina hoe : « reality show »vi, nefa tsy tantara marina ireny, minitra vitsy monja mandalo manoloana ny fahitalavitra, mandritra izany ny mpiantsehatra tsy mihevitra akory ny hoaviny, tsy manana vina. Aza manaiky ho rebireben’ireny endri-piainana sandoka ireny ianareo ! Meteza ho mpanorina ny tantaranareo, manapaha hevitra amin’ny hoavinareo !
Ahoana ny hoe mifandray hatrany, amin’ny fakana tahaka an’i Maria
Nambara ny momba an’i Maria fa nitahiry ny zavatra rehetra izy, tamin’ny fandinihana izany tao am-pony (jer; Lk 2, 19.51). Io tovovavy manetry tena avy Nazareta io no mampianatra antsika, tamin’ny ohatra nomeny, hitahiry ny fitadidiana ireo trangam-piainana, nefa ihany koa manambatra izany, amin’ny fanorenana indray ny fampiraisana ny ampahany manan-danja, izay hahafahana mamorona « mosaïque »vii: endrika kanto avy amin’ny fanambarana singa samihafa. Ahoana no
hahafahantsika tena miasa, amin’io heviny io? Hanome soso-kevitra vitsivitsy anareo aho.
Isaky ny famaranana ny andro, afaka miato kely minitra vitsy isika mitadidy ny fotoana tsara, ny fanamby, ireo izay nizotra tsara, sy ireo izay tsy araka ny tokony ho izy. Avy eo, manoloana an’Andriamanitra sy eo anatrehantsika, afaka asehontsika ny fihetsem-po ho fisaorana, fibebahana, fahatokisana, raha tianareo, soratana ao anaty karine, karazana firaiketana isanandro momba ny fiainam-panahy. Midika izany hoe: mivavaka mandritra ny fiainana, miaraka amin’ny fiainana, momba ny fiainana, ary azo antoka fa manampy anareo izany hahatsapa tsara kokoa ny zava-dehibe izay nataon’ny Tompo taminareo tsirairay avy. Araka ny voalazan’i Masindahy Augustin hoe : Azontsika atao ny mahita an’Andriamanitra ao amin’ny saha midadasiky ny fitadidiantsika (jer. Les confessions, Livre X, 8, 12).
Eo am-pamakiana ny Magnificat, hitantsika tsara fa mahafantatra ny Tenin’Andriamanitra i Maria. Ny andininy tsirairay amin’io tononkira io dia misy mifandraika aminy ao amin’ny Testamenta taloha. Mahalala tsara ny vavaky ny vahoakany ny renin’i Jesoa. Azo antoka fa ny ray aman-dreniny, raibe sy ny renibeny no nampianatra azy izany. Toy inona ny maha-zava-dehibe ny fampitana ny finoana amin’ny taranaka mifandimby ! Misy rakitra miafina ao amin’ireo vavaka nampianarin’ireo zokintsika, ao amin’io fiainam-panahy niainana tao min’ny kolotsain’ny mpanetry tena io, izay antsointsika hoe : fitiavam-bavaky ny vahoaka. Nandray ny vakoky ny finoana tamin’ny vahoakany i Maria ary nankasitraka azy ireo tamin’ny hirany tena azy, nefa hiran’ny Fiangonana manontolo ihany koa. Ary miaraka mihira aminy ny Fiangonana rehetra. Ianareo tanora, mba ho afaka mihira ny Magnificat tena anareo ianareo, sy hanao ny fiainanareo ho fanomezana ho an’ny olombelona rehetra, dia tsy maintsy mifandray amin’ny lova-panahin’ny tantara sy ny vavaka nataon’ireo teo alohanareo. Izany no maha-zava-dehibe ny fahalalana tsara ny Baiboly, ny Tenin’Andriamanitra, ny mamaky azy isanandro sy mampifandray azy amin’ny fiainanareo, mamaky ny tranga eo amin’ny andavanandrom-piainana eo ambany fanilovan’izay lazain’ny Tompo aminareo ao amin’ny Soratra Masina. Ao amin’ny vavaka sy ny vakiteny atao amim-bavaka avy amin’ny Baiboly (antsoina hoe: lectio divina), mandrehitra indray ny fonareo i Jesoa, manazava ny dianareo, eny fa na dia amin’ny fotoana maizina eo amin’ny fisianareo aza (jer. Lk 24, 13-35).
