«

»

Nov 02

Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – novambra 2018

« Mba ho teny feno fitiavana sy fifanakalozan-kevitra mandrakariva no hanjaka eo amin’izao tontolo izao fa tsy ny fampiasana fitaovam-piadiana ».

 Ny fiainam-pinoana dia sekolin’ny fo ihainoana ny tena mba hialana amin’ny hevitra mamitaka izay manimba ny ankohonana sy ny fiaraha-monina.

Manako eran-tany ny fitaovam-piadiana; zary akon’ny fon’olombelona tsy tompon’ny tenany intsony. Avo feo izy ka manakona ny feon’ny olombelona. Herisetra no rivotra iainana. Baikon’ny herisetra hatramin’ny rafi-pisainana sy ny fiharian-karena. Ny herisetra no zary sekoly ianarana ny fiainana ary sempotry ny fianarana herisetra any amin’ny fiaraha-monina ny fanabeazana an-tsekoly. Mianatra ny paikady hiainana ao anatin’ny heritsetra ny olona fa tsy mianatra ny fomba hiadiana aminy sy hisorohana azy.

Tsy ampy ny fihainoana ny zava-misy sy ny fiezahana hanavaka ireo rafi-pisainana samihafa mambabo avy hatrany ny fo. Mahery loatra ny fironana be fahatany ka zary resaka manakorontana no ifanaovan’ny mpiara-belona. Tsy ampy ny fifanakalozan-kevitra sy ny fihainoana ny hafa amim-paharetana ary ny fandalàna ny marina.

I Jesoa niara-nonina tamintsika anefa dia mampianatra antsika ny tena olombelona. Izy no mampianatra antsika ny famindram-po miorina amin’ny fitiavana. Ilay Zanak’Andriamanitra no mampianatra antsika ho tena zanak’Andriamanitra miaina ny finoana. Ary ny lalan’ny mpino dia tsy hafa fa ny lalan’olombelona ihany. Ka ny fijaliana sy ny fahafoizana ny aina toy ny nataon’i Jesoa no lalana tokana mazava. Ny lalan’ny fon’olombelona manatratra ny hafenoana dia ny dia ataon’ny olombelona mankany amin’Andriamanitra loharano sy fototry ny hasambarany.

Ny Fo Masin’i Jesoa dia tena Sekolin’ny fo. Izy no mampianatra ireo hatsaram-panahy ifandraisana amin’ny hafa hatramin’ny fitiavana ny fahavalo (Mt 5, 44). Ny Fon’i Jesoa nizaka ny fijaliana ihany no mampianatra hahalala sy hangoraka ny halemena sy ny fetran’ny hafa, eny fa na dia izay heverina tokony ho mahalala aza. Mety ho ambony indrindra mantsy ny tsy fahalalan’ny olombelona, indrindra ny an’ny tena. Izy no mampianatra antsika hitarika ny hafa amin’ny lalan’ny fahalavorariana fa tsy hitsara sy hanameloka azy. Tokony hodinihina mandrakariva ny tenin’i Jesoa tamin’i Piera manao hoe: “Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao” (Mt 26, 52).

Ny fon’ny olombelona ihany no afaka mamokatra fiadanana ary ny teny voafantina no afaka mampiray. Mampisara-bazana sy miteraka fahoriana mandrakariva ny fampiasana fitaovam-piadiana. Isika olombelona ihany no afaka tsy manaiky ho resin’ny ratsy fa mandresy ny ratsy amin’ny tsara (Rm 12, 21). Io no fitaovam-piadiana tsara indrindra. I Mamera Terezà dia nampianatra izany raha nilaza hoe: “Fa isika kosa dia tsy mila baomba na fitaovam-piadiana, satria ny fitiavana ihany no fitaovam-piadiana ho antsika”.

Koa mba ho araka ilay fo napetrak’Andriamanitra tao anatin’ny olombelona tamin’ny namoronany azy fa tsy araka ny famolavolavolan’ny kolontsaina sy ny firehana samihafa ety ivelany no hiainana. “Tsy ny avy ety ivelany, hoy i Jesoa, no mandoto ny olona fa ny avy ao anatiny (Mk 7, 21).

Ny fahavarana mihaino ao anaty ny fitenin’ny fo no azo andrefesana ny fahalalana ny tena. Ny fahazarana mibanjina an’i Jesoa ao amin’ny Evanjely no andrenesana ny fitepon’ny Fony sy hianarana Azy amin’ny fifandraisana amin’ny hafa. Ka ny fiteniny sy ny fihetsiny ary ny ataony rehetra dia mamaritra ny lalan’ny fo tokony hizoran’ireo mpanara-dia Azy.