«

»

Nov 28

Hafatry ny Fivondronamben’ny eveka : “Ny marina no haha olona afaka anareo” ( Jn 8, 32)

Hafatra ho antsika kristianina katolika sy ireo tsara sitrapo rehetra

« Homba antsika mianakavy anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’i Jesoa Kristy Tompontsika!».

Hafaliana ho anay Eveka ny manambara amin’ny fomba ofisialy eto fa amin’ny Alahady 15 Avril 2018 no hanambarana an’i Ramose Lucien Botovasoa ho Olontsambatra any Vohipeno, Diosezin’i Farafangana. Manasa antsika Malagasy tsy vakivolo hiara-hisaotra an’Andriamanitra noho izany fahasoavana lehibe atolony antsika izany.

Amin’izao ankatoky ny fankalazana ny haha-olontsambatra azy izao àry dia aoka samy hibanjina ireo aim-pahasoavana tsy manam-paharoa, tafitan’ity zoky olon-tsambatra ity satria ny kabary manidina fa ny soratra mipetraka ary ny teny manaitra fa ny atao mahasarika. Tamin’ny taona 1908 izy no teraka, ary maty martiry tamin’ny 17 avrily 1947, teo amin’ny faha-39 taonany, mbola tanora tokoa. Nisy ireo misionera maro nampita ny finoana fa hafa kely ny tantaran’i Lucien Botovasoa. Lafim-piainany vitsy no horaisintsika manokana eto :

1.     Finoana mari-pototra, tsy azo hozongozonina ny an’i Ramose Lucien Botovasoa.

« Ny zavatra rehetra atao ho voninanitr’Andriamanitra » ( Tout faire pour mieux glorifier Dieu ». (Ad Majorem Dei Gloriam). Io no teny faneva nanorina mafy ny finoany. Tao no nanentana azy hahalala sy ho tia an’i Jesoa Kristy amin’ny fony tokoa. « Niova ianao Ramose » hoy ireo mpiara-miasa taminy satria nampifanarahany tanteraka tamin’ny fiainan’i Jesoa ny fiainany manontolo : Mivavaka, miaina ny fitiavana lavorary araka ny Evanjely. Miaina ny marina. Nahay nifandray tamin’ireo mompera sy masera ary tamin’ireo mpiara-mivavaka taminy na katolika na tsia. Isan’andro aorian’ny lakilasy izy dia namaky ny Tantaran’ny Olomasina amin’ireo mpianatra nazoto namonjy izany. Namola-tena tamin’ny zavatra maro izy: fifadia-kanina, fitondrana akanjo malailay, manao sapile tsy ankijanona eny andalana noho ny fitiavany manokana an’i Masina Maria, naharitra nibanjina ny Sakramenta Masina isan’andro, ary mampianatra katesizy….. Ny finoana ho azy dia fanamasinam-piainana. Hilazana amintsika fa Lehilahy tia Vavaka i Lucien Botovasoa. Lehilahy tia ny marina. Izany no tsy nampatahotra azy nanolo-tena ho martiry.

Aiza ho aiza re ny halalin’ny finoantsika kristiana ankehitriny? Tsy miha marefo ve tratry ny fitsapana goavana miseho andavanandro? Ny mahagaga dia efa nifanaraka tsara amin’ny voalazan’ny Papa Fransoa ny finoan’i Botovasoa : “ Ny tena finoana ny Zanak’ Andriamanitra tonga nofo dia tsy afa-misaraka amin’ny fahafoizan-tena, amin’ny firotsahana ho isan’ny ankohonan’ny mpino, amin’ny asa fanompoana, ary amin’ny famitranam-pihavanana amin’ny maha nofo aman-drà ny hafa. Ny Zanak’ Andriamanitra tonga nofo no mitaona antsika hanova fenitra eo amin’ny fomba fanehoam-pitiavana.” (Hafalian’ny Evanjely n° 88)

2.   Tao amin’ny Fianakaviany

Raim-pianakaviana nanolo-tena tanteraka ho an’ny vady aman-janany. Tsy maintsy mody ao an-trano izy isan’andro isan’andro na lavitra aza ny “tournée” ataony. Eo am-pisakafoana dia izy no manome aina ny dinidinika hahazoana hafaliana. Ho fiombonany amin’ny fijalian’i Kristy, mifady hanina izy isaky ny alarobia sy zoma, hany ka, amin’ireo andro ireo, matetika izy no mizara amin’ireo zanany izay anjara sakafo tokony hohaniny.