Mampianatra antsika hiaina ao anatin’ny toe-panahy eokaristika ihany koa i Maria. Izany hoe : misaotra, manandratra fiderana, tsy hifantoka fotsiny amin’ny olana sy ny fahasarotana. Eo amin’ny lalam-piainana, ny fitalahoana androany no zary tonga anton’ny fanehoam-pisaorana rahampitso. Noho izany, ny fandraisanareo anjara amin’ny Sorona masina sy ny fotoana hankalazanareo ny sakramentan’ny fampihavanana no fotoana ihany koa faratampony sy teboka iaingana : mihavao isanandro ao amin’ny famelan-keloka ny fiainanareo, ka tonga fiderana maharitra ho an’ilay Mahefa : « Mahatokisa ianareo amin’ny fahatsiarovana an’Andriamanitra : […] ny fitadidiany dia fo be fangorahana, izay tia mamafa hatramin’ny fakany ny soritry ny ratsy rehetra nataontsika. » (Toriteny nandritra ny Sorona Masina tamin’ny andro Eran-tany ho an’ny Tanora, Cracovie, 31 jolay 2016).
Hitantsika fa nipololotra avy ao am-pon’i Maria ny tononkiram-piderana « Magnificat » tamin’ny fotoana nihaonana tamin’i Elizabeta rahavaviny, efa nahazo taona. Io, noho ny finoany sy ny fijeriny efa voahomana ary ny teniny, no nanampy ny Virjiny hahazo tsara ny halehibeazan’ny asan’Andriamanitra ao aminy, ny iraka nankinina taminy. Ary ianareo, tsapanareo ve ny loharanon-karena tsy hay tohaina eo fihaonan’ny tanora sy ny zokiolona? Inona ny zava-dehibe ankatoavinareo amin’ny zokiolona, amin’ny raibe sy renibenareo? Izay indrindra, maniry ny « hikopa-kelatra » ianareo, manana nofy maro ao am-ponareo ianareo, nefa mila fahendrena sy fijerin’ny zokiolona. Satria ho velarinareo amin’ny rivotra ny elatrareo, zava-dehibe noho izany ny fototrareo sy ny hanangonanareo ny oha-piainan’ireo olona nialoha lalàna. Mba hanorenana hoavy misy heviny, dia tsy maintsy mahafantatra ny zava-nitranga taloha ary maka toerana miatrika izany (jer. Fanentanana apostolika, taorian’ny sinoda, Amoris Laetiti, lah. 191.193). Ianareo, ry tanora, manana hery ianareo, fa ny zokiolona manana fitadidiana sy fahendrena. Toa an’i Maria manoloana an’i Elizabeta, afantohy any amin’ny zokiolona ny fijerinareo, any amin’ny raibe sy renibenareo. Hilaza zavatra aminareo izy, izay hambabo ny fanahinareo sy hanohina ny fonareo.
“Mahatoky toy ilay Mpahary” mba hanorina vanim-potoana vaovao
Marina fa mbola vitsy ny taona niantsorohanareo, ary noho izany dia mety ho sarotra aminareo ny hanaiky ny soatoavina avy amin’ny lova-panahy. Ataovy ao an-tsainareo tsara fa tsy midika akory izany fa mpifikitra amin’ny fomba taloha ianareo. Tsia! Raha i Maria, ao amin’ny Evanjely, nilaza hoe « nahavita zava-dehibe tamiko ilay Mahefa », dia heverina fa mbola tsy vita io « zava-dehibe » io, fa mitohy ankehitriny ny fahatanterahany. Tsy hoe: lasa efa lavitra be. Ny fahaizana mitadidy ny lasa, tsy midika hoe: manembona na mijanona miraikitra amin’ny fotoana voafaritra ao amin’ny tantara, fa mahay mankasitraka ireo tena nipoirana, ka hifantoka mandrakariva amin’izay tena ilaina sy mizotra ao anatin’ny fahatokisana mitaky finiavana hamorona ao amin’ny fanorenana vanim-potoana vaovao.
