«

Jan 09

Hafatry ny Papa Fransoa : Ny Fiadanana, lalan’ny fanantenana

HAFATRY NY PAPA FRANSOA

Ho an’ny fankalazana ny andro manerantany faha-53 ho an’ny Fiadanana

 

NY FIADANANA, LALAN’NY FANANTENANA : FIFANAKALOZAN-KEVITRA, FAMPIHAVANANA ARY FIBEBAHANA ARA-TONTOLO IAINANA.

1. Ny Fiadanana, làlan’ny fanantenana manoloana ireo vato misakana sy ireo sedra

Ny fiadanana dia soa sarobidy, fototry ny fanantenantsika, izay irin’ny olombelona rehetra. Ny manantena ny fiadanana dia toetra maha-olombelona izay mitondra fifandroritana ara-pisiana; ka amin’izany, na ny ankehitriny izay somary mandreraka aza indraindray dia ho « azo iainana sy ekena raha mitondra amin’ny tanjona iray indrindra raha azontsika antoka io tanjona io, na koa ambony dia ambony ka afaka manamarina ny antony hiatrehana ireo zava-tsarotra eny an-dàlana »(1). Araka izany, ny fanantenana dia toe-panahy tsara izay manosika antsika handeha, manome antsika ny elatra hahafahana mandroso, eny hatramin’ny fotoana ahatsapana fa toa tsy ho azo ihoharana aza ireo vato misakana eny an-dàlana.

Ny fianakaviam-ben’ny olombelona dia mbola mitondra, ao amin’ny fahatsiarovany sy eo amin’ny nofony, ireo holatry ny ady sy fifandonana nifanesisesy, miaraka amin’ny fahafaha-manapotika bebe kokoa hatrany, ka mbola tsy mitsaha-mikapoka manokana ireo tena mahantra sy ireo tena marefo. Maro ihany koa ireo firenena iray manontolo, mbola mitolona mafy mba ho afaka amin’ny fatotry ny fanararaotana sy ny kolikoly, izay mampahazo vahana hatrany ny fankalahana sy ny herisetra. Ankehitriny, mbola maro amin’ireo lehilahy sy vehivavy, ireo ankizy ary ireo zokiolona no lavina ny fahamendrehana maha-olona azy, ny hafenoany ara-batana, ny fahafahany, anisan’izany ny fahalalahana ara-pivavahana, ny fahafahany miray hina ara-piaraha-monina sy ny fahafahany manantena ny ho avy. Maro koa ireo tsy manan-tsiny niharam-boina, mbola mitondra alahelo am-po noho ny fanambaniana sy fanavakavahana, ny fisaonana sy ny tsy rariny nihatra taminy, hatramin’ny ratram-po sy ny fikorontanan-tsaina vokatry ny fifofoana tsy an-kiato ny vahoaka misy azy sy ny fianakaviany.

Ireo fitsapàna mahatsiravin’ireo ady an-trano sy ireo fifandonana iraisam-pirenena, izay mazàna arahina herisetra tsy misy indrafo, dia manamarika mandritra ny fotoana maharitra ny vatana amam-panahin’ny zanak’olombelona. Rehefa mety ho ady, raha ny marina, dia famonoana ny mpiara-belona ka mandrava mandrakariva ilay fandaharana ho amin’ny firahalahina izay efa voasoratra ao amin’ny fiantsoana ny fianakaviamben’ny olombelona.

Fantatsika fa ny ady mazàna dia manomboka amin’ny tsy fahaleferana manoloana ny fahasamihafana, ka mamelona ny faniriana te hanana sy ny sitrapo te hanjakazaka. Ny ady dia teraka ao am-pon’ny olona noho ny fitiavan-tena, noho ny avonavona, noho ny fankahalana izay manosika hanapotika ny hafa, hanidy azy ao anatina sary ratsy, hanilikilika sy hanafoana tanteraka ny fisiany. Ny ady dia velomin’ny fifandraisana mivaona, ny hambom-po te ho ambony, ny fanararaotam-pahefana, ny fahatahorana ny hafa sy ny fiheverana ny fahasamihafana ho sakana; nefa etsy an-kilany koa, ny ady dia mamelona ireo rehetra ireo.

