Hafatra avy amin’ny Fivondronamben’ny Eveka
Nivory tsy ara-potoana ny Fivondronamben’ny Eveka ny 11 aogositra lasa teo. Natombok’izy ireo tamin’ny tenin’i Jesoa tao amin’ny evanjelin’i Md Marka ny hafatra : « Onena izy nahita ity vahoaka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry »(Mk 6,34) Noraisin’izy ireo ihany koa ny voalazan’i Ezekiela mpaminany manao hoe : “Ny very hotadiaviko; ny nania haveriko; ny naratra hotsaboiko, ary ny marary hohatanjahiko, fa ny matavy sy ny matanjaka hokolokoloiko. Samy handrasako ara-drariny avy izy ireo (Ezekiela 34,15-16) –
Indro atolotra antsika ny ampahany amin’io hafatra io. Tsidiho ny Lakroa.mg raha toa hamaky azy manontolo.
Ho aminareo anie ny Fiadanana
Ireo teny ireo no manainga anay Eveka, Raiamandreninareo, izay nivory tsy ara-potoana, handinika ity fiainam-pirenentsika ity. Tahaka an’i Ezekiela Mpaminany Masina nahay nijery ny fiainan’ny vahoaka, mampahonena toy ny ondry tsy misy mpiahy, vokatry ny fifandimbiasan’ny fitondrana izay samy tsy nahay naka lesona tamin’ireo zavatra tsy nety nataon’ireo mpitondra nifanesy ka nahatonga izao fahavoazana izao.
Koa misarika ny saintsika izahay tsy hanadino ny tantara fa : ato anatin’ny fankalazana ny faha-56 taona nahazoana ny fahaleovan-tena isika, ary mbola namerimberina indray fa: “Fitiavan-Tanindrazana – Fahafahana – Fandrosoana” no tarigetram-piainana noraisina hatramin’ny voalohany.
TSIRIM-PAHAZAVANA
Tsy mbola very tanteraka ny fanantenana, fa tao anatin’ny telo taona nizakana ny vokatry ny krizy teo aloha isika no nahay niaina indray ny fahendrena maha-malagasy : fahaiza-mandefitra, firaisan-kina, fihavanana. Eny fa na dia teo aza ny fanerena an-kolaka avy any ivelany. Niverina tsikelikely ny fahatokisan’ny firenena avy any ivelany… Porofon’izany ny fahazoana ny ampaham-bola nangatahina hampihodinana ny fiainam-bahoaka. Toy izany koa ny fahafahana naminavina ny handraisana ny fihaonan’ireo firenena miteny frantsay na dia eo aza ny ahiahy ny mety tsy hahavitan’ny foto-drafitr’ asa. Eo ihany koa ny vinavina amin’ny handraisana ireo vondron’ny tany afrika ny hanao fifanaraham-barotra (CO-ME-SA).
NEFA INDRISY : MISY HAIZINA MANDRAKOTRA
Marary i Madagasikara; misy aza miteny hoe: “efa miala aina”. Milentika tsikelikely anaty fotaka ny fiainam-pirenena; miraviravy tànana ny mpitondra manoloana an’izany. Fitondrana tsy mahomby; fampanantenana poakaty; sady miharo lainga ary mampahazo vahana ny hery setra.
SAMY HANDRASAKO ARA-DRARINY AVY IZY IREO
Ambaranay eto fa ny Eglizy dia tsy mitsabaka na manondro modely (lamina) amin’ny fandaminana ny raharaha politika sy fitantanana firenena. Ny andraikiny dia ny mampianatra, manentana ary manao izay hahatonga saina ny olona mba hitsinjo mandrakariva ny soa iombonana. Hihevitra ny andraikitra sahanina ho fanompoana ny firenena fa tsy sanatria fitaovana hanangonan-karena.
“TOY NY ONDRY TSY MISY MPIANDRY”
“Tahionao ry Zanahary ô, ity nosindrazanay ity”. Malemy sy osa izahay ka mila ny FAMINDRAM-PONAO. Omeo mpiandry mahatoky izahay hitantana anay ho amin’ny “Fitiavan-Tanindrazana sy Fahafahana ary Fandrosoana” marina tokoa hahazoana tombon-tsoa hoan’ny besinimaro. Vonoy ao am-ponay ny fitiavan-tena tafahoatra. Velomy ny fanantenanan’ny tsirairay avy, omban’ny vavak’i Masina Maria dia ho “Tany sambatra ilay Madagasikaranay”.