«

»

May 11

Hafatry ny Fivondronamben’ny eveka : Ny Famindram-po no sitrako, fa tsy ny sorona !

Ny Famindram-po no sitrako, fa tsy ny sorona !

Efa hisasaka ny tonontaona niainantsika ny Jobilin’ny Famindram-pon’ny Ray, nosokafana tamin’ny 8 desambra 2016 teo. Dimy volana no lasa, ary afaka fito volana eo dia hofaranana amin’ny fomba manokana, arak’izay efa nambara, amin’ny alahadin’i Kristy Mpanjaka, ny 20 novambra 2016.

Ny tontolom-piainantsika anefa milentika ao anatin’ny herisetran’ny fiarahamonina. Toy ny valala voatango ny vahoaka, tsy tanana hirangotra tsy tongotra hitsipaka. Zary fiainana andavanandro ny fanaovana an-keriny, ny halatra sy vono olona. Ny harem-pirenena mihitsy no fongotra, raha tsy hiteny afa-tsy ny fanondranana tsy ara-dalàna ny hazo sarobidy andramena na bolabola…

Tsy ny harena voajanahary fotsiny fa ny zo aman-kasina mihitsy no hosena ary amidy vola, fa ny tany nolovaina tamin’ny razana. Lainga sy halatra no migorobaka hatrany an-tampon’ny fitondrana any. Amidy vola hatramin’ny fiandrianam-pirenena, ka tsy arindra araka ny filan’ny firenena intsony hatramin’ny taranjam-panabeazana, fa izay hahitam-bola ihany, dia atao telim-botolo ny kolotsain’ny mpanam-bola.

Vokatr’izany, ny kolontsain’ny fiainana anaty fako (culture des déchets) sy lainga ary valifaty sy fahefan’ny be sandry. Tsy mihaino fitarainana intsony ny fitsarana ka mamboly toe-tsaina hirona any amin’ny fitsaram-bahoaka sy tontolon’ny Fanjakan’i Baroa. Na ny finoana aza, zary atao ho fiamboniana sy fametsifetsena na fandrendrehana ny marivo salosana fotsiny. Raha akapoka ho iray, dia lainga no amahanana ny vahoaka, noho ny fanompoana tafahoatra ny vola hatrany an-tampony.

Ho Apostolin’ny Famindram-po

Ao amin’ny rijanteniny momba ny endriky ny famindram-po, dia izao no lazain’ny Papa : « Iriko mafy ny handinihan’ny kristianina rehetra mandritra izao taon-jobily izao, ny asan’ny famindram-po ara-batana sy ara-panahy. Fomba iray hamohafohazana ny konsiansintsika izay tena matoritory manoloana ny fahantrana efa mihatra aman’aina manodidina antsika, sady mba hahafahantsika miditra ao amin’ny tena vontoatin’ny Vaovao Mahafaly. Ao no hahitantsika fa ny mahantra mihitsy no tena iantefan’ny Famindram6pon’ Andriamanitra manokana. Tsy misy afa-tsy ny tena fiainana ny Famindram-po. Aiza ho aiza marina anefa no misy antsika : efa tena miaina ireo asan’ny famindram-po ireo toy ny apostoly ve isika sa aiza ho aiza, eo amin’ny fiainana an-davanandro, toy ny:

•          Manome hanina ny noana – Manolotra rano izay mangetaheta – Manafy lamba izay miboridana – Mampiantrano vahiny – Mamonjy ny marary- Mamangy ny voafonja -Mandevina ny maty

Fa indrindra koa:

•          Manoro hevitra ireo misalasala ka sahirana – Mampianatra ny tsy mahay – Manohintohina ny mpanota – Mampionona ny malahelo – Mamela ny hadisoana – Mandefitra manoloana ireo olona manorisory, ary – Mivavaka ho an’ny velona sy ny maty.»

Arakaraky ny androsoantsika lalindalina kokoa amin’ny maha apostolin’ny famindram-pon’Andriamanitra antsika tokoa no ahatsapana lafim-piainana maro tsy maintsy hibebahana, ary hatrany amin’ny lohany no tsy maintsy hiova ho fanahy vaovao. Ho tohin’izany indrindra ihany koa no namoahan’ny Papa Fransoa ny taratasy fanentanana lehibe, vokatry ny Sinaodin’ny Fianakaviana? natao tamin’ny volana oktobra iny, ka nomeny ny lohateny hoe : « Amoris Laetitia » (Ny Hafalian’ny Fitiavana).

