«

»

Mar 09

Hafatry ny Papa ho an’ny tanora

« Aza matahotra, ry Maria, fa sitrak’Andriamanitra ianao » (Lk 1, 30)

 

Ry Tanora malala, Ny andro eran-tany ho an’ny tanora amin’ity taona 2018 ity dia maneho dingana iray amin’ny fanomanana ny Andro eran-tany ho an’ny tanora, homarihana amin’ny sehatra iraisam-pirenena, izay ho tanterahina any Panama ny volana Janoary 2019. Izany dingana vaovao amin’ny fivahinianana Masina hataontsika izany dia mifanojo amin’ ny taona niantsoana ny Fivoriam-be Ara-potoana ny Sinodan’ny Eveka momba ny lohahevitra hoe : «Ny tanora, ny finoana sy ny fiatrehana ny asam-panavahana atao amin’ny antson’Andriamanitra“. Fifanojoana tsara tokoa izany. Mitodika aminareo tanora ny fifantohana, ny vavaka ary ny fandalinana ataon’ny Fiangonana, mba hanangonana, ary indrindra, “handraisana” ny fanomezana sarobidy izay tsy iza fa ianareo, ho an’Andriamanitra, sy ny Eglizy ary ho an’izao tontolo izao.

Araka ny efa fantatrareo, dia irintsika ity lalana ity ho tantanan’ny ohatra sy ny vavaka ataon’i Masina Maria, ilay tovovavy tao Nazareta nofidin’Andriamanitra ho Renin’ny Zanany. Miara-dalana amintsika izy ho any amin’ny Sinaody sy ny JMJ any Panama. Raha tamin’ny taon-dasa isika, notarihin’ny tonon-kira-piderany hoe – “Nanao zavadehibe tamiko ilay Mahefa”(Lk 1, 49) – nampianatra antsika hitadidy ny lasa, amin’ity taona ity, hiezaka isika hiaraka aminy hihaino ny feon’Andriamanitra, izay mitondra fankaherezana sy manome fahasoavana ilaina mba hamaliana ny antsony: “Aza matahotra, ry Maria, fa sitrak’Andriamanitra ianao” (Lk 1, 30). Teny nentin’ny Arkanjely Gabriely, mpitondra hafatr’Andriamanitra io, niantefa tamin’ Maria, tovovavy tsotra avy amin’ny tanana kely iray ao Galilea.

1. Aza matahotra!

Araka ny hahazoantsika azy, ny fisehoana tsy ampoizina nataon’ny Anjely sy ny fiarahabàna mifono mistery manao hoe: «Arahaba, Ry Ilay feno hasoavana, ny Tompo ao aminao» (Lk 1, 28) dia niteraka fahagagàna lalina tao amin’i Maria, talanjona fa noho ity fanambarana voalohany ny maha-izy azy ity sy ny antso miantefa aminy, izay tsy fantany hatramin’io fotoana io. Nihararetra, tahaka ireo olo-malaza hita ao amin’ny Soratra Masina, i Maria teo anoloan’ny misterin’ny fiantsoan’Andriamanitra, izay nametraka azy tao anatin’ny indray mipi-maso monja eo anoloan’ny halebiazan’ny fandaharany manokana sy nahatonga azy hahatsapa ny maha-zavaboahary bitika sy tsinotsinona azy. Ny Anjely, rehefa tena nahalàla izay tao am-pon’i Maria lalina tao dia nilaza hoe: «Aza matahotra! » Andriamanitra ihany koa dia mamaky izay ao anatintsika. Fantany tsara ireo fanamby izay tsy maintsy atrehintsika amin’ny fiainana, indrindra rehefa miatrika ireo safidy fototra hiankinan’ny fiainantsika ho avy sy izay hataontsika eto amin’ity tany ity. Izany no “hovitra” manjo antsika rehefa manoloana ireo fanapaha-kevitra momba ny ho avintsika isika, momba izay ho anjara fiainantsika, ny antson’Andriamanitra amintsika. Amin’izay fotoana izay, hitebiteby isika ary hiaina anaty tahotra samihafa. *