Ho fahoriana sy tsy mitondra n’inona n’inona na ho an’iza na iza ny fikoloana ny fitadidiana mamparefo, izay manao zavatra mitovy hatrany, amin’ny fomba mitovy hatrany ihany koa. Fanomezana avy an-danitra ny afaka mahita fa maro aminareo, amin’ny fanadihadianareo, ny nofy sy ny fanontaniana no manohitra an’ireo izay milaza fa tsy afaka hiova ny zavatra.
Ny fiaraha-monina izay tsy manandratra afa-tsy ny ankehitriny dia mirona ihany koa amin’ny fampihenan-danja an’izay nolovaina tamin’ny lasa, ohatra ny fanorenana ny fanambadiana, ny fiainana voatokana ary ny iraka maha-pretra. Tonga tsy misy heviny intsony izany, toy ny modely nilaozan’ny toetrandro. Heverina fa miaina tsara ao anatin’ny fiainana lazaina hoe :”misokatra” rehefa manana fiainana toy ny amin’ny “reality show”, tsy misy zava-kendrena ary tsy manan-tanjona. Aza manaiky hofitahana ianareo ! Tonga Andriamanitra mba hanokatra ny ambaidain’ny fiainantsika, amin’ny lalana rehetra. Manampy antsika Izy hampifandrindra ny soatoavina avy amin’ny lasa, mba haminavinantsika tsara kokoa ny hoavy hitondra hasambarana : nefa tsy tanteraka izany raha tsy miaina ny tena traikefam-pitiavana, izay tanteraka amin’ny fahatsapana ny antson’ny Tompo sy ny firotsahana amin’io antso. Ary io no hany tokana mahatonga antsika ho tena sambatra.
Ry tanora malala, ankiniko amin’ny vavaky ny reny ataon’i Maria Virjiny sambatra ny dianareo mankany Panama sy ny fanomanana ny sinodan’ny Eveka manaraka. Manentana anareo aho mba hahatsiaro ny fotoan-dehibe roa amin’ity taona 2017 ity : ny faha-300 taona ny nahitàna indray ilay sarin’ny Virjiny Aparecida, ao Brésil ; sy ny faha-100 taonan’ny fisehoana tao Fatima, ka noho ny fahasoavan’Andriamanitra, dia handeha ho any aho, amin’ny maha-mpivahiny masina, amin’ny volana mey ho avy izao. Masindahy Martin de Porres, iray amin’ireo olomasina mpiaro an’i Amerika latinina sy ny Andro Eran-tany ho an’ny Tanora 2019, tamin’ny asany andavanandro feno fanetren-tena, dia nanana fahazarana nanolotra ny voninkazo tsara indrindra an’i Maria, ho famantarana ny fitiavan-janaka. Ianareo ihany koa, mba toa azy. Mikoloa fifandraisana am-po sy fifankatiavana amin’ny Virjiny, amin’ny fanankinana aminy ny hafalianareo sy ny tebitebinareo ary ny fahasahirananreo. Lazaiko marina aminareo fa tsy hanenina ianareo.
Enga anie ilay tovovavy avy any Nazareta, izay naka endrika sy anarana maro manerana izao tontolo izao hivavaka ho antsika tsirairay ary hanampy antsika hihira ny zava-dehibe izay notanterahin’Andriamanitra tamintsika sy tamin’ny alalantsika.
Vatikana, 27 febroary 2017.
Fahatsiarovana an’i Md Gabriel de l’Addolarata.
—————————————
i Tsy misy mpanelingelina
ii Divà: seza lavalava misarina fandriana azo itsorana.( jer.Rakibolana malagasy, Regis Rajemisa Raolison)
iii Seho an-tsehatra tselatra
iv Karazana sifotra an-dranomasina, mamorona voahangy ao anatiny.
v Fitaovana iray apetraka ao amin’ny solosaina hitehirizana ireo fitadidiana
vi Seho sehatra misy lohahevitra artistika mba hisintonana ny mpijery hiala voly
vii Endrika kanto avy amin’ny fanambarana singa samihafa