FET Miombona, mankalaza ny faha 100 taona !
Efa manana Lakroa AFAFI-FET sy T-Shirt faha-100 taona ve ianao ?
Araka ny efa fantantsika dia mankalaza ny taon-jôbily telo sosona isika eto Madagasikara nanomboka tamin’ny Fetin’ny Sakramenta Masina 22 Jona 2014 ary tsy hiafara raha tsy amin’ny volana Novambra 2015.
Koa mahafaly anay aty amin’ny Foibe Nasiônaly AFAFI-FET ny manentana antsika rehetra mba tsy hamela handalo fotsiny izany fotoan-dehibe izany, fa mba hanamarika araka izay azo atao.
Ho fiombonantsika AFAFI-FET manerana ny Nosy àry, dia entanina isika rehetra mba samy hanana ny Lakroa AFAFI-FET manerantany sy hampiasa ny T-SHIRT faha-100 taona amin’ny hetsika rehetra ataontsika mandritra ny taom-pankalazana.
Toy izao ny vidiny aty amin’ny Foibe Nasiônaly:
TSHIRT
6 ans, 8 ans, 10 ans, 12 ans : 5500 Ariary
S, M, L, XL: 6500 Ariary.
Lakroa AFAFI-FET : 1500 Ariary.
Fihenambidy ho an’izay maka maro !
Marihina fa ireo Diôsezy na Distrika na Paroasy maka 50 isa no mihoatra ho an’ny Tshirt dia mahazo fihenambidy 300 Ariary isaky ny Tshirt.
Ho an’ny Lakroa,kosa, dia mihena 100 ariary isaky ny Lakroa raha maka 50 isa no mihoatra.
Izany moa no atao dia mba ho fanohanana ara-bola ny fikambanantsika.
Azontsika atao tsara ny mivarotra ny Tshirt amin’ireo olona rehetra efa nandalo tato amin’ny FET ,ny Ray aman-dreny ary ireo Kristianina tsy ankanavaka mba ho fiombonan’izy ireo amintsika.
Koa araraoty fa tombony lehibe ho antsika izany, mba hampiroboroboana ny fikambanana.
Fifandraisana
Foibe Nasiônaly AFAFI-FET
Lot IVG 199 -Porte 38
Immeuble CNPC – Antanimena
Tél: 033 02 892 13 / 034 06 262 59
E-mail: fet_afafi@yahoo.fr