«

Oct 01

Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – oktobra 2018

« Mba havitrika ireo mpanokantena ka hanana herim-po hanampy ny mahantra sy ireo atao anjorombala ary ireo tsy mba afa-miteny ».

Hatrany ampiandohan’ny Fiangonana no efa nisy lehilahy sy vehivavy nanolo-tena hanaraka ny torohevitry ny Evanjely, mba hanarahany dia an’i Kristy sy hakany tahaka Azy tanteraka ary hanokanany ny tenany ho an’Andriamanitra samy araka ny fombany avy. Maro tamin’izy ireny no notoroan’ny Fanahy Masina hevitra ka nanorina fikambanan-dRelijiozy izay noraisin’ny Fiangonana tokoa sy nankatoaviny. Samy manana ny fanomezam-pahasoavany avy izy ireny, arakaraka ny mpanorina azy, izay nahafahan’ny Fiangonana nanao asa soa isan-karazany (2 Tim 3, 17) sy nahavonona azy hanao ny raharaha masina rehetra handrafetana ny Vatan’i Kristy.

Izay rehetra antsoin’Andriamanitra hanaraka ny torohevitry ny Vaovao Mahafaly dia manara-dia an’i Kristy madio sy mahantra, ka manokan-tena amin’ny Tompo amin’ny fomba miavaka. Asesiky ny fitiavana izay arotsaky ny Fanahy Masina ao am-pony bebe kokoa hatrany izy ireny. Noho izany dia arakaraka ny iraisany amin’i Kristy amin’ny fanolorany ny tenany eo amin’ny fiainany manontolo no mahavokatra ny asa famonjena ataony.

Irina mba ho bebe kokoa amin’izao vaninandro ankehitriny izao ny soa azon’ny Fiangonana sy ny mpiara-belona avy amin’ny fiainana lavorary sy ny zotom-po arahin’ireo mpanokantena, manaraka ampahibemaso ny torohevitry ny Vaovao Mahafaly, sy avy amin’ny asany tena ilaina vokatr’izany.

Tsy vitsy amin’ireo fikambanan-drelijiozy na ireo mpanokantena no miasa ho an’ireo mahantra niangaran’ny vitana sy ireo atao anjorombala, ka mahafoy andro sy fotoana, eny fa hatramin’izay ananany aza, ho famonjena ireo mpiara-belona aminy. Tsy ny relijiozy ihany anefa no manokantena hikarakara ireo mahantra sy niangaran’ny vintana ireo fa maro koa ireo fikambanana mpanao asa soa sy lahika manolotena hiasa maimaim-poana amin’ireny sehatra na toby fikarakarana ireny karazan’olona ireny ary tena manao ny ainy tsy ho zavatra tokoa.

Ombieny ombieny ny Papa François dia tsy mitsahatra ny mankahery sy manohana am-bavaka ary manoro hevitra ireny Fikambanana mpanao soa ireny, na lahika izany na Relijiozy. Amin’izany dia izy mihitsy no manome ohatra voalohany hita maso amin’ny alalan’ny fitsidihana izay ataony amin’ireny toby onenan’ny mahantra sy ny mpitsoa-ponenana ireny. « Ny fanomezantsika sy ny fahafoizantsika manontolo ao anatin’ny fanompoana ny Eglizy, ny fianakaviana, ny tanora, ny zokiolona, ny mahantra, hoy ny Papa, dia tontosaintsika amin’ny maha olombelona sy manome ny hafenoana eo  amin’ny fiainantsika ». Hoy kosa i Mb Thérèse de Calcuta hoe : « Ny fitiavana no tokony ho anton’ny fahafoizana ». Ny fahafoizana, noho izany, dia fanazaran-tena handresy ny fitiavan-tena ka hampisokatra ny maso hahita ny endrik’i Kristy ao amin’ireo mahantra sy niangaran’ny vintana tsy mba afa-miteny.

Tsy mora anefa izany hahita ny endrik’Andriamanitra izany ao amin’ny mahantra sy ny fadiranovana. Tsy mora ny hifofotra hanasoa sy hamelona ny mahantra, indrindra ireo tsy raharahian’ny havany, mitsoa-ponenana, ahilikiliky ny fiaraha-monina raha tsy miankina sy miantehitra amin’ny fahasoavan’Andriamanitra. Entintsika am-bavaka amin’ny fanolorana ataontsika isan’andro ireny olona manokana ny fiainany ho fanasoavana ny mpiara-belona ireny, araka ny famporisihana ataon’ny Papa antsika.