Mampivoitra be dia be ny tsy maintsy hanandratana ny fiainam-pianakaviana, manomboka amin’ny fifankatiavan’ny mpivady, sy ny fifanoavan’ny ankohonana ny hafalian’ny fitiavana. Ezaka isan’andro ombam-pahasoavana; andraisana anjara amin’ny hazofijaliana aza, satria fiainam-pitiavana. Mampahatsiahy ny fiainan-dry Jacques Berthieu sy Botovasoa samy maritirin’ny finoana sy fitiavana. Mila mpampihavana sy olomarina maro ny firenentsika. Tsy ny fanaovana sorona ny vahoaka amam-pirenena, potipotehina ho vola hampiadana olom-bitsy no tanjona, fa ny fampijoroana ny marina no hampiadana. Mirongatra izay tsy izy koa any ny halatra lakolosy, hatao vola sa hanakanana ny olona tsy handre ny antso hivavaka intsony; fa dia ahoana loatra; iza no ao am-badika?

Ny hery lehibe mitondra antsika any amin’ny tena fahamarinana sy fiadanana dia ilay Fitia. Tantanana sy ampianarina izany aina izany ka eo no mifamonjy ny atrikasa pastoraly samihafa. Mitana toerana lehibe ny fitaizana sy fanabeazana ny zaza ka omban’ny fanentanan’ny Papa torolalana maro. Misy ny fahombiazana, fa eo koa ny lafiny marefo tsy maintsy atrehina am-pinoana sy herim-po, ary izany rehetra izany dia ny fiainam-panahy no toy ny hazondamosina ijoroany.

Ny zava-tsarotra samihafa, ao amin’ny tontolom-piainan’ny mpianakavy, tsy atao hampitolefika fa vao mainka aza mampioitra, ary mitaky fifanomezan-tanana sy fanamby maro; indrindra eo amin’ny fahasarotan’ny fanabeazana amin’izao fanatontoloana izao. Ampianarin’ny Papa Raiamandrenintsika fa fiantsoan’Andriamanitra ny fianakaviana, ka itodihana sy ibanjinana be dia be amin’i Jesoa Kristy Tompontsika.

Fahasoavan-dehibe ary

Fa mampibanjina be dia be ny tontolom-piainantsika andavanandro ny fanentanan’ny Ray amandRenintsika, tsy ho kivin’ny sarotra fa hijoro am-pinoana. Tsy hanao tanisa tohivakana ny tsy mety efa tanisain’ny haino aman-jery ampy tsara isika, fa manentana ny finoana sy fanantenana ao am-pontsika kosa. Izao no tononandro tsy maintsy ijoroana amin’ny tena fitsanganan-ko velona. Tsy lavitra fa akaikintsika indrindra koa ny Mpanompon’Andriamanitra Lucien Botovasoa, maritirin’ny finoana sy ny fitiavana ny vady aman-janaka, ary misongadina tsikelikely ny fahasoavana entin’ny fibanjinana ny tantaram-piainany. Manentana manokana antsika tanora tsy ho sodokan’ny vola sahady ka hivarotra ny soa toavina sy ny fiainam-pinoana.

Miantso Famindra-po ny Papa; na dia ao anatin’ny kolompiainan’ny ady sy valifaty amin’ny endrika maro aza ny tontolo misy antsika eto Madagasikara sy amin’ny faritra maro eran-tany ankehitriny. lo ihany no lalana hahitana ny fiadanana. Manomboka amin’ny fiainam-pianakaviana izany. Eto no tianay hanokafana ny diantsika, miombona tsy mihalangalana amin’ny fianakaviana masina, ka eto am-pamaranana dia hiarahantsika manao ny vavaka aroson’ny Papa hataon’ny mpianakavy :

 

Jesoa, Maria Josefa.

Ao aminareo no ibanjinanay ny hakanton’ny tena fitiavana,

Mitodika aminareo amin’ny fo matoky tanteraka izahay.

Ry Fianakaviana Masina tao Nazareta,

Ny fianakavianay koa anie mba ho akany fiombonana

Sy ho toeram-pivavahana toy ny tao amin’ny senakla,

Ho tena sekoly ianarana ny Vaovao Mahafaly

Sy fiangonana kelin’ny mpianakavy.

Ry Fianakaviana Masina tao Nazareta,

Mba tsy hisy intsony amin’ny fianakaviana anie

Ny hetsika mampiasa herisetra,

Sy fiainana manirery ary ny fisaratsarahana ;

Izay voadona, maratra na tafintohina,

Dia mba alao alahelo sy tolory fahasitranana.

Ry Fianakaviana Masina tao Nazareta,

Ampio hahatsiaro tena izahay rehetra

Fa masina tsy azo hitsakitsahina ny fianakaviana,

Ary kanto aok’izany ny kendren’ny Tompo Andriamanitra hizorany.

Jesoa, Maria, Josefa,

Henoy ary ekeo vavaka izahay

Amen !

Dia mitso-drano antsika mianakavy handroso an-kasahiana amin’ny tena fiainana ny Famindram-pon’ny Ray isika, ka handray bebe kokoa ny fanomezan’ny Fanahy Masina tsy ho ela.

Anio 29 Avrily 2016,

Fetin’i Mb. Catherine tany Sienne.

– See more at: http://www.lakroa.mg/item-782_articles_societe_18-ny-famindram-po-no-sitrako-fatsy-ny-sorona.html#sthash.ywUVirDG.dpuf