Ary ianareo tanora, karazan-tahotra inona no mahavoa anareo? Inona no tena mampitebiteby anareo? Anisan’ny tahotra «mitampikitra» lalina manjò ny ankamaroany aminareo ny tahotry ny tsy ho tiana, na tsy ankasitrahina, na tsy ho ekena araka ny maha-anareo anareo. Ankehitriny, maro ireo tanora no mihevitra fa tokony ho hafa noho ny tena maha-izy azy, halaim-panahy hampitovy ny tenany amin’ireny ohatra izay hosoka sy tsy azo iainana akory.Tsy mitsahatra izy ireny amin’ny «fanamboamboarana ny sariny » miainga amin’ny tena endrik’izy ireo marina, ka miafina ambadiky ny sarotava sy tsy mampiseho ny tena maha-izy azy intsony fa misandoka ny tsy an’ny tena, hany ka lasa ohatran’ny hoe tena izy mihitsy ny «raviravi-natentiny ety ivelany». Ny ankamaroan’ny sasany dia maniry sy mikiry ny hahazo ny “tiako” (j’aime), araka izay maro indrindra. Ary avy amin’io fihetseham-po diso toerana io no miteraka tahotra maro samihafa sy tsy fahatokisan-tena intsony. Ny sasany matahotra ny mety ho tsy fahombiazana amin’ny fahitàna antoka ara-pitiavana ary hitoetra irery. Ho an’ny maro , noho ny asa fivelomana tsy azo antoka, dia tonga ho azy ny tahotra tsy hahatratra ny fenitra mba hahita fivelarana mahafapo eo amin’ny sehatry ny asa, tahotra ny tsy hahatanteraka izay mba nofinofiny. Ireo no tahotra izay mandolo ny ankamaroan’ ny tanora ankehitriny, na mpino izy ireo na tsy mpino. Eny fa na dia ireo izay nandray tsara ny fanomezan’ny finoana ary mikaroka am-pitandremana ny antson’Andriamanitra miantefa aminy manokana aza dia toa tsy afa-bela amin’izany tahotra izany. Misy sasantsasany mihevitra hoe: angamba Andriamanitra mangataka, na mangataka diso tafahoatra amiko; angamba eo am-pamakivakiana ny lalana nosoritany ho ahy, mety tsy tena ho sambatra mihitsy aho, na ihany koa tsy hahatakatra velively izay hangatahiny amiko aho. Ny hafa hanon-tany tena hoe: raha hizotra amin’ny làlana natoron’Andriamanitra ho ahy aho, iza no hanome antoka fa ho vitako ny hanjohy an’iny hatramin’ny farany? Mety ho kivy an-dàlana ve aho? Moa mety ho very herim-po? Moa ve aho hanana ny herim-po sy faharetana haharitra mandritra ny fiainako manontolo?

Amin’ny fotoana maha-ketraka ny fo amam-panahy noho ireo tahotra sy fisalasalàna, dia tsy maintsy ilaina ny fahaiza-mandanjalanja. Io no ahafahantsika mametraka ny lamina manoloana ny fisavorovoroan’ ny saintsika sy ny fihetseham-pontsika, mba hanaovantsika fihetsika am-pahamarinana sy am-pahamalinana. Ao anatin’io dingana io, ny voalohany indrindra tsy maintsy atao mba hihoarana ny tahotra dia ny mamantatra azy amin’ny fomba mazava, mba tsy ho very fotoana sy ho lany hery eo ambany vahohon’ny faniriana manjavozavo sy tsy mateza.

