«

»

Mar 25

Hafatry ny Papa ho an’ny karemy 2019

Efa tsindrian-daona ery ny zava-boahary miandry ny hanehoana ireo zanak’Andriamanitra” (Rm 8, 19)

Ry rahalahy sy anabavy ao amin’ny Tompo,
Isan-taona, miaraka amin’ny Fiangonana Renintsika, Andriamanitra Ray dia “manomana ny kristianina hankalaza ny Paka amin’ny fo falifaly sy fanahy voadio” (Prefasy Karemy I), ka ho afaka hanovo ny hafenoan’ny fiainam-baovao ao amin’i Kristy amin’ny alalan’ny misterin’ny fanavotana. Araka izany, ny fankalazana ny Paka isan-taona no iandrandrantsika ny hafenoan’ny famonjena izay efa noraisintsika tamin’ny alalan’ny misterin’ny Paka tanteraka tao amin’i Kristy: “Satria efa voavonjy isika, saingy mbola amin’ny fanantenana” (Rm 8, 24). Io misterin’ny fanavotana io, izay ao anatintsika mbola eto amin’ity tany fandalovana ity, no toy ny hery manentana ny tantara sy ny voaary manontolo. Izany indrindra no nahatonga an’i Md Paoly hiteny hoe: “Efa tsindrian-daona ery ny zava-boahary miandry ny hanehoana ireo zanak’Andriamanitra” (Rm 8, 19). Tiako àry ny hanolorana aminareo ireto lohahevitra vitsivitsy ireto ho enti-mandinika sy hanampy antsika hizotra amin’ny lalan’ny fibebahana mandritra izao Karemy ho avy izao.

1. Ny fanavotana ny voaary manontolo

Ny fankalazana ny Herinandro Masina, izany hoe ny fijaliana, ny fahafatesana ary ny fitsanganan’i Kristy ho velona, izay faratampon’ny taona litorjika, dia iantsoana antsika indray hirotsaka an-tsehatra amin’ny lalan’ny fiomanana, ka hahatsapana fa ny fitoviantsika endrika amin’i Kristy (Jereo Rm 8, 29) dia fanomezana sarobidin’ny famindram-pon’Andriamanitra.

Raha miaina toy ny zanak’Andriamanitra ny olona, miaina toy ny olom-boavonjy ka manaiky hotarihin’ny Fanahy Masina (jereo Rm 8, 14) ary mahay manaiky sy manatanteraka ny Didin’Andriamanitra, miainga amin’ny lalàna voasoratra ao am-po sy amin’ny voaary, dia manao soa amin’ny Fahariana izy, ka miara-miasa amin’Andriamanitra ho famonjena azy. Izany, hoy i Md Paoly, no mahatonga ny voaary hanana faniriana miredareda mba hisehoan’ny zanak’Andriamanitra, ka ireo nahazo fahasoavana tamin’ny misterin’ny Pakan’i Jesoa dia hiaina tanteraka ny vokatr’izany, izay mahatonga azy ireo hiezaka hahatratra ny hafenoan’ny fahamatorana ao anatin’ny fanavotana ny vatan’ny olombelona. Rehefa manova ny fiainan’ireo Olomasina –saina, fanahy, vatana- ny fitiavan’i Kristy, dia ho lasa fiderana an’Andriamanitra, ao anatin’ny vavaka, ny fibanjinana sy ny haikanto ny fiainan’izy ireo, ary ampidirin’izy ireo ao koa ny zava-boaary rehetra, tahaka ny nambaran’i Md François d’Assise an-kafaliana ao amin’ny “Antsan’ny Zava-boaary” (Jereo Ansiklika Laudato si, n. 87). Indrisy anefa fa mbola tandindomin-doza mandrakariva izao tontolo izao sy ny firindran’ny fiainana vokatry ny fanavotana, noho ny ny hery ratsy afitsoky ny fahotana sy ny fahafatesana.

