«

Nov 01

Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – novambra 2019

Mba hanjaka any Proche-Orient, izay faritra misy ireo samihafa finoana maro miara-monina anie ny fifanakalozan-kevitra, ny fifampizaràna ary ny fampihavanana.

Fandrentsika matetika amin’ny haino aman-jery sy ny fampahalalam-baovao isan-karazany i Proche Orient izay faritra malaza sy manan-tantara eo anivon’izao tontolo izao, na eo amin’ny lafiny toekarena sy fandriampahalemana izany, na eo amin’ny ara-pivavahana. Tsara ihany anefa ny mba hahalalana hoe : iza avy moa ireo firenena ao anatin’izany faritra malaza izany ? Ireto avy izy ireo : Chypre, Égypte, Irak, Israël, Jordanie, Liban, Syrie ary Turquie.

Raha eo amin’ny ara-pivavahana no jerena dia anisan’ny mampiavaka an’ity faritra manan-tantara ity ny fisian’ireo karazam-pivavahana lehibe sy matanjaka eto ambonin’ny tany, toy ny fivavahana kristianina, ny jiosy sy ny fivavahana silamo. Ankehitriny dia ireo mpanaraka ny fivavahana silamo no maro an’isa indrindra raha jerena indray mitopimaso, fa raha ao Israely kosa dia ny mpanaraka ny fivavahana jiosy no betsaka ; ny kristianina kosa dia vitsy amin’ny ankapobeny afa tsy any Chypre sy Arménie.

Mitodika amin’ireo firenena any Proche Orient ireo indrindra ny fangatahana anentanan’i Papa François antsika mandritra ity volana ity. Voakasika manokana amin’izany ny lafiny ara-pivavahana izay mitana anjara toerana lehibe amin’ny sehatra maro ara-pifandraisana sy filaminana amin’iny faritra midadasika iny. Ny zava-misy mantsy,hatramin’ny taon-jato maro, dia ny fifampiandaniana sy ny fifandrafesana eo amin’ny samy antokom-pivavahana no toa hita misongadina ety ivelany.

Manoloana izany indrindra, ny Papa amin’ny maha Filohan’ny Eglizy sy mpampianatra ny finoana azy, dia tsy mitsahatra ny mankahery sy mampianatra ny zanany  hizotra amin’ny lalan’ny fahamarinana atoron’ny Vaovao Mahafaly.  Iray fianakaviambe manko ny olombelona rehetra, ladim-boatavo ka iray fiaviana, satria ny taranak’olombelona tsy vakivolo dia nataon’Andriamanitra hiray fonenana eto amin’ity tany ity. Ireo Papa nifandimby, hatramin’ny Konsily Vatikana II no mankaty, dia samy nanao ezaka mba ho amin’ny fifanatonana sy fiaraha-midinika amin’ny samy karazam-pivavahana mba hisian’ny fihavanana sy ny fandriampahalemana, ao anatin’ny fahasamihafana sy ny maha izy azy avy.

Hoy ny Konsily Vatikana II manambara ny fanajany ireo karazam-pivavahana misy : « Tsy manifika izay mety ho marina sy masina amin’ireny fivavahana ireny ny Fiangonana Katolika, fa dinihiny amim-panajana lehibe na ny fomba fiaina na ny fitsipika amam-pampianarana »(Konsily Vatikana II, Ny fifandraisana amin’ny Fivavahana Tsy Kristianina, n.2).

Ny Papa Joany Paoly II, tamin’ny 27 Oktobra 1986, dia nampiantso fihaonam-be ho an’ny mpitarika avy amin’ireo  karazam-pivavahana misy eran-tany, natao tany Assise Italia, nanehoana indrindra ny fifankatiavana sy ny firahalahiana mba hampanjakana ny fahamarinana sy ny fiadanana eto amin’izao tontolo izao. 25 taona taty aoriana dia mbola nanamafy izany ihany koa ny Papa Benoît XVI tamin’ny fanohizana io fihaonam-bem-pirahalahiana io.

Toraka izany koa ny Papa François, tamin’ny 20 Septambra 2016, raha nankalaza ny faha 30 taona nisian’io fihaonam-be io dia nanantitrantitra hatrany ny firaisan-tsaina sy ny fiombonana ao anatin’ny fahasamihafana mba hisian’ny fiadanana marina eto amin’izao tontolo izao, araka ny lohahevitra tamin’izany hoe : « Mangetaheta fiadanana ». Hoy indrindra mantsy ny Papa François raha namarana ny lahateniny : « Izao fihaonam-pirahalahiana izao anie hanamafy ny ezaka ataontsika mba hiaina am-pitoniana sy hampisandrahaka ny tsodranon’ny fiadanana ».

 

Narisoa sj