Fampiasam-panahy : herinandro faharoa
Ny Fibanjinana ny misterin’ny fiainan’i Kristy no saika mameno ny Herinandro faharoa. Io Fibanjinana io no mitarika ny mpanao Fampiasam-panahy hahalala bebe kokoa an’i Kristy ka hanahafany sy hanarahany dia Azy. Safidy irosoana eo amin’ny fiainana. Fibanjinana ny zava-miafina ao amin’ny Fahatongavan’i Kristy ho Nofo : manomboka amin’ny Filazan’ny Anjely, mitohy amin’ny Fahaterahan’ny Mpamonjy sy ny Fahazazany, hatramin’i Jesoa niseho ampahibemaso, nitoriteny sy nanasitrana ka hatramin’ny fiakarany any Jerosalema tamin’ny andron’ny Sampakazo.
Asaina mandinika ny vinavinan’i Kristy ilay manao laretirety, dia Izy ilay miantso ny tsirairay hiara-miasa Aminy, mba hamerina ny fanjakany indray ary hamonjy ny olony. Mipetraka amin’ny fomba hafa ilay fanontaniana hoe : Inona no tokony hataoko ho an’i Kristy ? Mahatsapa ilay manao Fampiasam-panahy fa mpanota nahazo famelana, ary mbola ametrahan’ny Tompo fitokisana ka antsoiny hiara-miasa aminy amin’ny fanavotana izao tontolo izao, hany ka manolo-tena amin-kalalaham-po izy miasa miaraka amin’i Kristy.
Ny fanaovana Safidy, izay ho toe-piainana harahina, no hamaranan’ilay manao ny Fampiasam-panahy ny Herinandro faharoa, rehefa voaomana tsara tamin’ireo Fibanjinana sy Fandinihana ny fo amam-panahiny.
Tsy ny fanontaniana hoe « Inona no hataoko ho an’i Kristy ?» intsony no mamarana ny Hrinandro faharoa, fa efa mahafantatra tsara izao ilay manao ny Fampiasam-panahy, ka « mirotsaka miaraka amin’i Kristy », satria efa nibanjina naharitra ny fomba fiainan’i Kristy nandritra ny fiainany.
Ny Fifandraisan’ny Herinandro faharoa amin’ny Dingana II n’ny EKA
Ao amin’ny Evanjely no ahafahana mibanjina sy mamantatra ary mahalala ny fiainan’i Kristy. Ato amin’ny fiainan’ny EKA kosa dia « Ny Evanjely no rakitra masina atolotry ny Fiangonana manao Dingana faharoa. Efa nanao ENY tamin’i Kristy teo am-pamaliana ny antsony sy teo am-pifidiananaAzy izy, ka tsy maintsy miezaka hahalala Azy sy ho tia azy bebe kokoa » Torolalana p. 47-48).
Mifandraika indrindra amin’ny Herinandro faharoa ny Dingana faharoan’ny EKA satria mifantoka indrindra amin’ny fomba fivavaka, ny fianarana mibanjina, ny famakiana ny Soratra Masina mba hahafahana mahalala akaiky an’i Kristy sy manara-dia azy ka misafidy ny hiara-dalana Aminy.