Fihaonam-be nasiônalin’ny ankizy : any Morondava ny fotoana
Hotanterahina any Morondava ny 23 ka hatramin’ny 28 Aogositra 2017 ny andiany faharoa amin’ny Fihaonam-be nasiônalin’ny ankizy. “Ankizy Katolika miara-dia amin’i Masina Maria, mitondra ny namany mankany amin’i Jesoa” no lohahevitra iompanan’io hetsika io ary efa misokatra ny fisoratana anarana.
Handray ireo ankizy katôlika Malagasy ny diosezin’i Morondava
Ankizy 06 ka hatramin’ny 14 taona no afaka mandray anjara ary miandraikitra olona 10 ny mpanabe roa. 35.000 Ar ny saram-pivahiniana ho an’ny ankizy ary 40.000 Ar ho an’ny mpanabe. Nanomboka ny alarobia 01 martsa 2017 teo ny fisoratana anarana ary hifarana ny alarobia 31 mey 2017. Tsy maintsy alefa miaraka amin’ny lisitra ny saram-pisoratana anarana (10.000 Ar), ny fara-fandoavana ny saran-dasy feno kosa dia ny zoma 30 jona 2017. Marihina fa tsy mandray lisitra avy any amin’ny Paroasy na Distrika ny Foibe Nasiônaly fa izay lisitra alefan’ny Diosezy ihany no manan-kery.
>>> Fihaonam-ben’ny ankizy – Fisoratana anarana
Hisy ny T-shirt hiombonan’ireo mpandray anjara
Hisy ny tshirt iombonan’ny ankizy rehetra ary Polo ho an’ny mpanabe manerana ny Nosy, ka aty amin’ny Foibe no hanafarana izany. Tsara ny hananan’ny rehetra io fanamiana io mialohan’ny hahatongavana any Morondava mba hampilamina ny fitsinjarana azy. Tiana ny manamarika fa io Tshirt sy Polo io no hanaovana mandritra ny Sorona Masina famaranana ho mariky ny fiombonana. 6000 Ar ho an’ny ankizy, ary 12000 Ar ny an’ny mpanabe. Efa azo atao ny manafatra ny akanjo ilaina aty amin’ny Foibe Nasionaly ka alefa miaraka amin’ny isa ny vidiny.
Fandefasana ny vola
Azo alefa MVola amin’ny 034 09 423 17 ny saram-pivahiniana. Asiana frais hakana azy sady tsara raha miantso alohan’ny handefasana azy.
Raha banky no mety amintsika dia ity ny kaonty :
Compte bancaire “EPISCOPAT” MADAGASCAR
ECAR- Secrétariat Administratif BFV SG N° : 00003 21000 422820 20
>>> Raha hangataka fanazavana dia antsoy ny 034 09 423 17 (amin’ny ora fiasana) na mandefa mailaka amin’ny madavpka@gmail.com.