Ohatry ny mifanipaka, araka ny efa notsipihako nandritra ny dia nataoko tany Japon farany teo, ny hoe « ny tontolontsika dia miaina ny fivakisana mivaonan’ny finiavana hiaro sy hiantoka ny fahamarinan-toerana sy ny fiadanana mifototra amin’ny fandriam-pahalemana tsy tena izy, tohanan’ny toe-tsaina mifampatahotra sy tsy mifampatoky, izay miafara amin’ny fanapoizinana ny fifandraisan’ny vahoaka samihafa sy misakana ny mety ho fifanakalozan-kevitra azo tanterahina. Ny fiadanana sy ny fahamarinan-toerana iraisam-pirenena dia tsy afa-miaraka amin’izay mety ho finiavana hanorin-javatra eo ambonin’ny tahotra ny fifanapotehana na amin’ny ahiahy fa hofongorana tanteraka; Tsy ho tanteraka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana eran-tany raha tsy miainga amina fitsipi-pitondran-tena eken’ny rehetra izay mitondra amin’ny firaisan-kina sy fiaraha-miasa hanorina ho avy, volavolavolain’ny fifampiankinana sy ny fiaraha-mandray andraikitry ny fianakaviamben’ny olombelona manontolo, anio sy ampitso.

Rehefa mety ho toejava-misy tataovana fandrahonana dia mamelona ny tsy fifampitokisana sy fikombonana amin’izay iainan’ny tena fotsiny. Ny tsy fifampitokisana sy ny tahotra dia mampitombo ny faharefoan’ny fifandraisana sy ny mety ho firongatry herisetra ka tsy hitondra na oviana amin’ny fifandraisana misy fiadanana. Araka izany ny fifandresen-dahatra ara-nokleary dia tsy hiteraka afa-tsy fandriampahalemana nofinofy.

Noho izany dia tsy afaka ny hihambo isika hoe hitazona ny fahamarinan-toerana eo amin’izao tontolo izao amin’ny alalan’ny tahotra ny hofongorina tanteraka, ao anatin’ny fifandanjana tsy mety ho marin-toerana na oviana, mihantona eo amoron’ny tevana nokleary sy voahidy ao anatin’ny rindrin’ny tsy firaharahana; andraisana ireo fanapahan-kevitra ara-toe-karena sy sosialy izay manokatra làlana amin’ireo zava-dozan’ny fanilihana ny olombelona sy ny voaary toy izay hoe mba hifampiaro isika samy isika(3). Amin’ny fomba ahoana àry no hanorenana làlan’ny Fiadanana sy fifampiaikena? Amin’ny fomba ahoana no hialàna amin’ny lôjika mampihoron-koditry ny fandrahonana sy ny tahotra? Amin’ny fomba ahoana no handravàna ny tanjaky ny fifampiahiahiana izay tena mahazo vàhana ankehitriny?

Tsy maintsy katsahintsika ny firahalahiana tena izy, izay miorina amin’ny fiaviana iombonana ao amin’Andriamanitra, zàrina iainana ao amin’ny fifanakalozan-kevitra sy ny fifampitokisana. Ny faniriana fiadanana dia efa voasoratra lalina ao am-pon’ny olombelona ary tsy tokony hanaiky na inona na inona ambanin’izany isika.

2. Ny fiadanana, lalan’ny fihainoana mifototra amin’ny fahatsiarovana, amin’ny firaisankina, amin’ny firahalahiana.

Ireo Hibakusha, akanga sisa nanamborana tamin’ny nandarohana baomba atômika an’i Hiroshima sy Nagasaki, dia isan’ireo olona mitàna ho velona, ankehitriny, ny lelan’afon’ny feon’ny fieritreretan’ny fiaraha-monina, amin’ny fijoroany ho vavolombelona eo anatrehan’ny taranaka mifandimby, ny maha-mahatsiravina ny zava-nitranga tamin’ny volana aogositra 1945 sy ny fijaliana tsy hay lazaina naterany izay mbola zakaina mandraka ankehitriny. Ny fijoroana ho vavolombelona nataon’izy ireo, arak’izany, dia mamelona sy mitahiry ny fahatsiarovana ireo niharam-boina mba hihamahery bebe kokoa hatrany ny fahatsiarovan-tenan’ny olombelona manoloana izay rehetra mety ho finiavana hanjakazaka sy hanapotika : « Tsy azontsika avela tsy hahalala na tsy hahatsiaro ny zava-nitranga ireo taranaka ankehitriny sy ho avy, fahatsiarovana izay zary antoka sy fampirisihana enti-manorina ny ho avy anjakan’ny fahamarinana sy firahalahiana bebe kokoa » (4).

