Fiarahabana avy amin’i Mgr Désiré Tsarahazana, filohan’ny FEM
Loharano : Lakroan’i Madagasikara
Ry hava-malala ao amin’ny Tompo manerana ny Nosy,
Tonga indray ity ny fetin’ny Noely
Andriamanitra mihitsy no tonga miara-monina amintsika. Olona mitovy amintsika, iray petsapetsa amintsika. Fitiavana tapitr’ohatra
izany ary fanetren-tena tonga lafatra satria tsy hita tsirihina ny halalin’ny Famindrampony.
Ho an’ny olombelona rehetra tsy ankanavaka no nahatongavan’ilay Mesia. Ary na dia avo fipetraka aza Andriamanitra dia iva fijery araka ny fomba fitenintsika. Koa mifalia ary amin’izany fitiavany izany isika.
Izao anefa, maro amintsika malagasy ankehitriny, ny vahoaka tsy hita pesipesenina, valala tsy mandady harona, no mipitrapitra maso fotsiny, hany ka tsy afa-migoka izany hafalian’ny Noely izany akory.
Ao ireo madinika sy ireo atao tsindrio fa lavo ary hararaotina amin’ny fomba maro samihafa. Ao ireo mahantra sy fadiranovana zara raha mahita lamba hitafiana, hitoviana amin’ny hafa. Ao ireo kamboty sy ireo tsy misy mpahatsiahy, miandry Dadabe Noely isan’andro eo amin’ny fiainana. Ao ireo kilemaina sy marary fa zara raha mahita fitsaboana mifanaraka amin’ny zo maha-olombelona azy eo amin’ny fiainana. Ao ireo vao namoy havan-tiana ka manjombona ny andro amin’izao fotoana izao. Ary tsy vitsy ireo fianakaviana, ny hohanina anio tadiavina anio ka sitrany ahay vaza-mihetsika fa dia ny ampitso tokoa no hanahy ny ho azy.
Izao ry havana : tokony hanome lanja bebe kokoa ny Noely ny kristianina vita Batemy. Fa noho ny fikezahana ataontsika amin’izay toerana sy sehatra iainantsika andavanandro no mety ho tonga tsirim-panantenana ka hahatonga tokoa ny hafaliana vokatry ny fahatongavan’ny Mesia hipaka hatrany amin’ny fiainan’ny fiaraha-monina sy ao am-pon’ny tsirairay ka hananany toe-po sy toe-tsaina mahay mifampizara izany eo amin’ny fiaraha-monina sy eo amin’ny samy mifanila vodirindrina. Ka amin’izay vao ho azontsika antoka fa ny fahatongavan’ny Mesia dia hampanaiky ny tsirairay ho sahy hiatrika ny fiainana marina mba hanafoana ireo aretina mikiky antsika sy ny fiarahamonina misy antsika. Anisan’izany ny kolikoly, ny tsy fandriam-pahalemana, ny doro tanety sns sns.
Fa ny Noely koa manko dia midika ho famerenan’Andriamanitra amin’ny laoniny ny tena maha olona antsika.
Ka io Zaza teraka ao an-tranon’omby io no tena olombelona hotahafintsika. Ny toetrany tao Nazareta, ny fomba fiainany teo anivon’ny fianakaviana. Ny fahaizany mandaha-teny teo anivon’ireo olona manana ny maha-izy azy teo amin’ny fiaraha-monina. Ny fomba fampianarany, tsy mampitolagaga fotsiny fa fakan-tahaka ihany koa. Ary indrindra indrindra ny fanekena niainany teo anatrehan’ny Sitrapon’Andriamanitra Ray, izay naniraka Azy.
Tonga iray aina amintsika ny Zanak’Andriamanitra mba hanamasina antsika. Ka enga anie izao Noely ankalazaintsika isan-taona izao, hahatsapantsika marina tokoa fa mila miray Aina Aminy isika, ka Izy ho ao amintsika, isika ho ao Aminy.
Eto am-pamaranana dia miarahaba antsika rehetra tratry ny fetin’ny Noely ary mirary antsika mianakavy mba ho tratry ny Taona Vaovao 2017. Mba ho taom-pahasoavana sy ho taom-piovana vokatry ny ezaka nataontsika nandritra ny fankalazana ny Taonan’ny Famindram-pon’Andriamanitra.
Samia hotahian’Andriamanitra isika mianakavy.
Mgr Désiré TSARAHAZANA, Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara.