«

»

Nov 15

Hafatra avy amin’ny Fivondronamben’ny eveka

“Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana” Jn 14,6

Ho antsika kristianina rehetra sy ireo tsara sitra-po eto amin’ity Nosy malalantsika ity!

Homba anareo anie ny Fiadanan’i Kristy!

Nandritra iny taonan’ny famindram-po iny no nibanjinantsika an’i Jesoa Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana. Tamin’ny Teniny, tamin’ny Asany ary tamin’ny Fiainany manontolo, no nanehoany izany Famindram-po tsy misy fetra izany, izay loharanon’ny tena fiainana, ho an’izay mino.

Efa nambara tamin’ny hafatra navoakanay tamin’ny volana Aogositra ny tsy fisian’ny fahamarinana amin’ny endriny maro eto amin’ny firenena ka mamela ratra sy mamotika ny fiainan’ny malagasy.

Mbola nampahatsiahivin’ny Papa Fransoa tamin’ny alatsinainy 7 novambra teo indray, fa ny anisan’ny kendren’ny Taonan’ny Famindram-po, dia ny hanasitrana ny ratra rehetra mahazo ny olombelona tamin’ny fijaliana mangirifiry niaretan’ny Zanak’Andriamanitra.

Hiaraka hisaotra an’Andriamanitra isika amin’izao famaramparanana ny taona litorjika izao, izay nahavitana ihany koa ny fankalazana ny Taonan’ny Famindram-po. Izany no nampisokatra ny masom-panahintsika, nahatsapana fa tafahitsoka lalina amin’ny fahasahiranana ka tsy maintsy miarina. Tsy misy fanafodiny hafa afa-tsy izay fanasitranana zarain’i Jesoa Kristy Tompontsika, Izy Ilay Endriky ny Ray Mpamindra fo, Ilay tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.(cf. Heb 13,8)

Nanovo fahasoavana tsy tambo isaina isika tamin’ireny fankalazana maro ireny : tamin’ny fandraisana Sakramenta, tamin’ny firohotana hanao ny fivahiniana masina tany amin’ireo toerana voatokana nanokafana ny Varavarana masina, niezaka namaly ny antson’ny Papa Ray masina hiaina ireo asa fanehoana ny famindram-po na ara-panahy na ara-nofo. (cf. Misericordiae Vultus n°15) Nampiany ho isan’ny asan’ny Famindram-po ny fikolokoloana ny tontolo iainana. (Cf. Taratasin’ny Papa Fransoa, 1 septambra 2016).

Tsy manirery tokoa manko isika, na dia eto anivon’ny ranomasimbe aza fa ato anaty Tranobe iombonana, ka ho sasa-poana raha tsy tafaray amin’ny Fahendren’Andriamanitra. Izay no marina!

Ny toetra tsara azon’ny tsirairay tamin’ireny ezaka ireny, dia efa soa iombonana ho an’ny besinimaro. Tsy ny tenanao fotsiny manko no jerena amin’ny ezaka atao, fa ny tontolom-piainanao manontolo, ka ianao no nahazo tombontsoa voalohany. Izao tontolo izao mihitsy no tsy maintsy miombon’ezaka, ka ho lohalaharana amin’izany isika mpino kristianina, izay efa nizaran’i Jesoa ny tsiambaratelom-pitiavany, fa tsy sanatria hanao amboadia mitafy hodi-janak’ondry.(Mt 7, 15)

Marihina fa ny fankalazana manokana no mifarana fa ny fiainantsika manontolo dia fiezahana hanahaka an’i Jesoa Endriky ny Famindram-pon’Andriamanitra.   Koa ny Fianakaviana no sehatra voalohany hampitàna ny Fahendren’Andriamanitra loharanon’ny fahamarinana mahavelona.

Fianakaviana mivelona ny finoana, sy mampita fahendrena sy fitiavana amin’ny fanabeazana ny faramandimby, manomana ny ho aviny.

