Hafatra Karemy 2018 – Mangatsia-po noho ny haratsiana
« Ary noho ny habetsahan’ny faharatsiana dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro » (Mt 24, 12)
Ry rahalahy sy anabavy malala, ho tonga amintsika indray ny Pakan’ny Tompo ! Isa-taona, mba hiomantsika amin’izany, dia manolotra antsika ny fotoanan’ny Karemy Andriamanitra. “Famantarana ara-tsakramentan’ny fibebahantsika” izany, izay manambara sy manolotra ho antsika ny fahafahana miverina amin’ny Tompo amin’ny fontsika manontolo sy amin’ny fiainantsika manontolo. Amin’ity taona ity, amin’ny alalan’izao hafatra izao, dia maniry ny hanentana ny Fiangonana manontolo aho mba hiaina izao taom-pahasoavana izao ao anatin’ny hafaliana sy amam-pahamarinana ; nataoko izany tamin’ny fanekeko hotarihan’ny fanehoan-kevitr’i Jesoa araka ny Evanjely nosoratan’i Md Matio manao hoe : »…Ary noho ny habetsahan’ny faharatsiana dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro « (24,12). Ampahan’ny laha-teny momba ny fiafaran’izao tontolo izao izay notononina tao Jerosalema, tany an-Tendrombohitr’Oliva, izany hoe amin’ny fiandohan’ny fijalian’ny Tompo. Amin’ny valin-teniny omeny ny mpiananany iray i Jesoa no manambara ny fahoriana lehibe hanjò Azy ary manoritsoritra ny tranga izay mety hihaonan’ny ankohonam-piainan’ny mpino indray : eo anatrehan’ny zava-mampahory, dia hamitaka olona maro ny mpaminany sandoka, mety hamono ao am-po ny fitiavana, izay ivon’ny Evanjely manontolo.
Ny mpaminany sandoka
Meteza isika hihaino ity teny ity ary hanontany tena hoe: amin’ny endrika toy inona no isehoan’ny mpaminany sandoka ?
« Mambabo toy ny bibilava » izy ireo, izany hoe mampiasa ny fiontanam-pon’ny olombelona mba hampietry ny olona ho andevo sy hitarika azy amin’ny sitrapony : Enga anie ny zanak’Andriamanitra hanaiky hosodokan’ny faninton’ny fahafinaretana mihelina mifangaro amin’ny fahasambarana! Ho Lehilahy sy vehivavy firifiry no babon’ny fitaky ny vola, izay mahatonga azy ireo ho andevon’ny tombony mirefarefa! Enga anie ka hisy olona miaina ary mihevitra fa mahavita tena ka ho latsaka ao anatin’ny hazan’ny fanirery!
Ny mpaminany sandoka hafa dia “mpamitaka”, manolotra vahaolana tsotra sy eo no ho eo amin’ny fahoriana, fanafody hita anefa fa tena tsy mahomby : firifiry amin’ny tanora no natoro amin’ny fanafody sandoka amin’ny zava-mahadomelina, ny fifaneraserana “mampiasa sy manary”, fahazoam-bola mora nefa amin’ny fomba tsy marina! Firifiry koa ireo roboka amin’ny fiainana tsy azo tsapain-tanana izay miseho amin’ny fifandraisana toa mora sy tena haingana tsy misy heviny akory! Ireo mpisoloky-manolotra zavatra tsy misy dikany ireo dia manaisotra izay tena sarobidy : toy ny hasina, ny fahafahana ary ny fahaiza-mitia. Io no fitakin’ny zava-poana, mitarika antsika amin’ny fisehosehoana …ho latsaka amin’ny fahadalana, ary rehefa ao amin’ny fahadalana dia tsy afa-miarina. Tsy mahagaga izany : efa hatramin’izay dia ny demony no « mpandainga sy raiben’ny lainga » (Jn 8, 44), maneho ny ratsy ho toy ny tsara, ny hosoka toy ny marina mba hampikorontana ny fon’ny olona . Izany indrindra no iantsoana antsika tsirairay mba handanjalanja ao am-po sy handalina sao voatanotanon’ny mpaminany sandoka . Tsy maintsy mianatra ny tsy hijanona fotsiny amin’ny eo no ho eo, sy eo amin’ny endrika ivelany isika ary manaiky hametraka ao amintsika ny zavatra tsara sy maharitra.
