Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – aprily 2020
Mba hahazo fanampiana sy fanohanana amin’ny ezaka ataony anie ireo te hiala amin’ny filàna mangeja isan-karazany.
Anisan’ny loza lehibe mandrava sy manapotika ny fiainan’ny olombelona ny fahazaran-dratsy izay miteraka filàna mangeja, mitondra mankany amin’ny fiankinan-doha. Rehefa tsy voafehy intsony mantsy ny filàna ao anatin’ny saina amam-batan’ny olombelona ao, dia mitarika azy ho any amin’ny fiankinan-doha amin-javatra izay iantefan’ny filàny. Maro ankehitriny ny olona tafalatsaka ao anatin’izay fiankinan-doha izay, ary tsy ny tanora ihany fa hatramin’ny olon-dehibe koa aza. Inona moa ireo karazana filàna na fiankinan-doha manimba sy mitera-doza ireo : ny fisotroan-toaka, ny fidorohana zava-mahadomelina, ny fijangajangana, filokana sns ; fa mety ho fiankinan-doha ihany koa, ny fijerena tahitalavitra tafahoatra, ny internet, ny fanaovana facebook tsy voafehy na tsy voalanjalanja. Ny hatendan-kanina sy ny filerana ihany koa aza, araka ny voalaza ao amin’ny fahotana fito fototry ny hafa, dia azo lazaina fa filàna diso tafahoatra ka miteraka fahotana sy haratsiana maro.
Tsy vitsy ny olona ankehitriny, hoy isika, no tafalatsaka ao anatina fitongilanana na fiankinan-doha toy izany. Ny tena loza anefa dia tsy mijanona ho an’ilay manana io fironana io ihany ny vokadratsiny fa miantraika amin’ny hafa sy ny fiaraha-monina manodidina mihitsy. Toy ny virus ka manimba fiaraha-monina. Toa zary potika ny toetra soa sy ilay endrika itovizana amin’Andriamanitra. Toa tsy manam-pahafahana intsony fa voageja ao anaty fitiavan-tena.
Na izany aza dia misy ihany ny mahatsapa tena fa tafalatsaka anaty hantsana, diso lalana, ka te hanao toy ilay zaza mpandany, hiverina an-tranon-dray. Te hioitra sy hiezaka hanarina ny toe-piainana ; hiala amin’ny fahazaran-dratsy sy ny fiankinan-doha mamohehatra. « Ato anaty hantsana aho, Tompo, no miantso Anao ; Tompo ô, henoy izany feoko », hoy ny Salamo faha 129. Maro amin’ireny olona ireny no te ho afaka amin’izany fahazaran-dratsy izany, nefa tsy afaka, fa sarotra ho azy ny miala satria efa tafalatsaka anaty loatra, ka mila olona hanampy.
Adidin’ny tsirairay, ny vita Batemy, ny tsara sitrapo rehetra, indrindra fa ny Eglizy, ny manampy azy ireny hiala amin’ny filàny sy ny fahazaran-dratsiny ; mba hotafarina indray ka hanjary olona afaka toy ny rehetra.
Izany no anentanan’ny Papa Ray Masina antsika amin’ny fanampiana azy ireny, ary tsy ny hitrotro am-bavaka fotsiny, fa hanana fahasahiana hanarina azy indray, na ara-torohevitra izany, na ara-toetsaina. Hitantsika fa ny Papa Fransoa mihitsy no manome ohatra velona ho antsika amin’ny fanatonana sy fankaherezana ireny olona ireny, na amin’ny hafatrafatra sy ny fampianarana ataony izany, na amin’ny fanampiana ara-nofo ihany koa. Hoy indrindra izy, ao amin’ilay atao hoe « vidéo du Pape », raha manentana ny olona ny amin’izany : « Ataoko fa tsy isalasalana ny nandrenesanareo ny amin’ny resaka fiankinan-doha. Ary moa mba heverinareo ihany koa ny fiankinan-doha amin’ny filokana, ny sary mamoafady, ny internet sy ny voadratsy ateraky ny elanelana virtoaly ? Amin’ny alalan’ny Evanjelin’ny Famindram-po no ahafahantsika manamaivana sy mitsabo ary manasitrana ny fijaliana mifandray amin’ireo fiankinan-doha vaovao ireo. Mivavaka àry isika mba hahazo fanampiana sy fanohanana amin’ny ezaka ataony ireo te hiala amin’ny filàna, ny fiankinan-doha mangeja isankarazany » (Vidéo du Pape, mois d’Avril 2020).