Ny fampianaram-pinoana sy ny fivavahana dia tsy latsa-danja tao aminy. Mandritra ny andro, na alina koa aza, dia maro ny fotoana ivavahany. Noho ny ezaka nataony, ireo ray aman-dreniny sy ny iray tampo aminy dia vita batemy sy mariazy avokoa, hany ka nisy lasa mpamorona eglizy mihitsy aza taty aoriana. Ireo zanany dia nobeaziny tanteraka mba ho modely ho an’ireo ankizy namany fa indrindra any an-tsekoly. Nampianariny azy ireo ny fahalalam-pomba sy ny fahaizana manaja olona.

Tsy navelany ho resin’ny tahotra ity vadiny sy ireo zanany dimy mianadahy nanoloana ny fanenjehana ny mpivavaka. Rehefa nandalo fotoan-tsarotra mavaivay i Madagasikara tamin’ny 1947, teo amin’ny fanenjehana ireo misionera sy kristianina, dia hoy i Lucien tamin’izy ireo: “na inon-kidona na inon-kihatra, aoka ianareo tsy hiala amin’Andriamanitra”.

Aiza ho aiza ny fifanabezana ao amin’ny fianakaviana misy antsika ankehitriny? Ny fifankatiavan’ny Ray sy ny Reny manoloana ny zanaka? Tsy zara ve fa mifankahita ny mpianakavy anatin’ny herinandro? Hoy ny Papa Fransoa: “ Ny amin’ny fianakaviana, dia azo lazaina fa zava-doza ny hoe rohim-pihavanana mihalefy, satria ny fianakaviana no singa fototra iorenan’ny fiaraha-monina : ao no ianarana miara-miaina, na dia eo aza ny fahasamihafana, ary koa ianarana mahafoy tena ho an’ny hafa ; ao ny ray aman-dreny no mampita ny finoana amin’ny zanany. Mahazo vahana tsikelikely ny fiheverana fa ny fanambadiana dia fomba fanehoam-pitiavana fotsiny ihany, ka azo aorina amin’izay fomba itiavana azy, ary mety ovàna arakaraka ny fihetsehampon’ny tsirairay. Saingy ny fandraisana anjaran’ny fanambadiana, tsy azony ihodivirana, eo amin’ny fiaraha-monina, dia mihoatra ny hoe fihetsehampo fotsiny, na ny hoe zavatra ilain’ny mpivady amin’ny fotoana voafetra fotsiny.”(Hafalian’ny Evanjely n° 66). Ampirisihina isika handala mandrakariva ny hasin’ny fianakaviana.

3.   I Ramose Botovasoa sy ny Fiaraha-monina

Mikorosy fahana tanteraka ny fiainantsika Malagasy ankehitriny. Mbola mahazo tatitra maro mampihoronkoditra izahay : noho ny fikorontanan’ny toe-tany sy ny toetrandro, noho ny hai-tany mafibe, noho ny fitiavan-tena sy ny politikan’ny samy maka ho azy dia mbola mahazo vahana be dia be ny fahantrana. Ny tsy fandriampahalemana efa mampandry tsy lavoloha ny maro ka mampitombo ny tebiteby marain-tsy hariva. Ny fifandraisan’ny samy mpiara-belona feno tsy fifampitokisana. Mihanaka any amin’ny seha-piainana manontolo ny kolikoly ary ny vidim-piainana tsy mitsaha mitombo.Tena mahazo toerana faratampony ny fitiavan-tena sy ny fanompoana ny VOLA. Vokatr’izany, tsy misy hasiny ny aina fa tahaka ny mamono akoho ny mamono olona. Maty ny MARINA eto Madagasikara

Inona àry ny ataontsika (Lk 3, 10)? Nitady toko isika ka sendra vato. Ny fiainan’i Ramose Lucien Botovasoa dia toro-làlana mazava hanampy handray andraikitra. Ny  fahaizany maneho ny fahatsorany no nahamamy hoditra azy teo amin’ny mpiara-monina. Nahiran-tsaina izy, ka rehefa nahavita ny fianarany dia nampianatra tao Vohipeno. Tokana ny tanjona nokendreny tamin’izany : ny  hampivoatra ny tanànany amin’ny lafiny rehetra.