2. Ny hery mpandravan’ny fahotana

Rehefa tsy miaina ny maha-zanak’Andriamanitra antsika isika, dia matetika mamboly toetra izay mandrava ny fiainan’ny namana sy ny zava-boaary, na ny fiainantsika mihitsy aza, izay iheverana an-kitsim-po na tsia fa afaka manatanteraka izany araka izay sitra-pontsika isika. Ny tsy fahalalana onony no mibaiko ka mahatonga antsika hanana fomba fiainana hihoatra ny fetra amin’ny maha-olona sy ny voaary izay natao hohajaina. Lasa mirona amin’ny faniriana diso tafahoatra toy ny fanaon’ny tsy mpino isika, araka ny ambaran’ny Bokin’ny Fahendrena, ka tsy manana an’Andriamanitra ho fototry ny asa sy tsy manana fanantenana ny amin’ny ho avy (Jereo Fah. 2, 1 – 11). Raha tsy mitodika isan’andro mankany amin’ny Paka sy ny fitsanganan-ko velona ny fijerintsika dia mazava ho azy fa hanjaka ny “tondraka anio manan-jara” sy ny “te-hanam-be hatrany”.

Efa fantatsika fa ny fototry ny ratsy rehetra dia ny fahotana izay nandrava hatrany am-boalohany ny fiombonana amin’Andriamanitra, amin’ny hafa ary amin’ny zava-boaary izay ifandraisantsika voalohany indrindra amin’ny alalan’ny vatantsika. Ny fahatapahan’ny fihavanana amin’Andriamanitra dia nanimba ihany koa ny fifandraisana mirindra eo amin’ny samy olombelona sy ny tontolo izay iantsoana azy mba hivelona, ka niova ho tany efitra ilay zaridaina (Jereo Jen. 3, 17 – 18). Io no atao hoe fahotana izay manosika ny olombelona hanao ny zava-boaary ho andriamanitra, ho toy ny lehibe tsy refesi-mandidy, ary hampiasa izany tsy ho araka ny tanjona irin’Ilay Mpahary, fa ho an’ny tombon-tsoa manokana ka hanaovana fitaovana ny zavaboaary sy ny hafa.

Rehefa ialàna ny Didin’Andriamanitra, ny didim-pitiavana, dia ny didin’ny be sandry izay mangeja ny osa no manjaka. Ny fahotana mitoetra ao am-pon’ny olombelona (Jereo Mk 7 , 20 – 23) – miseho amin’ny endriky ny fitsiriritana, ny faniriana tafahoatra te-hanam-be, ny tsy firaharahana ny fananan’ny hafa, na ny fananana manokana koa matetika – dia mitarika amin’ny fitrandrahana tsy am-piheverana ny zava-boaary sy ny olombelona ary ny tontolo iainana; io tsy fahafaham-po tafahoatra io no mahatonga ny olona hihevitra ny faniriana rehetra ho toy ny zo, ka na ho ela na ho haingana, izay rehetra manaiky ho voagejan’izany dia ho rava tanteraka ny fiainany.

3. Ny herin’ny fanasitranana sy ny fibebahana ary ny famelan-keloka

Manoloana ny toe-javatra ankehitriny, tena dodona ny zava-boaary ny amin’ny hisehoan’ny zanak’Andriamanitra, dia ireo tonga “voaary vaovao”: “Raha misy olona miombona amin’i Kristy, dia lasa voaary vaovao izy. Efa lasa ny zavatra taloha ka indro tonga vaovao ny zavatra rehetra” (2 Kor 5, 17). Vokatr’izany, noho ny fisehoan’ izy ireo, afaka “miaina” ny Paka koa ny voaary: misokatra amin’ny lanitra sy tany vaovao (Jereo Apok. 21, 1). Ny lalana mankany amin’ny Paka dia miantso antsika indrindra mba hanova indray ny endrika sy ny fontsika kristianina amin’ny alalan’ny fivalozana, ny fibebahana ary ny famelan-keloka ka ho afaka higoka ny harena rehetra vokatry ny fahasoavana avy amin’ny misterin’ny Paka.

