Fihaonam-ben’ny AFAFI-FET eto Madagasikara : amin’ny 6, 7, 8 novambra no fotoana !
Hisy ny fihaonamben’ny AFAFI-FET amin’ny 6, 7, 8 novambra 2015 ka samia miomana isika rehetra.
Araka ny fandaminana dia ny diosezin’Antananarivo no handray io fihaonana io.
Eo am-pandaminana ny pitsopitsony ny Foibe nasiônaly amin’izao fa ireto aloha no efa azo antoka :
– iaraka amin’ny AFAFI-FET ireo eveka rayamandrenintsika mandritra io fihaonana io ka isaorana mialoha azy ireo sahady ;
– hamangy ny AFAFI-FET eto Madagasikara ny tan-tsoratra iraisam-pirenena, mompera Frédéric Fornos ;
– ankoatry ny Sorona masina lehibe dia hisy fifampizaràna maro mandritra io fotoana io.
Samia ary miomana ary indrindra, eto am-bavaka ny fanomanana io fihaonam-ben’ny AFAFI-FET eto Madagasikara io.