Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – oktôbra 2019
« Mba hahazo aim-baovao avy amin’ny Fanahy Masina anie ny asa fitoriana ao amin’ny Eglizy »
Afantoky ny Papa Ray Masina amin’ny asa fitoriana eo anivon’ny Eglizy ny fangatahana iarahan’ny vita Batemy rehetra manandratra, amin’Ilay Andriamanitra Ray be fitiavana, mandritra ity volana ity. Ity volana Oktôbra ity tokoa mantsy no natokan’ny Ray Masina hiombonam-bavaka manokana amin’ny Eglizy manontolo ho fampiroboroboana ny Asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly. Hoy indrindra ny Ray Masina manentana antsika amin’izany : « Nangatahiko ny Eglizy manontolo hiaina fotoana manokana hanao misiona miavaka amin’ny volana oktôbra 2019… ».
Ny fanosorana sy ny Fanahy Masina noraisina tamin’ny Batemy no maniraka antsika ho mpitory ny Vaovao Mahafaly, amin’ny maha mpaminany sy mpisorona manjaka antsika miaraka amin’i Kristy. Ny vita Batemy rehetra no mirafitra ho Eglizy Iraka manohy ny asan’i Kristy. « Vita Batemy sy irahina : ny Eglizin’i Kristy manatanteraka Iraka eo anivon’izao tontolo izao », hoy ny lohatenin’ny hafatry ny Papa François amin’izao volana natokana ho an’ny Misiôna izao. Manampy antsika ny Ray Masina, amin’ny alalan’ny hafatra ambarany « hahita ny hevitra misioneran’ny fidirantsika ao amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy, finoana noraisina maimaim-poana toy ny fanomezana tamin’ny Batemy ». Noho izany, tsy ny Eveka na ny Pretra ihany tsy akory no iantefab’ny hafatry ny Papa fa ny kristianina vita Batemy tsy ankanavaka mihitsy.
Taorian’ny nitsanganany ho velona dia naniraka ny mpianany i Jesoa hitory ny Vaovao Mahafaly amin’izao tontolo izao. Io no adidy voalohany amin’ny Fiangonana. Raha manadino izany izy dia kristianina mikombona amin’ny tenany fotsiny ihany, tsy misokatra amin’ny hafa. Ny asa nanirahana azy dia ny hanampy ny hafa hahita ny hafalian’ny Fitsanganan’i Kristy ho velona eo anivon’ny hafaliana sy ny alahelon’ny olombelona. Tsy resaka fandresena lahatra na fananganana kolontsaina fa fanampiana ny tsirairay hahita ny tena hafaliana ao anatiny. Resahin’ny Papa ombieny ombieny io « Hafalian’ny Evanjely « io amin’ny fampianarana sy ny hafatra avelany.
Ao amin’ny « Videôn’ny Papa » amin’ity volana Oktôbra ity, dia mitodika amin’ny katôlika rehetra tsy ankanavaka ny Papa mba hananan’izy ireo indray ny toe-po amam-panahy misiônera ka « handray fanamby amin’ny fitoriana an’i Jesoa Nitsangan-ko velona amin’ny manodidina azy, ny tontolon’ny fiaraha-monina amana kolontsaina mbola vahiny amin’ny Evanjely ». « Tsiahivintsika indray, hoy izy, fa ny Fon’ny Iraka tontosain’ny Eglizy dia ny vavaka ».
Izany no ivavahantsika manokana sy anentanan’ny Papa antsika amin’izao volana natokana ho an’ny Misiôna izao : « mba hahazo aim-baovao avy amin’ny Fanahy Masina ny Asa fitoriana ao amin’ny Eglizy ».
Narisoa sj