Ny fo mangatsiaka
Amin’ny fanoritsoritana ny afobe, Dante Alighieri dia maneho an-tsary ny demony mipetraka ambony seza fiandrianana amin’ny ranomandry ; monina ao anatin’ny hatsiakan’ny fitiavana mitsilopilopy. Manontania tena isika : ahoana no mampangatsiaka ny fitiavana ao amintsika? Inona no famantarana mampitandrina antsika fa mitady ho faty ny fitiavana ao amintsika ? Ny mamono ny fitiavana, voalohany indrindra dia ny fitiavam-bola, « fototry ny ratsy rehetra » (1 Tim 6, 10) ; manaraka azy ny fandavana an’Andriamanitra, sy ny fandavana hahita ao Aminy ny fanalana alahelo, manoloana ny fahoriantsika ankaherezin’ny Teniny sy ny Sakramentany. Ireo rehetra ireo no miova ho herisetra manohitra izay heverina ho loza manambana ny » faheresan-dahatra ao amintsika » : ny zaza hateraka, ny zokiolona marary, ny mpivahiny mandalo, ny vahiny ary ireo namana tsy araka ny andrasantsika.
Mihamangatsiaka ihany koa ny fitiavana ao amin’ny ankohonantsika. Ao amin’ny taratasy Fanentanana Apôstôlika «ny Hafaliana avy amin’ny Evanjely », nalaim-panahy aho, nanome soritsori-pamantarana izay tena maneho io tsy fahampian’ny fitiavana io. Ireto izany : ny fitiavan-tena amim-pihatsaram-belatsihy, ny fijerena fotsiny ny lafiratsin-javatra tsy mitondra vokatra, ny fakam-panahy amin’ny fiolonolonana, sy ny firotsahana amin’ny ady mandripaka ny mpirahalahy tsy misy farany, ny fisainan’izao tontolo izao izay mitarika amin’ny hoe tsy mikatsaka afa-tsy izay hita eto ivelany, ka mampihena ny hafanam-po misiônera.
Inona ary no atao ?
Raha mandinika antsika isika na ny manodidina antsika, ireo famantarana vao nosoritantsika ireo dia ny Fiangonana, Renintsika sy mpanabe antsika, no manolotra antsika ny fotoanan’ny Karemy, miaraka amin’ny fanafody mety hangidin’ny fahamarinanana, ny fanafody mamin’ny vavaka sy ny asa fiantrana ary ny fifadiana.
Eo am-panokanana fotoana betsaka kokoa ho an’ny vavaka no hahafahantsika mahatsapa ao am-po ny lainga miery mamitaka antsika, ka hitadiavantsika ny fanalana alahelo avy amin’Andriamanitra. Raintsika Izy ary te hanome antsika ny fiainana. Ny fampiharana ny asa fiantrana no manafaka amin’ny fitiavam-bola sady manampy hahalala fa rahalahy ny hafa : izay ananako dia tsy ahy irery na oviana na oviana. Iriko raha tonga tena fomba fiainana ho any rehetra ny asa fiantrana ! Iriko isika amin’ny maha kristianina, hanaraka ny oha-piainan’ny apostoly, sy hiaiky ny fahafahana mifampizara ny fananantsika amin’ny hafa no vavolombelona azo tsapain-tananan’ny fiombonana hiainantsika ao amin’ny Fiangonana.
Noho izany dia raisiko ho ahy ihany koa ilay fanentanan’i Md Paoly raha nitafa tamin’ny korintianina izy momba ny rakitra ho an’ny fiangonanaa tany Jerosalema : « toro-hevitra fotsiny no omeko anareo etoana, ary ampy anareo izany » (2 Kor 8, 10). Misy dikany manokana amin’ny vanim-potoanan’ny Karemy izany, maro ny fikambanana mandritra izany no manangona rakitra ho tombotsoa na hanampiana ny Fiangonana sy ny vahoaka tra-pahasiranana. Nefa iriako amin’ny fifandraisantsika andavanandro ihany koa, eo anatrehan’ny rahalahintsika mangataka fanampiana amintsika no hahitantsika fa misy antson’Andriamanitra ao : isaky ny asa fiantrana dia fotoana hiaraha-miasa amin’Andriamanitra ho an’ny zanany ; raha mampiasa ahy izy androany hanampy ny rahalako, nahoana izy rahampitso no tsy hanolotra izay ilaiko, izy ilay tsy manaiky resy amin’ny fahalalahan-tanana ?