Noho izany, dia manentana anareo rehetra aho mba hanao jery todika ny fiainana ary “hanome anarana” ireo tahotrareo ireo. Aoka ianareo hanontany tena hoe: amin’izao fotoana izao, ao anatin’ny tena zava-misy iainako, inona no tena mampitebiteby ahy, inona no atahorako indrindra? Inona no tena manohana sy misakana ahy tsy handroso? Nahoana aho no tsy manana ny herim-po haka ny safidy lehibe izay tsy maintsy hataoko? Aza matahotra ny hijery amin’ny fomba mazava ny tahotrareo, ny hamantatra azy ireo tsara araka ny tokony ho izy, ary ny hihevitra azy ireo ho zava-dehibe. Ny Baiboly dia tsy mandà velively ny fisian’ireo sentom-po maha-olona momba ny tahotra na ireo antony maro mety maha-tonga azy. Natahotra i Abrahama (jer. Jen 12,10ss), azon-tahotra ihany koa i Jakoba (jer. Jen 31,31; 32,8), toy izany koa i Moizy (jer. Eks 2,14;17,4), i Piera (jer. Mk 26, 69ss) ary ireo Apostoly (Jer. Mk 4,38-40; Mt 26, 56). Eny fa na i Jesoa aza , na dia hoe lenta tsy mifanahaka velively, dia nahalala ihany koa ny atao hoe tahotra sy ny tebiteby (Jer. Mt 26,37; Lk 22,44).

«Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana ihany va ianareo?» (Mk 4,40). Io tsiahy nataon’i Jesoa ny mpianany io dia manampy antsika hahatakatra fa mazàna ny sakana lehibe amin’ny finoana dia tsy ny fahalainana hino, fa ny tahotra. Ny asa atao amin’ny fahaiza-mandanjalanja, amin’izay lafiny izay, rehefa avy nanavaka tsara ireo tahotra mpahazo antsika isika, dia tokony hanampy antsika hihoatra azy ireny amin’ny alàlan’ny fisokafantsika amin’ny fiainana ary amin’ny fiatrehantsika amim-pahatoniana ireo fanamby izay arosony ho antsika.

Ho antsika kristianina manokana, tsy tokony ho tompon’ny teny farany na oviana na oviana ny tahotra, fa tokony ho kihon-dàlana iray hanatanterahana ny fanehoam-pinoana ao amin’Andriamanitra….sy eo amin’ny fiainana! Midika izany fa mino ny toetra fototra tsara ny fisiana izay nomen’Andriamanitra antsika isika, mino koa fa izy no mitarika mba ho tafita soa aman-tsara eny amin’ny seranana, ka tafiditra ao anatiny sy amin’ny alalan’izany, ireo seha-piainana mifamahofaho sy ireo soa na ratsy amin’ny tranga mety hanjò ny fiainan-janak’olombelona izay mazàna mifono mistery ho antsika. Raha ny mifanohitra amin’izany, ka mikolo ny tahotra isika, dia hizotra miandalana mikombona amin’ny tenantsika samirery isika, toa manakaton-trano tsy hidiran’inona na inona ary tsy ho tafiditr’ iza na iza, fa dia hitoetra irery toy ny malemy. Tsy maintsy manohitra izany isika! Koa aoka tsy hikombona na oviana na oviana!. Ao amin’ny Soratra Masina, hitantsika fa miverina in-365 ny teny hoe «aza matahotra», araka ny hampiasana azy avy.

