Fanolorana ny andro : hivavaka ho an’ireo nandao ny finoana isika
Fangatahana ho an’ny volana jolay 2017
Mba ho hitan’ireo izay nandao ny finoana kristianina indray, amin’ny alalan’ny vavaka ataontsika sy ny fijoroantsika ho vavolombelon’ny Evanjely anie, ny fisian’Andriamanitra manan-karena famindram-po sy ny hatsaran’ny fiainana kristianina.