«

»

Apr 22

Hafatry ny Papa Fransoa : andro iraisam-pirenena faha-54 ivavahana ho an’ny fiantsoan’Andriamanitra

Entanin’ny Fanahy ho amin’ny Fanirahana

Ry rahalahy sy anabavy Malala,

Taona maro lasa izay no nandinihantsika ireto lafiny roa mahakasika ny antso maha-kristianina ireto dia: ny fanentanana antsika  “hivoaka ny tenantsika ” mba hahafahana mihaino ny feon’Andriamanitra sy ny handinihana ny maha zava-dehibe ny ankohonam-piainana kristianina, amin’ny maha toerana sarobidy ahaterahan’ny antson’Andriamanitra, ikolokoloana azy sy ivelarany.

Amin’izao faha-54 taonan’ny andro iraisam-pirenena ivavahana ho an’ny fiantsoan’Andriamanitra izao ary dia tiako ny handinika ny lafiny maha-misionera ny antso kristianina. Izay manaiky hihaino ny feon’Andriamanitra sy  manara-dia  an’i Jesoa dia mahita miharihary ao aminy  ilay fanirina tsy hay tohaina hitondra ny Vaovao Mahafaly amin’ny rahalahiny, amin’ny alalan’ny fitoriana ny Evanjely sy ny asa fitiava-namana. Ny kristianina rehetra dia   misioneran’ny Evanjely! Noho izany, ny mpianatr’i Jesoa dia tsy  natao handray ny fanomezam-pitiavan’Andriamanitra  ho fanalana alahelo ny tenany manokana; satria tsy nantsoina  ho an’ny tenany samy irery na hiaro ny tombontsoan’ny orinasa, fa olona miaiky  sy miova noho ny fahatsapany ny Fitiavanan’Andriamanitra azy. Tsy azo koboniny ho azy samirery izany. “Ny hafaliana entin’ny Evanjely, izay manenika ny fiainan’ny ankohonam-piainan’ny mpianatr’i Jesoa dia hafaliana misionera” (Evangelii gaudium n.21)

         Noho izany, ny asa maha-misionera dia tsy zavatra ampiana amin’ny fiainana maha-kristianina toy ny firavaka, fa ivon’ny finoana mihitsy. Ny fifandraisana amin’Andriamanitra dia midika fa irahina  ho eo amin’izao tontolo izao isika: ho mpaminany mitondra ny Teniny sy vavolombelon’ny Fitiavany.

Na dia maro aza ireo fahalemena mpaazo antsika, izay mety mahatonga antsika ho kivy  indraindray, dia tokony hitraka hitodi-doha makany  amin’Andriamanitra, mba  tsy ho ketraky ny fiheveran-tena ho tsy mahomby na ho  resin’ny lafiratsin’ny fiainana. Izany no mahatonga antsika ho mpitazam-potsiny ilay fiaina efa mikorosy fahana  sy mandeha ho azy. Esory ny tahotra fa  Andriamanitra mihitsy no tonga handio “ny molotsika maloto” mba hahatonga antsika mavitrika amin’ny asa maha-misionera : “Afaka ny fahadisoanao, voavela ny helokao. Ary nandre ny feon’ny Tompo aho nanao hoe: “Iza no ho irahiko? Iza no hitondra ny hafatra ho antsika?” Ka novaliako hoe : “Inty aho ! iraho aho!” (Iz 6, 6-8).

         Samy mandre io feon’Andriamanitra io tao am-pony avokoa ny misionera tsirairay izay manasa azy “handalo” eo anivon’ny vahoaka tahaka an’i Jesoa “nanasitrana sy nanao soa” azy rehetra (Jer. Asa 10,38). Efa nisy tokoa fotoana nampahatsiahivako fa noho ny batemy dia “Christophe”, izany hoe “mpitondra an’i Kristy” amin’ny rahalahiny ny kristianina tsirairay (Jer. Katesizy, 30 janoary 2016). Misy dikany manokana izany ho an’ireo voantso ho amin’ny fiainana voatokana sy ireo Pretra namaly an-tsitrapo hoe: “Inty aho Tompo, iraho aho”. Amin’ny hafanam-po misionera mihavao dia antsoina izy ireo handeha any ivelan’ny tamboho masin’ny Tempoly mba hampivelatra ny Fitiavan’Andriamanitra amin’ny olon-drehetra (Jer. Toriteny tamin’ny lamesa fanamasinana ny menaka masina, 24 mars 2016). Pretra toy izao no ilain’ny Eglizy  “mahatoky sy matotra mitady ilay  tena rakitra sarobidy, ary  liana fatratra ny hampafantatra izany amin-kafaliana amin’ny olona rehetra (Mt13, 44)

