Diosezy folo mankalaza taon-jobily faha 60
Diosezy folo no mankalaza taon-jobily amin’ity taona 2015 ity : Antananarivo, Antsirabe, Miarinarivo, Antsiranana, Ambanja, Mahajanga, Toamasina, Fianarantsoa, Morondava ary Tolagnaro.
60 taona nisiana, 60 taona nitoriana ny vaovao mahafaly. Fanamby goavana àry ny miandry azy ireo : ny hitazona ireo efa ao am-bala sy hampitombo hatrany ny isany.
Ho hitanao ao amin’ny lakroa.mg ny famintinana ny fiainan’ireo diosezy ireo : eveka, isan’ny mponina, % mpino katôlika, isan’ny pretra sy ny relijiozy lahy sy vavy.
65% mponina ao Miarinarivo no katôlika raha toa ka 2,5% ny any Ambanja. Ny diosezin’Antananarivo, Fianarantsoa ary Antsirabe no manana pretra betsaka indrindra.
Tsidiho ny lakroa.mg raha te hahafantatra misimisy kokoa.