«

»

Jun 06

Hafatry ny Fivondronamben’ny eveka – mey 2018

« Ny taranakao hanorina indray ny rava ela … … … hahatonga ny tany ho azo honenana » (Izaia 58, 12)

 

Homba antsika mianakavy anie ny Fiadanana avy amin’i Jesoa Kristy Tompontsika.

Ho antsika Kristianina sy izay tsara sitra-po rehetra.

Nangetaheta  fihavaozana sy fanavaozana ny firenentsika, fa toa manjaka loatra ny fitiavam-bola arahin’ny tsy rariny. Hadino tanteraka ny fitiavana an’Andriamanitra. Kanefa Izy miara-dalana amintsika isan’andro. Nasehony miharihary izany fitiavana izany tamin’ny nanambarana ny maha  Olontsambatra an-dRamose Lucien Botovasoa vao tsy ela akory izay.

Mbola fisehoan’ny Fitiavan’Andriamanitra antsika, ary isaorana Azy, ny nifidian’ny Papa Ray Masina Fransoa an’i Mgr Désiré Tsarahazana, Arsevekan’i Toamasina ho Kardinaly, Mpiara-miasa aminy, Mpanolo-tsaina azy akaiky sy Tanan-kavanany. Fisaorana mitafotafo no atolontsika Malagasy  ny Papa, amin’ny namaliany ny hetahetantsika. Miharihary izao fa ao am-pon’ny Papa Fransoa ny firenena Malagasy, manan-danja eo amin’ny Eglizy eran-tany  ary manana ny anjara toerany ao amin’ilay « Tranobe iombonana ».

Tato ho ato, nisavorovoro ny fiainam-pirenena  noho ny fahamarinana itsakitsahin’ny fitiavam-bola. Ny rariny itompoana  anefa zary heloka. Tsy nifampihaino intsony na ny an-daniny na ny an-kilany,  samy nampiaka-peo, nifandrangitra tamin’ny teny mandratra. Very ny soa toavina malagasy raiketin’ny teny ierana  sy ny fifanajana. Tsy eken’ny eritreritra ny herisetra na avy aiza  na avy aiza iaviany. Samy manindrahindra ny « vahoaka » ho soa iombonana. Ry vahoaka maro an’isa ô, firifiry ny hadalana atao amin’ny anaranao ! Nanome valy ny HCC na dia tsy mahafa-po tanteraka ny daholobe aza. Miangavy fitoniana  aminareo mpanao politika izahay, samy hiatrika ny soa iombonan’ny Malagasy dia ny Fifidianana ho tanterahina amin’ny fomba malalaka sy mangarahara, fenitry ny tany demokratika.

Mitodika  amin’ny vahoaka ahindrahindra izahay. « Ampy izay ny fanaovana anao ho tohatra fiakarana ». Ny latsa-bato no mampitovy zo sy fahefana  antsika vahoaka olom-pirenena : mitovy hasina sy zo na vehivavy na lehilahy, na mpanan-karena na fadiranovana na mpitondra na entina. Miantoka ny ho avy ny latsa-bato ataonao, koa mba mailo manoloana  ireo tampi-maso atao anao amin’ny fampielezan-kevitra. Manàna herim-po miatrika ny fanaovana « Ramatahora ». Aza mihalangalana na tsy miraharaha ny fandatsaham-bato fa io vatonao io no anehoanao ny maha-olom-pirenena Malagasy  feno anao.

Mitodika aminareo te-hitantana ity firenena ity izahay. Tsy sanatria mitompon-teny fantatra izahay fa mba tsy hiverenan’ny fifanomezan-tsiny lava sy mahazatra hoe : « fako navela na vary mangatsiakan’ireo mpitondra teo aloha », dia ireto no heverinay fa asa maika miandry anareo :

–    Fandriampahalemana, fananan-tany (tanin’ny Razana).

–    Fanarenana ny toe-karena, sakafo sy vidim-piainana midangana.

–    Fampianarana sy Fanabeazana ny taranaka : fandrafetana programam-pianarana mifanaraka amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena, fanarenana ireo foto-drafitra asa simba, fampitovian-jo ny sekolim-panjakana sy ny sekoly tsy miankina (subventions…).

–    Fahasalamana sy ny mpandraharahany : fandraisana maimaim-poana ny marary any amin’ny Tobim-pahasalamana tantanan’ny Fanjakana.

–    Ady amin’ny kolikoly sy fampiharana ny lalàna (tan-dalàna tena izy).

–    Fampiharana ny lalàna  momba ny Etat-civil (kopia, kara-panondro).

–    Fanamboaran-dalana.

–    Fahaizana miaro sy mitrandraka ny harem-pirenena ho tena fampivoarana marina ny Firenena manontolo.

–    Fanomezana asa  ny Tanora.

–    Fanovana ny Lalam-panorenana.

 

Ireo toetra takiana, indrindra  amin’izay  te-ho Filoham-pirenena

–    Tia  sy mahafoy tena marina ho an’ny Tanindrazana, olona matahotra an’Andriamanitra sy manana fahendrena.

–    Mitandro ny fiandrianam-pirenena sy ny Fananam-pirenena. Mikatsaka ny soa iombonana.

–    Marina, mahitsy, manaja ny teny nomena, mitandro ny rariny sy hitsiny, mahay mampandefitra ny hambom-po

–    Mahay mihaino, mahay mifanakalo hevitra, olona azo iresahana ary mahay mandanjalanja

–    Manana fahalalana ampy ny kolotsaina malagasy ary mampiray sy mampitovy ny Malagasy rehetra

–    Tsy mampifangaro ny raharaham-pirenena amin’ny raharaham-pianakaviana (Antoko, maha-mpandraharaha …)

–    Tsy mampifangaro ny raharam-panjakana  sy ny raharaham-pinoana na ny Fivavahana sy Politika.