Toy ny midika hoe: isaky ny andro iray mandritra ny taona ny Tompo no te hanafaka antsika amin’ny tahotra. Tena tsy azo ihodivirana ny fahaiza-mandanjalanja raha vao mahakasika ny fikatsahana ny antson’Andriamanitra. Matetika izy io no tsy mazava na hoe miharihary avy hatrany, fa takatra tsikelilely eny ihany. Koa ny fahaizamandanjalanja atao, amin’izay lafiny izay, dia tsy tokony heverina ho toy ny ezaka manokana handinihana ny ao anaty, ka hanatrarana ny fahalalana kokoa ny fizotry ny fiainana anaty mba hampahery antsika sy hahazoana karazana fahamarinan-toerana. Amin’izay, ho lasa matanjaka tokoa ny maha-olona, saingy mitoetra ihany ao anatin’ny tontolopiainana mihidy voafetran’ny fahafahany sy ny hitany fotsiny. Ny antson’Andriamanitra kosa dia antso avy any ambony ary ny fahaiza-mandanjalanja araka izay heviny izay dia midika indrindra ho fisokafana amin’ny Hafa izay miantso. Ilaina indrindra araka izany ny fahanginana anatin’ny vavaka mba hihaino ny antson’Andriamanitra izay manako ao amin’ny feon’ny fieritreretana. Mandondòna ao amin’ny varavaran’ny fontsika Izy, tahaka izay nataony tamin’i Maria, maniry ny hamitrana fifankatiavana amintsika amin’ny alàlan’ny vavaka, hiteny amintsika amin’ny alàlan’ny Soratra Masina, hanolotra antsika ny famindrampony ao amin’ny sakramentan’ny Fampihavanana, hitoetra miaraka amintsika ao amin’ny Eokaristia.

Fa zava-dehibe ihany koa ny fifandraisana sy ny fifanakalozan-kevitra amin’ny hafa, amin’ireo rahalahy sy anabavintsika ao amin’ny finoana, izay efa manana traikefa bebe kokoa ary manampy antsika hijery tsara sy hahay hifidy manoloana ireo safidy maro. I Samoela kely, rehefa nandre ny feon’ny Tompo, dia tsy nahalala izany avy hatrany, fa nahatonga intelo izy no nihazakazaka namonjy an’i Elia, ilay mpisorona zokiolona, izay nanome azy tamin’ny farany ny valinteny tokony hatao amin’ny antson’ny Tompo: «Raha miantso anao izy , dia valio hoe: Mitenena, Tompo, fa mihaino ny mpanomponao» (1Sam3,9). Ao anatin’ny fisalasalanareo, fantaro fa afaka mahatoky ny Eglizy ianareo. Fantatro fa misy pretra tsara, relijiozy lehilahy na vehivavy, mpino lahika, izay maro amin’izy ireny koa no tanora, ho toy ny rahalahy na anabavy zoky amin’ny finoana afaka hitantana anareo; entanin’ny Fanahy Masina ka hain’izy ireo ny hanampy anareo hamantatra tsara ny fisalasalanareo ary hamaky ny vinam-piainanareo amin’ny antson’Andriamanitra manokana. Ilay «hafa» dia tsy voatery ho mpitantana ara-panahy fotsiny, fa mpanampy antsika ihany koa hisokatra amin’ireo harena tsy misy fetra eo amin’ny fiainana izay nomen’Andriamanitra antsika. Ilaina araka izany ny manokatra ireo sehatra eo amin’ny tananantsika, ny ankohonampiainantsika mba hibeazana sy hanofisana ary hitsinjovana ny ho avy indray amin’ny fomba vaovao! Aoka tsy hanary na oviana na oviana ny tsiron’ny fisitrahana ny hoe fihaonana, fifankatiavana, tsiron’ny fiarahana manofy, ary ny fizorana miaraka amin’ny hafa. Ny tena kristianina marina dia tsy matahotra ny hisokatra amin’ny hafa, hifampizara amin’izy ireo ny seha-piainana tsy azo hiodivirana ary manova izany ho zary seha-pirahalahiana. Ry tanora malala, aza avela hitsilopilopy anaty haizin’ny efitrano mihidy ny firedaredaran’ny hatanorana, ka eo amin’ny varavarankely tokana, dia ny solosaina sy finday, no hany hijerena izao tontolo. Sokafy midanadana ary ny varavaram-piainanareo!

Enga anie ho olona hita vatana no honina eo amin’ ny seha-piainana misy anareo sy ny fotoananareo, hisy fifandraisana lalina, hahafahanareo mifampizara traikefa tena izy sy tena misy eo amin’ny andavanandro-piainanareo.