Lehilahy Marina izy. Tsy nifikitra tamin’ny Vola sy ny haren’ny tany. Moa ve tsy i Md François tany Assise ny fihetsiny?  Na dia hoy aza ny vadiny taminy indray andro : “tsy aleo ve ianao manam-pahaizana be io mba miditra ho “comptable” dia mahazo vola be dia be, ka tonga miadana isika, tsy sahirana toy izao?” Namaly izany am-pahatsorana ny Ramose Lucien : “ Na dia manam-bola mahafeno ity trano ity aza isika, dia tsy hanan-karena toy izao ananantsika izao tsy akory, harena tsy mety ho voan’ny harafesina!

4.   Tao amin’ny fampianarana sy ny fanabezana

Ny fahaizany tenim-pirenana maro toy ny frantsay, anglisy, latina, sorabe…… dia nampisokatra azy tamin’ny olon-drehetra, ka nantsoin’ny olona izy noho izany hanoro hevitra amin’ny zavatra maro. Nisongadina tamin’izany ny fampihavanana ireo tanàna roa nanana olam-pifandraisana. Tsy nisalasala izy nifampidinika tamin’ireo ampanjaka sy ray aman-dreny mba hahitana vahaolana. Noho ny fitiavany ireo tanora izay babon’ny alim- pandihizana sy dihy mamoafady dia sahy niteny tsy mihambahamba izy nanoro lalana mazava ho azy ireo.

Firifiry moa ireo tanora mivaona amin’ny zava-maha-domelina sy fitondrantena ratsy ary ny heritsetra nefa jerentsika fotsiny? Tato ho ato, ny fanabeazana dia mody hasohasoina, kanjo havarina ambany dia ambany ka tsy ny fitondran-tena mendrika intsony no ampitaina fa ny fanafody tsy mampiteraka sy ny fanalalahana ny fanalan-jaza no hatao filamatra.

Ry tanora ô, mila olona tia vavaka sy tia mampianatra ny namana tahaka an’ i Lucien Botovasoa izao vaninandrotsika izao. Mila apostoly mirotsaka an’asa : mampianatra katesizy, miandraikitra fikambanana masina, mandray anjara amin’ny asam-baomiera samihafa, ary indrindra malala-tànana amin’ny famelomana ny Eglizy misedra ihany koa ny fahantrana miaraka amin’ny vahoaka. Aoka ho taranaka Mpanorina tahaka an’i Lucien Botovasoa ianareo fa tsy ho taranaka mpandrava laka. Hoy indrindra ny Papa François : Mahafinaritra aok’izany ny mahita tanora mirotsaka ho « mpivahiny masin’ny finoana », faly mitondra an’i Jesoa eny amin’ny lalam-be rehetra, eny amin’ny kianja rehetra, manerana ny vazantany efatra ! (Hafalian’ny Evanjely n°106).

5.   Politikan’ny fanasoavana ny tanindrazana amin’ny fikatsahana ny soa iombonana ny an’i Ramose Botovasoa

Ny fahaizany sy ny fahendreny àry dia nahatsapàna fa lehilahy tia sy mahafoy tena ho an’ny tanindrazana izy. Tsy nanaiky hatao ho mpitarika ny PADESM na hiaraka amin’ny MDRM satria tsy mifanaraka amin’ny kosiansiny izany : “miaina amin’ny lainga ny politikanareo ka ho rà no hiafarany” hoy izy tamin’izy ireo. Na izany aza tena nirotsaka amin’ny fikatsahana mandrakariva izay hampandroso ny faritra izy. Noho io fomba fijeriny io dia nanenjika azy ireo manam-pahefana tamin’izay ka nifofo ny ainy mihitsy, hamono azy ho faty. Dia hoy indray izy tamin’izy ireo: “ Fantatro fa hamono ahy ianareo ka tsy afaka manda aho; raha ny aiko no hahavotra ny olo-maro, aza misalasala ny hamono ahy ianareo. Ny angatahiko aminareo dia ny rahalahiko tsy ho kasihina”.