         Ekena fa maro ireo fanontaniana mipoitra rahefa miresaka ny iraka ho an’ny kristanina isika : inona no dikan’ny hoe misioneran’ny Evanjely?Iza no manome antsika ny hery sy ny hafanam-po ho enti-mitory?Inona ilay lafin-kevitra Evanjely ambaran’ny asa fanirahana? Ho valin’ireo fanontaniana ireo dia ireto tantara telo voalaza ao  amn’ny Evanjely ireto no hobanjinintsika : ny fiantombohan’ny asa fitoriana nataon’i Jesoa tao amin’ny Sinagoga tao Nazareta (Jer. Lk 4,16 – 30); ny lalana nodiavin’Jesoa tafatsangan-ko velona, niaraka tamin’ireo mpianatra tany Emaosy  (Lk 24, 13-30) ; ary farany, ilay fanoharana momba ny voa nafafy (Mk 4, 26-27).

Jesoa dia voahosotry ny Fanahy Masina ary voairaka.

Ny hoe misionera mpianatr’i Jesoa dia midika fa mandray anjara mavitrika amin’ny iraka naton’i Kristy, Izy Jesoa  tenany mihitsy no nanoritsoritra izany tao amin’ny sinagoga tao Nazareta: “Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo izy sy naniraka ahy hitory Vavao Mahafaly amin’ny mahantra, hilaza fahafahana amin’ny voafatotra, sy fahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahoriana, ary hitory ny taom-pahasoavan’ny Tompo” (Lk 4,18-19). Asantsika ihany koa izany dia isika izay : voahosotry ny Fanahy ary irahina ho any amin’ireo rahalahintsika, mitory ny Teny, ka matonga antsika ho fitaovam-pamonjena ho azy ireo.

Jesoa miara-dalana amintsika:

Manoloana ireo fanontaniana mipoitra avy ao am-pon’ny olona sy ireo fanamby mitranga amin’ny zava-misy dia toa tratry ny fiahakahan-kevitra isika ary mahatsiaro tsy ampy hery sy fanantenana. Ny olana dia toa  nofinofy tsy azo tanterahina ny asa fanirahana kristianina. Raha ny tena marina, dia zavatra mihoatra ny herintsika izany. Raha mibanjina an’i Jesoa nitsangan-ko velona, Ilay niara-dalana tamin’ireo mpianatra tany Emaosy anefa isika (jer. Lk 24, 13-15), dia ho velona indray ny fahatokisantsika; ao amin’io ampahan’Evanjely io no ahitantsika  ny “litorjian’ny lalana” tena izy, mialoha ny Tenin’Andriamannitra sy ny fizarana ny Mofo, ary mampahafantatra antsika fa isaky ny mamindra isika dia eo anilantsika i Jesoa. Dia niverina nody tany an-tranony nihazo ny lalan’ny tsy fahombiazana ireo mpianatra roalahy naratran’ny fanafintohinan’ny Hazo Fijaliana, fanantenana poak’aty sy nofinofy tsy tanteraka no nanenika ny fon’izy ireo. Tao amin’izy ireo, ny alahelo no naka ny toeran’ny hafalian’ny Evanjely. Inona no nataon’i Jesoa? Tsy nitsara azy ireo izy, efa nodiaviny ny lalan’izy ireo, ary toy izay nanangana ny rindrina, dia nanokatra lalana vaovao Izy. Novany tsikelikely ny hakivian’izy ireo, nohafanainy ny fony ary nosokafany ny masony, tamin’ny fitoriana ny Teny sy ny famakiana ny Mofo. Toy izany koa, tsy mizaka irery ny asa fanirahana akory ny kristianina, fa ao anatin’ny havizanana sy ny tsy fahazoana azy, dia notanterahany izany “Miara-dalana aminy Jesoa, miresaka  aminy, miaina miaraka aminy. Tsapany fa miara-belona aminy eo anivon’ny asa  misionera tontosainy i Jesoa” (Evagelii gaudium n.266)

Jesoa mampitsiry ny voa :

Farany, tsy maintsy ianarana avy ao amin’ny Evanjely ny fomba fitoriana. Matetika manko na dia ao aza ireo fikasana tsara dia mety  hahazo vahana ny fironana amin’ny fitiavam-pahefana, ny hanam-po na ny fientanam-po diso tafahoatra mampihidy vazana amin’ny hafa.