2. Maria !

«Efa nantsoiko tamin’ny anaranao ianao» (Iz 43,1). Ny antony voalohany tsy tokony hampitahotra, dia satria Andriamanitra no miantso antsika amin’ny anarantsika. Niantso an’i Maria tamin’ny anarany ilay Anjely, mpitondra hafatr’Andriamanitra. Maneho ny maha-Izy an’Andriamanitra ny fanomezana anarana. Tao amin’ny asam-pahariana , niantso ny zavaboahary tsirairay ho amin’ny fisiany tamin’ny anarany avy Izy. Ao ambadiky ny anarana no mampibaribary ny maha-izy azy, izay tokana ao amin’ny zavatra tsirairay avy sy ao amin’ny olombelona tsirairay, toe-piainana anaty izay Andriamanitra irery no hany mahalala ny tena halaliny. Nifampizaràn’Andriamanitra tamindRaolombelona avy eo io tombotsoany manokana io, ka izy indray no nanankinany ny fanomezan’anarana ny biby, ny voromanidina, sy ny zanany ihany koa(jer. Jen 2,19-21; 4,1). Maro tokoa ny kolontsaina miray hevitra amin’ny halalin’ity fijerin’ny Baiboly ity ka miaiky fa ao amin’ny anarana no misy ny fanambaran’ny misterin’ny fiainana lalina indrindra sy ny hevitry ny fisiana.

Rehefa miantso olona iray amin’ny anarany Andriamanitra, dia manambara aminy ihany koa ny antso miantefa aminy, ny vina-pahamasinany sy ny hahasoa azy, ka amin’ny alàlan’io no hahatonga ilay olona ho fanomezana ho an’ny hafa sy mahatonga azy ho tokana aman-tany. Toy izany ihany koa, rehefa te hanitatra ny tontolon’ny fiainana ny Tompo dia nifidy ny hanome anarana vaovao ho an’ilay voaantso Izy, toy izay nataony tamin’i Simôna, ka niantsoany azy hoe «Piera». Teo no nanomboka ny fomba fifidianana anaram-baovao rehefa miditra ao amin’ny fikambanan-drelijiozy iray, mba hanondroana ny maha-izy azy vaovao sy iraka vaovao. Amin’ny maha-manokana sy tokana azy, ny antson’Andriamanitra dia mitaky amintsika ny herim-po mba hihataka amin’ny tsindry ateraky ny toerana iombonana mitondra mankamin’ny faka-tahaka, amin’izay ny fiainantsika ho tena fanomezana manokana sy tokana aman-tany ho an’Andriamanitra, ho an’ny Eglizy ary ho an’ny hafa.

Ry tanora malala, ny hoe antsoina amin’ny anarantsika izany dia tsy inona fa marika hamantarana ny halehibeazan’ny fahamendrehantsika eo imason’Andriamanitra, noho ny fitiavany manokana antsika zanany. Ary Andriamanitra dia miantso anareo tsirairay avy amin’ny anarany. Ianareo dia «Ianao» ho an’Andriamanitra, sarobidy eo imasony, mendrika ny ho asandratra ary tiavina (jer. Iz 43,4). Raiso an-kafaliana àry ny resadresaka tian’Andriamanitra hatao aminao, ny antso izay mivantana aminao amin’ny fiantsoany ny anaranao.