Tahaka azy ireo, dia maro ihany koa ireo any amin’ny toerana rehetra manerana an’izao tontolo izao no manolotra ho an’ny taranaka ho avy fanompoana tena ilaina tokoa, amin’ny famelana ny fahatsiarovana tokony ho voatahiry, tsy hoe mba tsy hanao hadisoana mitovy amin’ny teo aloha intsony fotsiny na koa mba tsy hamerina hanolotra indray ireo kisary nanodoka tamin’ny lasa fotsiny, fa noho ny fahatsiarovana vokatry ny traikefa, dia irariana hananganana fototra sy hanolorana soritra mitondra amin’ny fisafidianana ny fiadanana, ankehitriny sy amin’ny ho avy.

Mihoatra noho izany, ny Fahatsiarovana dia mamaritra ny tontolon’ny Fanantenana : matetika, ao anatin’ny haizin’ny ady sy ny fifandonana, ny fahatsiarovana na dia fihetsika kely iray nanehoana firaisan-kina fotsiny aza dia mety hanilo anao hanao safidy feno fahasahiana omban-kerim-po, mety hampipoitra herijika vaovao sy hamelona fanantenana vaovao eo amin’ny tsirairay sy ny fiaraha-monina.

Ny manokatra sy mamaritra ny lalan’ny Fiadanana dia fanamby tena sarotra noho izy ifandrohizan’ireo tombotsoa maro sy mifanohitra eo amin’ny fifandraisan’ireo olona samihafa, ireo fiaraha-monina sy ireo firenena. Ny zavatra tsy zavatra atao voalohany indrindra dia manaitra ny feon’ny fieritreretana ara-moraly, ny sitrapon’ny tsirairay sy ny sitrapo ara-politika. Noho izany, avy ao am-po lalin’ny olombelona no anovozana ny Fiadanana ary amafisina mandrakariva ny sitrapo ara-politika, mba hanokafana lalam-baovao mety hampihavana sy hampiombona ireo olona tsirairay amin’ny fiaraha-monina.

Tsy mila kobaka am-bava izao tontolo izao fa mila vavolombelona tena resy lahatra, mila mpanorina fiadanana misokatra amin’ny fifanakalozan-kevitra tsy misy fanilikilihana sy fanaovana fitaovana ny hafa. Arak’izany, tsy ho tonga marina any amin’ny fiadanana na oviana raha tsy misy ny fifanakalozan-kevitra resy lahatra avy amin’ny lehilahy sy vehivavy izay mitady ny tena fahamarinana any ambadiky ny firehan-kevitra sy ny hevi-dravina isan-karazany. Ny Fiadanana manko dia trano « aorina tsy an-kiato » (5), lalana izay izorantsika miaraka eo am-pitadiavana ny soa iombonana ary irotsahantsika hitazona ny teny nomena sy hanaja ny lalàna. Ao anatin’ny fifampihainoana ihany koa no afaka mitombo ny fahalalana sy ny fahaizana mijery ny tsara ao amin’ny hafa, tonga hatramin’ny fiekena ny fisian’ny endri-drahalahy ao amin’ny fahavalo.

Noho izany, ny firosoana mankamin’ny Fiadanana dia firotsahana izay maharitra ela tokoa. Io dia asa amim-paharetana itadiavana ny marina sy ny rariny, izay manome voninahitra ny fahatsiarovana ireo niharam-boina sy manokatra miandalana amin’ny fanantenana iombonana, mahery lavitra noho ny valifaty. Amin’ny firenena tan-dalàna, ny demokrasia dia môdely maneho mazava io firosoana io raha toa ka mifototra amin’ny rariny sy ny firotsahana hiaro ny zon’ny tsirairay, indrindra raha marefo sy atao ankilabao izy, amin’ny fitadiavana tsy miato ny fahamarinana (6). Fanorenana ara-tsosialy izany ary koa famoronana miandàlana zavatra mbola ho avy ka samy mitondra ny anjara birikiny amim-pahatsiarovan-tena ho tompon’andraikitra ny tsirairay sy ny rehetra, eo amin’ny ambaratongam-piaraha-monina misy azy : eo an-toerana, amin’ny sehatra nasionaly ary maneran-tany.