Izany “redareda” sy fiandrasan’ny voaary izany dia hiafara amin’ny fisehoan’ireo zanak’Andriamanitra, izany hoe ny fidiran’ny kristianina sy ny olon-drehetra amin’ny fomba hentitra amin’ny “lalan-tsarotry” ny fibebahana. Antsoina hiaraka amintsika ny voaary manontolo mba hiala amin’ny “fanandevozan’ny fahalovana ka handray anjara amin’ny fahafahana be voninahitra omena ireo zanak’Andriamanitra” (Rm 8, 21). Ny Karemy no famantarana ara-tsakramentan’io fibebahana io, ka iantsoana ny kristianina rehetra hahatonga nofo bebe kokoa sy azo tsapain-tanana ny misterin’ny Paka eo amin’ny fiainany manokana, eo amin’ny fianakaviana sy amin’ny fiaraha-monina, indrindra amin’ny alalan’ny fifadian-kanina sy ny fivavahana ary ny asa fiantrana.

Mifady hanina, izany hoe mianatra manova toetra manoloana ny hafa sy ny zava-boaary: fandosirana ny fakam-panahy “te-handrapaka” izay rehetra hita mba hanomezana fahafaham-po ny tena, ny fahaizana mijaly entanin’ny fitiavana izay afaka mameno ny banga ao ampontsika.

Mivavaka mba ho afaka manohitra ny fanompoan-tsampy sy ny fizakan-tena samirery ary hahatsapa fa mila ny Tompo sy ny famindram-pony isika. Manao asa fiantrana mba ho afaka amin’ny fahadisoan-kevitra hiaina ao anatin’ny fanangonan-karena ho an’ny tena samirery sy mampanonofy ho avy azo antoka izay tsy mbola fantatra.

Ireo rehetra ireo dia hahatonga antsika hahita hafaliana araka ny fanirian’Andriamanitra momba ny zavaboaary sy ny fontsika, dia ny hitia Azy, hitia ny namana sy izao tontolo izao, ka hahazoantsika ny tena hasambarana avy amin’izany fitiavana izany.

Ry havana malala, ny “karemin’ny” Zanak’Andriamanitra dia nisongadina tamin’ny fidirana ao amin’ny tany efitry ny fahariana mba hanavao azy indray ho tonga zaridainan’ny fiombonana amin’Andriamanitra, izay efa nisy talohan’ny fahotana tamin’ny fototra (Jereo Mk 1, 12 – 13; Iz. 51,3). Enga anie ny karemy ataontsika hanampy antsika indray hizotra amin’ny lalana nodiavin’i Kristy ka hitondrantsika ny fanantenan’izy Tompo amin’ny voaary, mba ho afaka amin’ny “fanandevozan’ny fahalovana ka handray anjara amin’ny fahafahana be voninahitra omena ireo zanak’Andriamanitra” (Rm 8, 21) koa izy.

Aza avela handalo fotsiny ity fotoana sarobidy ity! Mangataha amin’Andriamanitra mba hanampiany antsika hiatrika tsara ny lalan’ny fibebahana. Ilaozy ny fitiavan-tena sy ny fijery mikombona amin’ny tena samirery, ary andrandrao ny maso ho any amin’ny Pakan’i Jesoa: hatony ireo havantsika misedra fahasahiranana hifampizarana ny harena ara-panahy sy ny harena hita maso ananantsika. Raha tanteraka izany ka raisintsika amin’ny fomba azo tsapain-tanana eo amin’ny fiainantsika i Kristy nandresy ny fahotana sy ny fahafatesana, dia ho afaka hitarika ny zava-boaary ho amin’ny herin’ny fanovana koa isika.

Natao teto Vatikana, anio 04 Oktobra 2018

Fetin’i Md François d’Assise

François, Papa.