3. Nahita sitraka teo imason’Andriamanitra ianao

Ny antony lehibe voalohany tsy nampitahotra an’ i Maria dia noho izy nahita sitraka teo imason’Andriamanitra. Milaza fitiavana maimaim-poana, tsy an-tery ny teny hoe «sitraka». Ho antsika, ohatry ny mampahery ny mahalala fa tsy tokony ho mendrika velively ny fanakaikezan’Andriamanitra sy ny fanampiany isika eo am-panehoana mialoha ny «fanambaram-piamboniana» feno fahamendrehana sy fahombiazana! Ny Anjely dia efa nilaza tamin’i Maria fa efa nahita sitraka teo imason’Andriamanitra izy, fa tsy hoe ho azony izany aoriana. Ary ny firafitry ny fanambaran’ny Anjely rahateo dia mampahatsiahy antsika fa ny fahasoavan’Andriamanitra dia mitohy, fa tsy zavatra sendra mandalo na an-tselika fotsiny, noho izany dia tsy afaka ny tsy hisy na oviana na oviana. Eny fa na amin’ny ho avy aza, dia hisy mandrakariva ny fahasoavan’Andriamanitra hanohana antsika, indrindra amin’ny andron’ny fitsapana sy ny haizina. Ny fisian’ny fahasoavan’Andriamanitra mitohy no mankahery antsika handray am-pitokiana ny antso miantefa amintsika, mitaky amintsika tsy fivadihana izay mila havaozina isan’andro. Vokany, ny làlan’ny antson’Andriamanitra, noho izany, tsy misaraka amin’ny Hazofijaliana: tsy ny fisalasalana eo am-piandohana ihany fa ireo fakam-panahy mifanehitra eny an-dàlana eny. Ny fiheveran-tena ho tsy mendrika dia nanjohy ny mpianatr’i Kristy hatramin’ny farany, nefa fantany fa nalofan’ny fahasoavan’Andriamanitra hatrany izy.

Ireo tenin’ny Anjely dia midina tamin’ny tahotry ny olombelona ary nolevoniny izany tamin’ny herin’ny vaovao mahafaly izay nentiny: tsy kisendrasendra na tolona tsotra ho amin’ny fahavelomana fotsiny ny fiainantsika, fa ny tsirairay amintsika dia tantara iray mamin’Andriamanitra. Ny hoe «nahita sitraka eo imason’Andriamanitra» dia midika fa ilay Mpahary dia nahita hatsarana tokana aman-tany tao amin’ny maha- isika antsika ary manana vinampiainana tonga lafatra ho an’ny fisiantsika eto an-tany. Mazava loatra fa mety tsy hamaha ny olana rehetra izay mianjady izany fahatsapàna izany ary tsy manaisotra tanteraka ireo ahiahy mpitranga amin’ny fiainana, nefa manana hery hanova azy hatrany ifotony.

Ny ho avy tsy fantatra izay fonosin’ny ampitso ho antsika dia tsy hoe loza mitatao manjavozavo tsy maintsy atrehina mba ho velona, fa fotoana tena mety nomena antsika mba hiainana ny maha-tokana ny antson’Andriamanitra manokana sy hifampizara izany amin’ny rahalahy sy anabavintsika ao amin’ny Eglizy sy amin’izao tontolo izao.

4. Herimpo anatin’ny ankehitriny

Avy amin’ny fahazoana antoka fa momba antsika ny fahasoavan’Andriamanitra no hery izay anananana zotom-po ankehitriny: zotom-po hanaovana izay angatahin’Andriamanitra éty sy amin’izao fotoana izao, amin’ny sehatra rehetra misy ny fiainanao; zotom-po itiavana ny antso izay atoron’Andriamanitra antsika, zotom-po hiaina ny finoana ankarihary ary tsy mihena.

Eny, raha misokatra marina amin’ny fahasoavan’Andriamanitra isika, dia tanteraka izay noheverina ho tsy azo tanterahina. «Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?» (Rm. 8,31). Ny fahasoavan’Andriamanitra dia mahakasika ny anio eo amin’ny fiainantsika, ary «mambabo» anareo araka ny maha-izy anareo, miaraka amin’ny ahiahy sy ny fetranareo, kanefa mamohafoha ihany koa ny lamin’Andriamanitra tonga lafatra! Ianareo tanora, ilainareo ny mahatsapa fa misy olona iray tena matoky anareo: fantaro fa ny Papa dia matoky anareo, ny Eglizy matoky anareo! Ary ianareo koa matokia ny Eglizy!