Araka ny notsipihin’i Md Paoly faha-6, « ny faniriana roa sosona ho amin’ny fitoviana sy ho amin’ny fandraisana anjara dia natao hampiroboroboana karazam-piaraha-monina demokratika […]. Izany dia maneho an-kolaka ny maha-zava-dehibe ny fanabeazana eo amin’ny fiainam-piaraha-monina, ka ao anatin’izany, ankoatry ny fampahalalana izay tokony ho fantatra momba ireo zon’ny tsirairay, dia tokony haseho mazava ny fifandraisana tena ilaina tokoa eo amin’izy ireo : ny fanekena ny fisian’ireo adidy manoloana ny hafa; ny hevitry ny teny hoe adidy sy ny fampiharana azy dia voafetran’ny fifehezan-tena, tahak’izany koa ny fanekena ireo andraikitra sy ireo fetra apetraka amin’ny fiainana ny fahafahana, eo amin’ny tsirairay sy ny vondron’olona»(7).

Mifanohitra amin’izany kosa, ny fisaratsarahanan’ny samy mpikambana ao amin’ny fiaraha-monina, ny fitomboan’ny tsy fitoviana ara-tsosialy ary ny fandavana ny hampiasa ireo fitaovana ho amin’ny fampivelarana ny olona manontolo dia mety ho loza mitatao amin’ny fanatrarana ny soa iombonana. Ny asa atao amim-paharetana, mifototra amin’ny herin’ny teny sy ny fahamarinana kosa dia afaka mampifoha ao anatin’ny olona ny fahafahana mangoraka sy ny firaisankina enti-mamorona.

Amin’ny traikefa iainantsika kristianina, mahatsiaro an’i Kristy, izay nanolotra ny ainy mba hampihavana antsika (Rm5,6-11), mandrakariva isika. Mandray anjara feno amin’ny fitadiavana ny filaminana marina ny Eglizy, amin’ny fanohizana ny fanompoana ny soa iombonana sy famelomana ny fanantenana Fiadanana, amin’ny alalan’ny fampitàna ireo soa toavina kristianina, ny fampianarana môraly ary ny asa sôsialy sy fanabeazana.

3. Ny Fiadanana, lalan’ny fampihavanana ao amin’ny fiombonam-pirahalahiana

Ny Baiboly, indrindra amin’ny alalan’ny tenin’ireo mpaminany, dia manaitra ny feon’ny fieritreretana sy ireo vahoaka amin’ny fanekem-pihavanana eo amin’Andriamanitra sy ny olombelona. Entanina amin’izany ny fialàna amin’ny faniriana hanjakazaka amin’ny hafa sy ny fitaomana antsika mba hianatra hifampijery amin’ny maha-olona, amin’ny maha-zanak’Andriamanitra sy tahaka ny mpirahalahy. Ny hafa dia tsy tokony ho voahidy na oviana amin’izay mety ho teneniny na ataony fa tokony horaisina noho ny fampanantenana entiny ao aminy. Amin’ny fifidianana ny lalan’ny fanajana ihany no ahazoana mandrava ny fitombon’ny falifaty sy ahafahana manjohy indray ny làlan’ny Fanantenana.

Mitari-dàlana antsika amin’izany ny andàlan’ny Evanjely izay mitantara ny resaka nifanaovan’i Jesoa tamin’ i Piera  : « Ry Tompo ! raha diso impiry amiko moa ny rahalahiko no tokony hamela azy aho ? Impito va ? Namaly i Jesoa nanao hoe : « Izaho tsy miteny aminao hoe impito fa hatramin’ny impitopolo fito » (Mt 18,21-22). Ity làlan’ny fampihavanana ity dia miantso antsika hitady ao amin’ny ati-fontsika lalina ny herin’ny famindram-po sy ny fahafahana mifampiaiky fa mpirahalahy sy mpirahavavy. Ny fianarana hiaina ny famindrampo no mampitonbo ao amintsika ny fahafahana ho tonga lehilahy sy vehivavin’ny Fiadanana.

Ny marina momba ny Fiadanana eo amin’ny sehatra ny sosialy dia marina koa eo amin’ny sehatry ny politika sy ekonomika, satria ny Fiadanana dia mahahenika ny sehetra rehetra eo amin’ny fiainam-piaraha-monina : tsy hisy na oviana ny Fiadanana tena izy raha tsy afaka mampijoro rafitra ekonomika ara-drariny isika. Araka ny nosoratan’ny Papa Benoa faha-16, folo taona lasa izay, ao amin’ny Ansiklika Caritas in veritate : “Ny fandresena ny fahataràn’ny fandrosoana dia mitaky asa, tsy hoe ho amin’ny fanatsaràna ny fifanarahana mifototra amin’ny fifanakalozana fotsiny, na momba ny fampitàna ireo rafitra fanampiana ara-tsosialy mahasahana ny fiainam-bahoaka fotsiny, fa indrindra momba ny fisokafana miandalana, eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, amin’ireo endri-pihariana ara-toe-karena mba ahitana soritra amin’ny lafiny iray ahay ny fahafoizana maimaim-poana sy ny fiombonana

