Hafatry ny Fivondronamben’ny Eveka, mey 2015
Nivoaka ny 13 mey teo ny hafatry ny Fivondronamben’ny Eveka ho an’ny kristianina sy ireo tsara sitra-po rehetra.
Mizara telo ny hafatr’ireo eveka :
- Milaza miara-mahita : ampatsiahivana ireo toe-javatra iainan’ny firenena ankehitriny.
- Ny ahiahy tsy ihavanana : fanazavana ireo taratasy nataon’ny FIvondronamben’ny Eveka ary fanamafisana fa adidin’ny Fiangonana ny mampihavana.
- Ndeha ary isika hiara-mientana : maniraka antsika ireo eveka rayamandreny hampiorina mafy ny finoana ary hiaina azy eo anivon’ny fiaraha-monina misy antsika. Iraka folo no asain’izy ireo tanterahintsika.
Hamaky ny Hafatry ny Fivondronamben’ny Eveka.