Manampy antsika amin’izany ny lohahevitra itarihan’ny Fanabeazana Katolika antsika amin’ity taom-pianarana ity : “Izay manao ny marina no hendry ary ny marina no maha olon’afaka antsika”. Inona ny antony? Maninona no tsy mamokatra ny harena ary tsy mamokatra amin’ny besinimaro satria tsy ny harena no tsy misy, tsy ny olomanga no tsy misy, tsy ny manampahaizana no tsy misy … fa Madagasikara no mahantra olonkendry. Mahantra Olonkendry satria nanjavona ny marina, tsy omen-toerana ny marina koa tsy maintsy volena dieny mbola kely ny marina mba ho taranaka mivelona ny marina ny malagasy ka hanana olombanana isika.

Fanamby lehibe ho antsika izany manoloana ny zava-misy atrehina ankehitriny. Ndeha ankinintsika amin’ny Famindram-pon’Andriamanitra izany :

Ry Rainay manan-karena amin’ny Famindram-po ô !

Misaotra Anao izahay noho ny anomezanao anay ny finoana an’i Jesoa Kristy Zanakao ka mandrehitra ny fon’ny Malagasy rehetra noho ny asan’ny Fanahy Masina.

Mandritra izao taon-jôbilin’ny Famindrampo izao dia tsy mitsahatra maneho fitiavana sy hamoram-po aminay Ianao.

Anio dia atokanay zanakao, ho Anao ny hoavin’i Madagasikara sy ireo mponina rehetra ao aminy, izay misedra karazam-pahoriana maro : ny tsy fanajana ny aina, ny fanalan-jaza, ny tsy fanajana ny zo mahaolona, ny tsy fandriam-pahalemana, ny habadoana, ny fitrandrahana tsy an-drariny ny harena voajanahary, ny fitiavam-boninahitra sy ny fitiavam-bola, ny kolikoly sy ny tsy rariny, ny fahatahorana ny marina, ny fankahalana sy ny valifaty, ny fanavakavahana amin’ny endrika maro samihafa.

Ankininay Aminao ihany koa ny ratram-po rehetra, ao amin’ireo iharan’ny herisetra sy ny fanolanana, ireo fianakaviana sy tokantrano misara-bazana, ireo mpivaro-tena sy ireo ankizy nilaozan-dray aman-dreny, ireo tokan-tena sy kamboty, ireo voafonja sy ireo tsy manan-kialofana, ireo mahantra tsy an’asa sy tsy manan-kohanina, ireo marary sy ireo rehetra izay Ianao irery ihany no mahalala ny fahoriany.

Ry Ray be famindrampo ô,

Sitrano ny halemenay, ataovy mahatsapa ny fahorian’ny hafa izahay ary havaozy ny fonay mba hahafahanay miara-maneho famantarana ny fanantenana vaovao.

Amin’ny alalan’ny vavak’i Masina Maria, Renin’ny Famindrampo, miaraka amin’i Masimbavy Faustine sy Masindahy Jean-Paul II ary ireo Olomasina sy Olontsambatra teratany izahay, no mitalaho ny Famindramponao – mba hiaina toy ny fianakaviana mifankatia anie ny mponina rehetra eto aminay.

Ry Ray mandrakizay ô!

Noho ny fijaliana mangirifiry niaretan’ny Zanakao sy ny nitsanganany ho velona, mamindra fo aminay, ho an’i Madagasikara sy ho an’izao tontolo izao. Amen

Eto am-pamaranana dia ho entintsika ambavaka koa ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny fifandraisana ara-diplomatika teo amin’i Vatikana sy Madagasikara.

Koa mirary antsika hiaina marina ny fiadanana sy hafaliana avy amin’i Jesoa Kristy Tompo amin’izao fidirana amin’ny tonon-taona vaovao hizorana any amin’ny Noely izao. Ary mirary antsika samy ho tratry ny taona vaovao 2017; ho taom-pahasoavana hitondra fihavaozana ho antsika mianakavy tokoa anie io taona vaovao io.

Mitsodrano anareo izahay Evekanareo !

Antananarivo faha 10 novambra 2016

Fahatsiarovana an’i Md Léon le grand.