Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina volana aprily 2018
« Mba hanana fahasahiana handà ny fanilikilihana sy ny fanavakavahana ireo mpandinika sy mpikirakira ny toekarena eran-tany, ka ho afa-manoritra lalam-baovao hifehezana ny toekarena ».
Na dia voazarazara ho firenena mahantra sy manankarena aza izao tontolo izao dia tsy misy afa-mihambo ho mahavita tena tanteraka eo amin’ny lafiny toekarena. Toa milaza izany fa na dia ireo firenena manankarena sy manan-katao aza dia miantehitra sy miandrandra ny fanampiana sy ny harenan’ireo firenena madinika. Ny zava-misy miharihary sy tsy azo lavina anefa dia lavitra loatra ny elanelana misy eo amin’ny tany mahantra sy manankarena, hany ka miteraka korontana sy tsy fandriampahalemana eto amin’izao tontolo izao izany. Tsy ny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ihany anefa no ahitana izay elanela misy ara-toekarena izay, fa eo amin’ny vahoaka iray firenena ihany koa. Iaraha-mahita sy mahalala, toy ny tafika andrefan-tanàna, ohatra, ny zava-misy eto amin’ny firenenantsika raha ny amin’io lafiny iray io sy ny elanelana misy amin’ny mahantra sy ny mpanankarena no jerena.
Tsy miafina intsony ny fanilikilihana sy ny fanavakavana ataon’ireo manan-katao amin’ireo mahantra. Ny firenena matanjaka sy manankarena hatrany no mibaiko ny toekarena eran-tany. Ireo firenena madinika sy mahantra kosa dia voatery an-kolaka na mivantana mihitsy aza tsy maintsy manaiky sy manaraka ny baiko sy ny drafitra apetrak’izy ireny; hany ka zary tsy mañana fahaleovantena amin’izay fitantanana sy fitrandrahana ny harena nomen’Ilay nahary azy izy amin’izany.
Ny Papa François, tamin’ny lahateny nataony nanoloana ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ny 13 Mey 2016, dia nanohina sy nampahatsiaro ny rehetra ny amin’ny tokony sy tsy maintsy hatao hiadiana amin’ny fanilikilihana sy ny fanavakavana ara-toekarena. Voakasik’izany voalohany indrindra ny ady atao amin’ny fahantrana, satria “ ny ady atao amin’ny fahantrana, hoy ny Papa, dia tsy olana ara-toe-karena fotsiny fa indrindra olana ara-moraly mihitsy, izay miantso ny fiaraha-mientana eran-tany sy ho fampandrosoana ny fifandraisana ara-drariny ho fitsinjovana ny tombontsoan’ny tsirairay sy ny besinimaro”. Ny fampianaran’ny Eglizy momba ny fiaraha-monina sy ny sosialy moa dia manasongadina manokana fa misy lafiny moraly ao amin’ny fihariana ara-toekarena. « Ny harena, na dia ara-drariny aza ny fananana azy, dia mitana mandrakariva ny atao hoe : natao ho an’ny olona rehetra izy; koa mifanohitra amin’ny moraly ny fanangonan-karena rehetra tsy ara-drariny, satria mitsipaka ny lahatr’Andriamanitra Mpahary milaza fa natao ho an’ny olona rehetra tsy an-kanavaka ny harena rehetra » (Fampianaran’ny Eglizy momba ny fiaraha-monina sy ny sosialy, “Ny fiainana ara-toekarena”).
Koa adidin’ireo mpahay sy mpikirakira toekarena, noho izany, ny mandala ny fahamarinana sy mizotra amin’ny ara-drariny eo amin’ny tontolon’ny fiharian-karena faobe, ka hikatsaka sy hikaroka hatrany izay lalana sy fomba vaovao hitantanana sy hifehezana ny harena nomen’Andriamanitra ny olombelona. « Fa noarîna ho an’ny olombelona ny zavatra rehetra eto ambonin’ny tany, mba hanampy azy hanatratra ny tanjona naharian’Andriamanitra azy » (Md Ignasy avy any Loyola, Fampiasam-panahy Lah.23).