4. Ny Fiadanana, làlan’ny fibebahana ara-tontolo iainana

“Raha ny tsy fahazoana araka ny tokony ho izy  ireo fotokevi-dehibe ijoroantsika no mahatonga antsika indraindray hanamarina ny fanararaotana ny zava-boaary na ny fanjakazakana tsy refesi-mandidy ataon’ny olombelona amin’ny voaary, na ny ady, ny tsy rariny sy ny herisetra, dia tokony hiaiky isika mpino fa tsy nahatoky tamin’ny fitandroana ny raki-pahendrena tokony ho narovantsika”(8)

Manoloana ny vokatry ny fankahalantsika ny hafa, ny tsy fanajana ny tranobe iombonana, ny fanararaotana amin’ny fitrandrahana ireo harena voajanahary – izay heverina fa fitaovana ilaina fotsiny hisitrahana tombotsoa ankehitriny, fa tsy misy fanajana ireo fiaraha-monina eo an-toerana sy ny soa iombonana ary ny zavaboary – dia mila fibebahana ara-tontolo iainana isika.

Ny Sinôda vao haingana tany Amazonie dia manosika antsika hanao antso avo, amin’ny fomba vaovao, mba hisian’ny fifandraisana milamina eo amin’ireo mpiray monina sy ny tany, eo amin’ny ankehitriny sy ny fahatsiarovana, eo amin’ny traikefa sy ny fanantenana.

Io làlan’ny fampihavanana io koa dia fihainona sy fibanjinana izao tontolo izao izay nomen’Andriamanitra antsika mba hanaovantsika azy ho tranobe iombonantsika. Noho izany, ireo loharanon-karena voajanahary, ireo endrika maro isehoan’ny aina fa indrindra ny Tany dia nankinina amintsika mba “hokolokoloina sy harovana” (Cf Jen 2, 15), sy ho an’ireo taranaka ho avy koa, miaraka amin’ny fandraisana anjara arahin’asa sy andraikitra, ataon’ny rehetra. Ankoatr’izay, mila fiovàna isika, amin’ny faharesen-dahatra sy ny fomba fijery, izay mampisokatra antsika bebe kokoa hatrany amin’ny hafa sy amin’ny fandraisana ny fanomezan’ny zavaboaary, izay mampiseho ny hatsarana sy ny fahendren’ilay Mpanamboatra azy.

Hipoitra manokana avy amin’izany ny fahavononana lalina sy ny fomba vaovao ahafahana monina ao amin’ny tranobe iombonana, ahafahan’ny rehetra miara-miaina ao anatin’ny fahasamihafana, ahafahana mankalaza sy manaja ny aina noraisina sy nifampizaràna, ahafahana miara-mikaroka ireo fepetra sy endri-piaraha-monina manamora ny fivelaran’ny aina sy ny faharetany amin’ny ho avy, ahafahana mampiroborobo ny soa iombonan’ny fianakaviam-ben’ny olombelona manontolo.

Ny fibebahana ara-tontolo iainana izay anaovantsika antso avo eto àry dia mitondra antsika hanana fijery vaovao momba ny aina, eo am-piheverana ny fitsimbinan’ny Mpahary izay nanome antsika ny Tany sy mitaona antsika hiverina amin’ny fahatsoram-pifalian’ny fifampizaràna. Io fibebahana io, dia mahasahana ny fiainana manontolo, toy ny fiovàn’ny fifandraisantsika amin’ireo rahalahy sy anabavy, fifandraisana amin’ireo zava-manan’aina hafa, fifandraisana amin’ny zavaboary ao anatin’ny fahasamihafany maro tsy tambo isaina, fifandraisana amin’ny Mpahary izay niandohan’ny aina rehetra. Ho an’ny kristianina, ny fibebahana dia mitaky ny “famelana hiboiboika ireo vokatry ny fihaonana tamin’i Jesoa Kristy, amin’ireo fifandraisana amin’izao tontolo izao » (9).

5. Mahazo arakaraka ny anantenana fatratra (10)

Mitaky faharetana sy fahatokiana ny làlan’ny fampihavanana. Tsy afaka hahazo ny Fiadanana isika raha tsy antenaintsika izany.

