Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – jona 2019
« Mba hiara-mientana amn’ireo tena mahantra, amin’ny alalan’ny fahononan-tena sy ny fanetren-tena eo amin’ny fiainany anie ny pretra ».
Fantatsika loatra fa ny hanolotra Sorona Masina sy hizara Sakramenta ho an’ny kristianina no Iraka fototra maha pretra ny Pretra. Ny fangatahan’ny Papa anefa eto dia tsy miresaka na milaza mivantana momba io Iraka manokana na asa fanompoana maha Pretra io. Tsy manantitrantitra ihany koa anefa hoe : inona no mampiavaka azy ireo amin’ny hafa, fa manambara kosa ny fomba fiainana sy ny firaisankina ary ny fifandraisana amin’ny rehetra, amin’ny olona tsy an-kanavaka. Ny mpiandry ondry, hoy ny Papa François mampahatsiahy, dia tokony hahafantatra ny fofon’ny ondriny. Ny fahononan-tena sy ny fanetren-tena mbamin’ny fiaraha-mientana amin’ny tena mahantra, izany no tokony ho hita taratra amin’ny fiainan’ny kristianina tsirairay eo anivon’ny fiarahamonina sy ny tontolo misy azy. Ny angatahina amin’ny Pretra, ary ho an’izany indrindra no ivavahantsika ho azy ireo, dia mba ho fakan-tahaka ho an’ny kristianina izy ireo amin’izany toe-piainana izany sy ny fitiava-namana mbamin’ny asa fiantrana. Afaka hahatsapa anefa ny tsirairay, fa amin’ny alalan’ny vavaka ataony ho an’ny Pretra dia sady mivavaka ho an’ny tenany izy amin’izany no mivavaka ihany koa ho an’ny fiaraha-miainan’ny Eglizy ao anatin’ny fiombonany sy ny firaisany.
Ny Pretra ao amin’ny Eglizy katôlika dia tsy mba avy amina foko manokana toy ny ao amin’ny Testamenta Taloha izay avy amin’ny fokon’i Levỳ : avy ao anivon’ny vahoaka izy ireo. Mitoetra mandrakariva ao amin’ny Pretra ny maha olona voahosotra sy voatokana azy ao amin’ny Eglizy, fa adidin’ny kristianina kosa ny mitrotro azy ireo am-bavaka. Fa voantso ihany koa ny Pretra, amin’ny maha voatokana azy ireo, hiaina am-pirahalahiana miaraka amin’ireo tena mahantra, amin’ny vahoaka tsy mandady harona, ao anatin’ny fanetren-tena sy ny toe-tsaina mahay mionona araka ny fiantsoana manandrify azy. Ny fangatahana amin’ity volana ity dia sady manentana ny kristianina hivavaka ho an’ny Pretra, no mampahatsiahy azy ireo mangina ny tokony hataony.
Ny fahononan-tena sy ny fanetren-tena eo amin’ny fiainana dia miteraka firahalahiana mavitrika amin’ny tena mahantra. Izany toe-po amam-panahy izany dia lalana iray mitondra sy mampihaona amin’i Kristy. Fa tonga mahantra Izy, teraka tao amin’ny fihinanam-bilona, ary tsy mba nanana vato hampandriany ny lohany. Ny voninahiny dia ny ho faty am-panetren-tena eo ambony Lakroa. Hoy indrindra Izy raha nanomboka nampianatra ny Apôstôly : « Sambatra ny mahantra ao am-po, fa azy ny Fanjakan’Andriamanitra ». Isika rehetra no tsy maintsy mahatsapa izany noho ny Batemy noraisintsika.