Fanambaran’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara
Ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara, soloin’ny Filohany SE Mgr Désiré Tsarahazana, Arsevekan’i Toamasina, ny Filoha lefitra, SE Mgr Fabien Raharilamboniaina, Evekan’i Morondava ary ny Sekretera Jeneraly SE Mgr Jean Claude Randrianarisoa, Evekan’i Miarinarivo, tena, dia manao fanambarana manoloana ireo fanafihana mitam-piadiana mampivarahontsana, narahina herisetra ara-batana mifono habibiana, izay nihatra tamin’ireo ankohonampiainan-drelijiozy lahy sy vavy teto amin’ny Firenena tato ho ato, indrindra izay vao nitranga tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo.
Ny fivondronamben’ny Eveka dia manameloka tanteraka izany asan-jiolahy feno habibiana izany ary mangataka amin’ireo rehetra ao amin’ny fitondram-panjakana, manana andraikitra amin’ny fiarovana ny vahoaka, mba handray fepetra hentitra kokoa, hanafoanana ny tsy fandriam-pahalemana mihanaka manerana ny firenena manontolo.
Izahay Eveka izay mitondra ny feon’ny Fiangonana manontolo eto Madagasikara dia maneho fankatoavana ny asa fanompoana tanterahan’ireo karazam-pikambanan-drelijiozy lahy sy vavy an-kafanam-po sy fahafoizan-tena tanteraka ho an’ny vahoaka malagasy, indrindra eo amin’ny sehatry ny fanabeazana, fahasalamana ary amin’ny fikarakarana ireo mahantra sy fadiranovana. Mankahery an’ireo nanokan-tena rehetra ihany koa mba tsy hiraviravy tanana fa hanana faharetana hanohy hatrany ny asa fampandrosoana ny firenena, entanin’ny fahatsapana ny fanohanan’ny maro.
Izao fankalazana ny Paka efa antomotra izao anie hitondra ny fankaherezana, fanantenana, fahazavana ary aina vaovao ho an’ny vahoaka malagasy manontolo.
Natao teo Antananarivo ny 3 avrily 2017
Loharano : Lakroa.mg