Voalohany indrindra dia mila mino fa azo atao ny mampisy Fiadanana, mino fa ny hafa ihany koa dia mila ny Fiadanana tahaka antsika. Mety hanilo antsika amin’izany ny Fitiavan’Andriamanitra ho antsika tsirairay, dia ilay fitiavana manafaka, tsy misy fetra, maimaim-poana ary tsy mahalala sasatra.

Ny tahotra mazàna dia fototry ny fifanoherana. Zava-dehibe noho izany ny mihoatra ireo karazana tahotra ananantsika olombelona, amin’ny fahatsapantsika tena fa zanaka mila fanampiana, manoloana an’Ilay tia sy miandry antsika, tahaka ny Rain’ilay zaza mpandany (Lk 15,11-24). Ny kolo-tsain’ny fifanatonana eo amin’ny samy mpirahalahy sy mpirahavavy dia mandrava ny kolo-tsain’ny fifandrahonana. Mahatonga ny fifanatonana rehetra ho zavatra azo tanterahina sy ho fanomezan’ny fitiavana malala-tànan’Andriamanitra. Mitarika antsika hihoatra ny fetran’ny ny tontolo tery iainanatsika, mba hikendry mandrakariva ny hiaina ny firahalahian’ny zanak’olombelona rehetra ho toy ny zanak’ilay Ray tokana any an-danitra.

Ho an’ny mpianatry i Kristy, io làlana io koa dia tohanan’ny Sakramentan’ny Fampihavanana, nomen’ny Tompo ho famelàna ny fahotan’ireo vita batemy. Io Sakramentan’ny Eglizy io, izay manavao ny olona sy ireo ankohonam-piainana, dia miantso antsika hampifantoka ny fijery amin’i Jesoa, ilay nampihavana « ny zavatra rehetra aminy indray, rahefa nampihavaniny tamin’ny rany teo amin’ny hazo fijaliana, dia tamin’ny tenany, na ny ety an-tany na ny any an-danitra » (Kol 1, 20) ; ary nangataka amintsika mba handao izay rehetra mety ho herisetra na an’eritreritra na amin’ny teny na amin’ny atao, na amin’ny hafa izany na amin’ny zavaboary.

Atolotra antsika tsy misy fepetra ny fahasoavan’Andriamanitra. Raha vao mandray ny famindram-pony isika ao amin’i Kristy dia afaka mizotra amin’ny làlana mba hanolotra izany amin’ireo lehilahy sy vehivavy miara-miaina amintsika ankehitriny. Isan’andro isan’andro ny Fanahy Masina no manoro antsika ny fihetsika sy ny teny tokony hatao hahatonga antsika ho mpanorina ny Fahamarinana sy Fiadanana.

Ilay Andriamanitry ny fiadanana anie hitsodrano sy hanampy antsika.

I Masina Maria, Renin’ilay Mpanjakan’ny fiadanana sy Renin’ny vahoaka rehetra eto ambonin’ny tany anie hitantana antsika sy hanohana antsika isaky ny dingana ataontsika, eny amin’ny làlan’ny fampihavanana, .

Ary ny olona rehetra anie, amin’ny fahatongavany eto amin’izao tontolo izao, mba ho afaka hahalala fisiana feno fiadanana sy ho afaka hampivoatra manontolo ny fampanantenan’ny fitiavana sy ny fiainana, izay entiny ao anatiny.

Avy eto Vatikana, ny 8 desambra 2019.

Fransoa.

 

(1)             Benoa faha-XVI, Taratasy Ans. Spe salvi (30 novambra 2007), n.1

(2)             Kabary momba ireo fitaovam-piadiana nokleary, Nagasaki, 24 novambra 2019

(3)             Cf Toriteny tao Lampedusa, 8 jolay 2013

(4)             Kabary momba ny Fiadanana, Hiroshima, 24 novambra 2019

(5)             Konsily ekiom.. VAT II, Gaudium et spes, n.78

(6)             Kabarin’ny Papa Benoa faha XVI tamin’ireo mpitarika ireo fikambanan’ny mpiasa kristianina italianina, 27 janoary 2006

(7)             Taratasy. ap. Octogesima adveniens, 14 mai 1974, n.24

(8)             Taratasy. Ans. Laudato si, 24 mey 2015, n.200

(9)             Ibid., n.217

(10)         Cf. Jean de la Croix, Alina mikitroka, II, 21,8