Ny zava-misy eto amintsika amin’izao dia : Ny politika mifototra amin’ny lainga sy ny kobaka am-bava no mibaribary hitam-bahoaka. Tsy misy fanompoana fa fitadiavan-karena ankolaka no manjaka; kolikoly avo lenta. Ny vola sy ny fahefana no mibaiko. Tsy ny fahaizana sy ny fahendrena intsony no entina mampandroso ny Firenena. Tsy voafehy intsony momba ny fananan-tany hany ka marobe ny tany nolovaina tamin’ny razana no very na amidy amin’ireo vahiny avy any ivelany mihitsy aza. Tonga miady, mifampitory, mifamono ny mpianakavy.

Amin’izao androntsika izao, mbola hisy ve Malagasy (39 taona) sahy hijoro ho vavalombelon’ny marina na dia hamoizana ny aina aza izany, ho fitiavana ity tanindrazana malalantsika ity? Ho tonga ity ny fifidianana, hiharihary amin’ny fampieleza-kevitra indray ve ny fampanantenana poak’aty, ny fampifandrafesana ny sokajin’olona samihafa, ny fanaparitahana vola hamitahana olona? Tsarovy fa “Ny teny manaitra fa ny atao no mahasarika”. Tadidio fa i Botovasoa dia maty martiry noho ny fiarovana ny marina sy ny fitiavana namana. Hoy Izy :  “Enga anie ny rako latsaka amin’ny tany, ho fanavotana ny Tanindrazako”.

Ry Havana, antso avo ho antsika taranaka ankehitriny ny fiainan’i Ramose Lucien Botovasoa. Manainga antsika hanavotra ity Tanindrazana malalantsika ity hiaina ny marina ka  hahatonga ao aminy ny fihavanana sy ny fiadanana. Enga anie ny oha-piainana navelany sy vavaka ataony ho fanilo tsy maty vonoina ao ampontsika. Ankinintsika manokana an’i Masina Maria Mpanjakavavin’i Madagasikara ny ezaka rehetra ataontsika.

 

Mitsodrano anareo rehetra izahay

 

Antananarivo, anio 15 novambra 2017.

Fetin’ i Md Albert le Grand, Eveka, Mpampianatry ny Eglizy

 

Mgr Désiré TSARAHAZANA, Arsevekan’i Toamasina, Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara

Mgr Marie Fabien RAHARILAMBONIAINA, Evekan’i Morondava, Filoha lefitra

Mgr Jean Claude RANDRIANARISOA, Evekan’i Miarinarivo, Sekretera Jeneraly

Mgr Benjamin Marc RAMAROSON, Arsevekan’Antsiranana,

Mgr Odon Marie Arsène RAZANAKOLONA, Arsevekan’Antananarivo,

Mgr Fulgence RABEMAHAFALY, Arsevekan’i Fianarantsoa,

Mgr Fulgence RABEONY Arsevekan’i Toliara

Mgr Georges Varkey PUTHIYAKULANGARA, Evekan’i Boriziny

Mgr Rosario VELLA, Evekan’Ambanja

Mgr Roger Victor RAKOTONDRAJAO, Evekan’i Mahajanga

Mgr Jean de Dieu RAOELISON, Evekan’Ambatondrazaka

Mgr Gaetano DI PIERRO, Evekan’i Moramanga

Mgr Marcellin RANDRIAMAMONJY, Evekan’i Fenoarivo Atsinanana

Mgr Philippe RANAIVOMANANA, Evekan’Antsirabe

Mgr Gustavo Bombin ESPINO, Evekan’i Maintirano

Mgr Fidelis RAKOTONARIVO, Evekan’Ambositra

Mgr José Alfredo Caires DE NOBREGA, Evekan’i Mananjary, Administrateur Apostolique-n’i Farafangana

Mgr Fulgence RAZAKARIVONY, Evekan’Ihosy

Mgr Vincent RAKOTOZAFY, Evekan’i Tolagnaro

Mgr Zygmunt ROBASZKIEWICZ, Evekan’i Morombe

Mgr Michel MALO, Archevêque Emérite d’Antsiranana

Mgr Philibert RANDRIAMBOLOLONA, Archevêque Emérite de Fianarantsoa

Mgr Raymond RAZAKARIVONY, Evêque Emérite de Miarinarivo

Mgr Antonio SCOPELLITI, Evêque Emérite d’Ambatondrazaka

Mgr Joseph Donald Léo PELLETIER, Évêque Émérite de Morondava

Mgr Armand TOASY, Evêque Emérite de Port-Bergé

RP Jean Claude RAKOTOARISOA, Administrateur diocésain’i Tsiroanomandidy