Manainga antsika kosa anefa ny Evanjely hanary ny fanompoana ny fahombiazana sy ny hery, ny fanompoana loatra ny rafitra, ary ny ahiahim-po mikaroka ny toe-tsaina mandresy, fa tsy ny toe-tsaina manompo. Ilay voa nafafin’ny fanjakan’ny lanitra, na dia kely, tsy hita maso, indraindray aza toa tsinontsinona, dia mitombo mangina noho ny asan’Andriamanitra tsy tapaka: “Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy anankiray namafy voa tamin’ny tany, ka izy matory sy mahatsiaro isan’alina sy isan’andro, ary ny voa mitsimoka sy mitombo, nefa tsy fantany izay faniriny” (Mk 4, 26-27). Izay ny fahatokisantsika voalohany. Mihoatra noho izay andrasantsika Andriamanitra ary ataony mitolagaga isika amin’ny fahalalahan-tanany, amin’ny fampaniriana ny vokatry ny asantsika mihoatra lavitra ireo  kajikajin’ny ny fahombiazan’ olombelona.

Amin’io fahatokisana araka ny Evanjely io, dia misokatra mangina amin’ny Fanahy Masina, izay fototry ny asa fanirahana isika. Tsy misy na oviana na oviana pastoralin’ny ny fiantsoan’Andriamanitra na asa misionera kristianina ka tsy misy vavaka totoafo sy fibanjinana. Araka izany , tsy maintsy velomina amin’ny fihainoana ny Tenin’Andriamanitra ny fiainana kristianina, fa tsy maintsy indrindra  ny fikojakojana indrindra ihany ko ny fifandraisana manokana amin’ny andriamanitra amin’ny alalan’ny fitsaohana ny sakramenta Masina, “toerana” manokana ihaonana amin’Andriamanitra.

Io fifandraisana am-po ifamatorana amin’Andriamanitra io no  tiako ho antitranterina fatratra mba hitalahoana Aminy hiantsoany indray olona ho pretra sy ho olom-boatokana. Mila mpiandry ondry,  mahafoy ny ainy amin’ny fitoriany ny Evanjely, hitantana azy ny vahoakan’Andriamanitra.

Izany indrindra no angatahako amin’ny ankohonam-piainan’ny paroasy, amin’ireo fikambanana masina sy ireo vondrom-bavaka marobe misy ao amin’ny Eglizy : mba tsy hisian’ny fahakiviana, tohizo ny vavaka amin’ny Tompo mba handefasany mpiasa amin’ny sahany, ary mba hanome antsika pretra babon’ny Evanjely, afaka manakaiky ny rahalahiny, ary famantarana velon’ny fitiavan’Andriamanitra mpamindra fo.

Ry rahalahy sy anabavy malala, ankehitriny  dia mbola afaka mahita ilay hafanam-po hitory  isika ka hamporisika, indrindra ny tanora, hanara-dia an’i Kristy. Manoloana ny  fiheverana ny finoana ho marefo sy zary “adidy tsy maintsy atao” fotsiny, ireo tanorantsika dia manana faniriana hahita ny endrik’i Kristy ankehitriny , ka manaiky hametra-panontaniana ary atosiky ny teniny sy ny fihetsiny  hiandrandra, amin’ny alalany, fiainana maha-olona, ka ho faly manolo-tena ho amin’ny fitiavana.

I Maria Masina, Renin’ny Mpamonjy, nanokana ny fahatanorany sy ny hafanam- po dia nandray tamin-kerim-po ny fanirian’Andriamanitra. Koa enga anie noho ny vavaka  ataony mba hanantsika antsika ny fivelaram-po toa azy, ary mba ahafahantsika mamaly am-pinoana ilay antson’Andriamanitra manao hoe  “Inty aho” Lk.1,39  Toa an’i Masina Maria isika no andeha am-pitiavana hanambara amin’zao tontolo izao ny Fanirian’Andriamanitra

Teto Vatikana anio 27 novambra 2016

Alahady voalohan’ny Fiaviana