Tamin’i Maria, ilay tovovavy dia nisy asa lehibe nankinina taminy satria tanora izy. Ianareo tanora, ao aminareo ny hery, mamakivaky dingam-piainana ianareo izay iredaredan’ny hafanam-po. Ampiasao izany hery sy tanjaka izany mba hanatsarana izao tontolo izao, ka atombohy amin’izay zavamisy akaiky anareo aloha. Iriko tokoa raha misy andraikitra lehibe ankinina aminareo eo anivon’ny Fiangonana, ary mba hanana zotom-po ny olona hanome anjara toerana ho anareo; fa ianareo kosa, aoka hiomana handray izany anjara raharaha izany. Manasa anareo aho mba hibanjina hatrany ny fitiavan’i Maria: fitiavana mahatsinjo lavitra, feno fientanana, ary azo tsapain-tànana. Fitiavana feno herim-po ary mitodika manontolo amin’ny fanoloran-tena tanteraka. Ny Eglizy vonton’izany hatsaràna nananan’i Maria izany dia Eglizy mivoaka mandrakariva, mivoaka ivelan’ny tokony ho fetrany sy ny faritra misy azy mba hanao izay hampitobaka ny fahasoavana voarainy. Raha manaiky hifindran’ny ohatra nomen’i Maria isika, dia hivelona amin’izany fitiavana azo tsapai-tànana izany izay hanosika antsika ho tia an’Andriamanitra mihoatra ny zavatra rehetra sy mihoatra noho ny tenantsika, ary hitia ireo olona izay ifampizarantsika ny fiainana isan’andro. Hitia ihany koa ireo olona izay toa tsy dia maha-te ho tia loatra. Fitiavana mahatonga hanompo sy hahafoy tena izany, indrindra mankamin’ireo osa sy mahantra kokoa, fitiavana hanova endrika antsika ary hameno hafaliana antsika.

Tiako ary ny hamarana izao hafatra izao amin’ilay teny mamin’i Md Bernard , izay hita ao anatin’ny iray amin’ireo toriteniny malaza momba ny misterin’ny Fanambarana ny hahatorontoronina ny mpamonjy, teny maneho ny fiandrasan’ny taranak’olombelona rehetra amin’ny alàlan’ny valintenin’i Maria: «Henonao, Ô ry Virijiny, fa hananjanaka ianao, tsy avy amin’ny olona – henonao – fa avy amin’ny Fanahy Masina. Ny Anjely niandry ny valinteninao. Izahay koa, dia miandry, Ô Ravehivavy. Ory mafy voafatotry ny fitsaràna manameloka anay, miandry teny feno fangorahana izahay. Valinteny fohy monja avy aminao dia ampy hahariana anay indray, mba hamerenana anay indray amin’ny fiainana. Izany valinteny izany, no andrasan’izao tontolo izao fatratra, miankohoka eto aminao. Aza ela intsony ry Maria Virijiny. Faingana, mamalia!».

Ry tanora malala, ny Tompo, ny Eglizy, izao tontolo izao, miandry ihany koa ny valinteninareo amin’ny antso tokana miantefa amin’ny tsirairay aminareo amin’ity fiainana ity ! Koa satria efa manakaiky ny JMJ any Panama, dia manasa anareo aho hanomana tsara izany fotoan-dehibe izany anatin’ny hafaliana sy ny hafanam-pon’izay te handray anjara amin’ny andram-piainana goavana. Ny JMJ dia natao ho an’ny olona be herim-po! Fa tsy natao ho an’ny tanora izay tsy mikatsaka afa tsy ny higalabona ka mihemotra rehefa tojo ny sarotra. Hanaiky ny fanamby ve ianareo?

Natao teto Vatikana, ny 11 febroary 2018, alahady tsotra mandavan-taona faha-VI, ahatsiarovana an’i Masina Maria niseho tany Lourdes.

François