Ary farany, ny fifadiana no mampihena ny herin’ny herisetrantsika , izy no manala amintsika ny fiarovan-tena ary lasa fotoan-dehiben’ny fitomboana…. Etsy andaniny, io no hahafahantsika manana traik’efa-piainana sedrain’ireo izay tsy manana, eny fa na dia izay ilaina farany kely aza, sy hahafantarantsika ny tebiteby isanandro vokatry ny hanoanana ; etsy ankilany, maneho ny toe-panahintsika io, noanan’ny hatsaram-po sy mangetahetan’ny ain’Andriamanitra. Mamoha antsika ny fifadiana, mahatonga antsika hihaino kokoa an’Andriamanitra sy ny namana. Mamoha ny faniriana hanaiky an’Andriamanitra, ilay hany hanafaka ny hanoanantsika.
Iriko hanako any ivelan’ny Fiangonana katolika ny feoko ary hipaka any amin’ny olona rehetra, lehilahy sy vehivavy tsara sitra-po, misokatra amin’ny fihainoana an’Andriamanitra. Raha tahaka ahy ianareo, mitebiteby noho ny fielezan’ny tsy rariny eran’izao tontolo izao, raha toa ianareo sahiran-tsaina noho ny hatsiaka mandemy ny fo sy ny asa, raha tsapanareo ny fihenan’ny hasina maha-olona iombonana, miraisa hina aminay, hiaraka hiantso an’Andriamanitra, hiaraka hifady sy hiaraka aminay, hanome izay vitanareo hanampiana ireo rahalahintsika.
Ny afom-pitiavan’ny Paka
Manentana manokana ny rantsa-mangaikan’ny Fiangonana aho mba hirotsaka amin-jotom-po ny lalan’ny Karemy, tohanan’ny asa fiantrana sy ny fifadiana ary ny fivavahana. Raha hitantsika indraindray fa maty ny fitiavana amin’ny fon’ny maro, tsy mba mety mahazo ny fon’Andriamanitra izany! Manolotra fotoana vaovao mandrakariva Izy mba hahafahantsika manomboka mitia indray.
Ny finiavana momba ny « 24 ora ho an’ny Tompo » , hanasana antsika hankalaza ny sakramentan’ny Fampihavana mandritra ny fitsaohana ny Sakramenta Masina , no fotoana mety tsara amin’ity taona ity. Amin’izao 2018 izao, hotanterahina ny Zoma 9 sy Sabotsy 10 marsa izany, amin’ny fandinihana nalaina avy amin’ny Salamo 130 hoe : « ao Aminao ny famelan-keloka» (Sal 130, 4). Isaky ny diosezy, dia hisy Fiangonana farafahakeliny iray hisokatra mandritra ny 24 ora hahafahana mitsaoka ny Sakramenta Masina sy mikônfesy.
Mandritra ny alin’ny Paka no hampiainana antsika indray ny fombam-pivavahan’ny jiron’ny Paka : tarafin’ny « afo vao », handroaka tsikelikely ny haizina ny hazavana, ary hanilo ny miandalana ny mpivavaka. « Ny fahazavan’i Kristy, nitsangan-ko velona amim-boninahitra anie handroaka ny haizin’ny fontsika sy ny fanahintsika » mba hahafahantsika rehetra miaina ny hafalian’ny mpianatra tany Emaôsy : ny mihaino ny Tenin’ny Tompo sy ny mamelona antsika amin’ny Mofo Eokaristika no hahafahana mamerina ny fontsika hirehi- pinoana sy fanantenana ary fitiavana.
Mitso-drano anareo amin’ny foko manontolo aho sady mivavaka ho anareo. Aza adinoina ny mivavaka ho ahy.
Natao teto Vatikana, 1 novambra 2017 Fankalazana manetriketrika ny Olomasina rehetra Papa François