Fantaro ny Ekipa Kristianina Ankehitriny
EKA : Ekipa Kristianina Ankehitriny
Sampany zokiny ao amin’ny Fivondronana eokaristikan’ny tanora ny EKA na Ekipa kristianina ankehitriny. Mamondrona ireo tanora 17 taona no mihoatra izy.
Ny kendren’ny EKA dia « hampivelatra sy hampijoro ny tanora amin’ny fiantsoana azy eo amin’ny fiainana maha-olona, hampamirapiratra ny Endrik’i Kristy ao aminy, hanarahany ny fikasan’Andriamanitra Ray eo amin’ny fiainany ary hanampiany ny namany araka ny fitsilovan’ny Fanahy Masina » (Miara-dia, 25)
Tanjon’ny fanabeazana eo anivon’ny EKA
« Kristy lalàna sy fahamarinana ary fiainana ! » hoy ireo Ekipa kristianina ankehitriny rehefa manao hiaka izy ireo. Io tokoa mantsy no fototry ny fanabezana EKA dia ny mba hahay hisafidy an’i Kristy amin’ny fiainana manontolo ka ho « Kristianina lavorary manana hery anaty mitondra amin’ny asa » (Torolalana, 121).
Ny fivoriana, fanabeazana sarobidy ho an’ny Ekipa kristianina ankehitriny
« Na aiza na aiza hiangonan’ny olona roa na telo dia eo afovoany aho ». Marina fa ny tsirairay no nandray ny iraka tamin’ny natao Batemy ; toa ireo Apostôly niaraka nanara-dia an’i Kristy anefa dia ilaina ihany koa ny fanaovana ezaka hiombonana mba hiarahana manatratra ny tanjona.
Samy manana ny fandaminany ny tarika tsirairay, tsara anefa raha toa ka misy fivoriana in-1 isam-bolana fara-faharatsiny. Maro karazana ny fivoriana azo atao, ezahina mba hifandraika amin’ny vanim-potoana lalovan’ny Fiangonana na ny andram-piainana misy ny tarika anefa izy ireny.
Ny fivoriana fanofanana : adidin’ny EKA ny manohy ny fandalinam-pinoana sy ny fampahafantarana ny fiainan’ny Eglizy. Ain’ny FET ny tenin’Andriamanitra ka tsara raha misy fivoriana atokana ifampizarana/ handalinana ny soratra masina. Maro koa anefa ireo sehatra mila ny fikatrohan’ny Ekipa kristianina ankehitriny ka arindra mba hifanaraka amin’ireny filana ireny ihany koa ny fivoriana fanofanana.
Ankoatry ny fanofanana dia azo atao ny manokana fotoana hampivelarana ny talentan’ny tsirairay eo anivon’ny fivoriana ; amporisihina ihany koa ny rehetra hikaroka ny fomba hanamafisana ny fahamasinana sy ny fiombonam-po eo anivon’ny tarika ary mba hahafahana miroso amin’ny tsara kokoa hatrany dia entanina ny hijerena fotoana hanaovana tombana ny ezaka vita hahafahana manitsy ireo lesoka ary milofo kokoa amin’izay efa tsara.
Mahay mihaino ny Fanahy Masina, toe-panahy fototra ho an’ny EKA
Toe-panahy fototra araka ny soratra masina mihitsy ny fahaiza-mihaino. Azo zaraina ho toa izao izy : mahay mihaino ny tena, mahay mihaino ny namana, mahay mihaino an’Andriamanitra ary mahay mihaino an’izao tontolo izao.