Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – desambra 2019
Mba hataon’ny firenena tsirairay ho laharam-pahamehana anie ny hoavin’ny ankizy, indrindra ireo mijaly
Mifototra indrindra amin’ny hoavin’ny ankizy ny fangatahana ampanaovin’ny Papa mandritra ity volana ity. Manentana ny vita Batemy rehetra tsy ankanavaka izy amin’izany hiombom-bavaka aminy amin’ny Fanolorana atao isan’andro, amin’ny Fo Jesoa be fitiavana, « mba hanao ho laharam-pahamehana ny hoavin’ny ankizy ny firenena tsirairay, indrindra ireo mijaly ».
Ny firenena tsirairay mihitsy no voakasik’izany. Azontsika atao tokoa mantsy ny mijery amin’ny alalan’ny sary an-tsaina ny zava-misy eran-tany ankehitriny, ka mahita ireo ankizy marobe araka ny fahasamihafana iainany avy. Ao ireo any amin’ny firenena tatsinana sy tandrefana, ireo monina amin’ny faritra mafana na mangatsiaka, ireo any amin’ny tanan-dehibe na ambanivohitra. Samy araka ny fomba fitafy sy zava-misy iainan’ny fianakaviany avy izy ireny : ao ny mianoka ao anaty harena sy fahampiana, ao kosa ny zara raha mahita hohanina sy hitafiana ; ao ny misy mpanohana, fa ao koa ny irery tsy mba misy mijery akory ; ao ireo mianatra ara-dalàna any an-tsekoly, fa ao koa ireo tsy mba mahita afa tsy ny lalam-be ho trano fianarany ; ao ireo marary tsy mahita fitsaboana fa ao koa ireo salama sy tomady, sns…
Ny ankizy no fifaliana sy ho avin’ny izao tontolo izao, harena ho an’ny firenena tsirairay. Izany no mahatonga ny hoavin’ny ankizy ho laharam-pahamehana ka anentanan’ny Papa François ny hiahiana sy hiarovana ny fiainan’izy ireny. Betsaka mantsy ankehitriny ny manararaotra sy manao ankeriny ny ankizy ka maha folaka an-dantony azy ireny. Toa fahita hatrany ny lesoka sy ny tsirambina amin’ny fanabeazana, na eo anivon’ny fianakaviana izany na eo anivon’ny fiarahamonina. Etsy an-danin’izany koa ny fihanaky ny haino aman-jery isankarazany izay manapotika ny toetsaina amam-pahendrena ankehitriny, ka miantraika amin’ireo ankizy sy ny taranaka any aoriana.
Eo am-piomanana hankalaza ny nahaterahan’ny Mpamonjy isika no mitondra am-bavaka ny ankizy rehetra mijaly tsy ankanavaka eran-tany. Vao teraka i Jesoa dia efa nanakoako ny filazana ny Fijaliana izay hiombonan’i Maria Reniny Aminy. Tonga sesintany tany Ejipta izy, nefa nekeny izany mba hahatanteraka ny famonjena. Nisolo vaika Azy ireo ankizy marobe novonoin’i Heroda, fa zary famonjena ho an’izao tontolo izao kosa ny rà nafoin’izy ireny. Azo tarafina ao amin’ny tantaran’i Jesoa tao Betilehema ny anjara hiantefa amin’ireo ankizy rehetra eran-tany.
Raha marina fa tsy hafaliana ho an’ny ray aman-dreny niteraka ihany, fa ho an’ny Fiangonana sy ny fiaraha-monina ny ankizy, dia marina koa ankehitriny, indrisy, fa misy ankizy marobe any amin’ny toerana samihafa any, mijaly sy tandindomin-doza, miaritra ny hanoanana sy ny fahoriana, matin’aretina sy mosary, matin’ny ady, arian’ny ray aman-dreniny ary tsy manan-kialofana sy tsy mba manana fianakaviana. Fomba ahoana moa no tsy handrenesana mangirifiry amin’izany fijaliana mahazo ny ankizy maro izany ?
Hiombona amin’ny Papa Ray Masina àry isika hitondra am-bavaka manokana ny ankizy rehetra tsy ankanavaka eran-tany, amin’izao volana natokana ho azy ireo hankalazana ny nahaterahan’i Jesoa Mpamonjy izao, indrindra ho an’ireo mijaly sy tsy misy mpiahy. Manentana ihany koa amin’ny fiahiana ara-pivelomana sy fandraisana an-tanana ny hoavin’izy ireny fa ao amin’izy ireny ny endrik’i Jesoa.
Narisoa sj