 

Amin’ny andro mikitroka toy izao isika no tokony hitodika indray amin’ny fomba niainan’ireo Olomasina zokintsika ny làlana sarotra. Mahatsiaro an-dry Olontsambatra RASOAMANARIVO Victoire, vehivavy be herim-po sy votom-pinoana. Volamena latsaka am-bovoka, tsy navelan’ny toetrany tsy hamiratra.Toy izany koa ny Olomasina sy Olontsambatra isany : Mompera Jacques Berthieu, Mompera Jean BEYZYM, Raphaël Louis RAFIRINGA, fa indrindra i Lucien BOTOVASOA. Mampitamberina indray, ho an’izay mahalala ny tantara, ny aizina nikitroka nijabajaban’ny Firenena, niady an-trano sy nifandrombaka fananana fa nanjary fanjakan’i Baroa, tsy nisy lalàna nohajaina. Nopotehina ny fanabeazana ho avin’ny solofo sy dimby antoky ny Firenena. Nohitsahina am-paladia ny maha-malagasy sy ny soa toavina ao aminy. Tao anatin’izany indrindra no nipoitra, nentanin’ny finoana tsy azo hozongozonina, ary henika ny Fanahin’Andriamanitra ry Lucien Botovasoa. Ny hafatra navelan’ireo Olomasina sy Olontsambatra amintsika dia ny fahafoizany ny aina ho an’ny Tanindrazana sy ny fijoroana amin’ny marina.

Ho taranaka mpanorina isika raha mifanaja sy manao ny marina, ka lavitra ny korontana sy ny herisetra, antoky ny filaminana sy fikatsahana ny soa iombonana, mitondra amin’ny fampandrosoana maharitra manaja ny olona manontolo sy ny olona rehetra.

Ho taranaka mpanorina isika raha samy miasa ary mampamokatra ny talentan’ny tsirairay  ho entina hanasaovana ny firenena.

Miambena ary mivavaha isika, sao latsaka am-bovon’ilay ratsy. Tohizina noho izany ny vavaka fangatahana Fandriampahalemana efa dimy taona lasa izay. Miezaka hanamasin-tena ny isan-tokantrano. Manaiky hiatrika ny marina ka hibebaka ny mpitondra isan’ambaratongany sy ny mpanao pôlitika.

Hanampy antsika hatrany anie ny fandiovan’ny Fanahy Masina, ary dia manomana tsikelikely ny JMJ MADA IX, amin’ny alalan’ny fandalinam-pinoana sy fandraisam-pahasoavana isika, araka ny torohevitry ny Anjely fahiny tamin’i Masina Maria hoe : « Aza matahotra ry Maria, fa sitrak’Andriamanitra ianao ». Aza matahotra, ry Malagasy hanarina ny Firenenao fa sitrak’Andriamanitra ianao. Ankinintsika amin’i Masina Maria mpiaro an’i Madagasikara ny ezaka rehetra ataontsika.

Dia mitso-drano anareo izahay Evekan’i Madagasikara.

Episcopat Ambatoroka, anio 29 mai 2018

 

Son Éminence le Cardinal Désiré TSARAHAZANA, Arsevekan’i Toamasina, Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara

Mgr Marie Fabien RAHARILAMBONIAINA, Evekan’i  Morondava, Filoha lefitra

Mgr Jean Claude RANDRIANARISOA, Evekan’i Miarinarivo, Sekretera Jeneraly

Mgr Benjamin Marc RAMAROSON, Arsevekan’Antsiranana,

Mgr Odon Marie Arsène RAZANAKOLONA, Arsevekan’Antananarivo,

Mgr Filgence RABEMAHAFALY, Arsevekan’i Fianarantsoa,

Mgr Fulgence RABEONY Arsevekan’i Toliary

Mgr Georges Varkey PUTHIYAKULANGARA,  Evekan’i Port-Bergé

Mgr Rosario VELLA, Evekan’Ambanja

Mgr Roger Victor RAKOTONDRAJAO, Evekan’i Mahajanga

Mgr Jean de Dieu RAOELISON, Evekan’Ambatondrazaka

Mgr Marcellin RANDRIAMAMONJY, Evekan’i Fenoarivo Atsinanana

Mgr Philippe RANAIVOMANANA, Evekan’Antsirabe

Mgr Gustavo Bombin ESPINO, Evekan’i Maintirano

Mgr Fidelis RAKOTONARIVO, Evekan’Ambositra

Mgr José Alfredo Caires DE NOBREGA, Evekan’i  Mananjary,

Mgr Gaetano DI PIERRO, Evekan’i Farafangana, Administrateur Apostolique-n’i Moramanga

Mgr Fulgence RAZAKARIVONY, Evekan’Ihosy

Mgr Vincent RAKOTOZAFY, Evekan’i Tolagnaro

Mgr Zygmunt ROBASZKIEWICZ, Evekan’i Morombe

Mgr Michel MALO, Archevêque Emérite d’Antsiranana

Mgr Raymond RAZAKARIVONY, Evêque Emérite de Miarinarivo

Mgr Antonio SCOPELLITI, Evêque Emérite d’Ambatondrazaka

Mgr Joseph Donald Léo PELLETIER, Évêque Émérite de Morondava

Mgr Armand TOASY, Evêque Emérite de Port-Bergé

RP Jean Claude RAKOTOARISOA, Administrateur diocésain de Tsiroanomandidy.