Category Archive: Sampana

Ahitana sampana efatra ny Afafi - FET : Afafi, EKA, VK ary IK

Jul 18

Sinaoda 2018 : lazao ny hevitrao

Te hahafantatra ny fiainan’ny tanora ny Fiangonana ka manentana azy ireo hamaly fanontaniana vitsivitsy ho fiatrehana ny sinaoda amin’ny taona 2018. Miantefa amin’ireo 16 ka hatramin’ny 29 taona io fanadihadiana io ka azonao atao ny mandray anjara hatramin’ny 30 novambra 2017. Ampatsiahivina fa ny volana ôktôbra 2018 no hatao any Rôma ny sinaoda hiompana amin’ny …

Continue reading »

Jun 19

Hira fanevan’ny JNE : Entanin’ny fiombonana

Indro atolotra antsika ny hira fanevan’ny JNE hatao any Morondava ny 23 – 28 aogositra 2017 Entanin’ny Fiombonana Zahay ankizy Katolika, maneho hafaliana Voairaka, hitory Vaovao Mahafaly e Ireo namanay, izay mbola variana Tianay mba ho Misionera, hanaraka anay   Ianao Jesoa nilaza hoe, avelao ny Ankizy re Hanatona Ahy… iehehe…hanatona Ahy   Entanin’ny fiombonana, …

Continue reading »

May 18

Fampiasam-panahy : herinandro fahatelo sy fahaefatra

Fanohizana ny Fibanjinana ny Misterin’ny fiainan’i Kristy ny Herinandro fahatelo izay ibanjinana ny Fijalian’i Jesoa Kristy Tompo : manomboka eo amin’ny Sakafo farany tamin’ny Alakamisy Masina, ka hatramin’i Jesoa nalevina. Fandalinana ny safidy noraisina, anamarinana raha mafy orina izy, manoloana ny fitsapana sy ny fijaliana.             Fibanjinana an’i Kristy nitsangan-ko velona kosa ny Herinandro fahaefatra : manomboka …

Continue reading »

May 10

Fampiasam-panahy : herinandro faharoa

Ny Fibanjinana ny misterin’ny fiainan’i Kristy no saika mameno ny Herinandro faharoa. Io Fibanjinana io no mitarika ny mpanao Fampiasam-panahy hahalala bebe kokoa an’i Kristy ka hanahafany sy hanarahany dia Azy. Safidy irosoana eo amin’ny fiainana. Fibanjinana ny zava-miafina ao amin’ny Fahatongavan’i Kristy ho Nofo : manomboka amin’ny Filazan’ny Anjely, mitohy amin’ny Fahaterahan’ny Mpamonjy sy ny …

Continue reading »

Apr 26

Ny fizotry ny fampiasam-panahy

Raha ny fizotry ny Fampiasam-panahy kosa no resahina dia mizara ho Herinandro efatra mazava tsara ny fomba entina miatrika sy manatanteraka azy. Ny Herinandro Voalohany [FP. 21 – 90]             Ny Herinandro Voalohany dia fametrahana ny Fototra, ka Andriamanitra no Fiandohana sy Fototra. Fanaovana jery todika sy fandinihana ny fiainana lasa ihany koa ny Herinandro …

Continue reading »

Apr 12

Ny fampiasam-panahy sy ny dingana ao amin’ny EKA

Ny Aim-panahy iveloman’ny AFAFI-FET dia mifototra indrindra amin’ny Fampiasam-panahin’i Md Ignasy avy any Loiola. Notakarina avy amin’ny Fampiasam-panahin’i Md Ignasy. Mifototra indrindra amin’ny atao hoe Fampiasampanahy ny AFAFI FP= Fanazaran‐tena hivelona amin’ny ny Vavaka, ny Tenin’Andriamanitra, ny Eokaristia: Ny fampianaran’i Kristy manontolo sy ny fanarahan‐dia azy. Voafintina ao anatin’ny Laretirety 30 Andro, ahitana herinandro 4 …

Continue reading »

Mar 16

Fihaonam-be nasiônalin’ny ankizy : any Morondava ny fotoana

Hotanterahina any Morondava ny 23 ka hatramin’ny 28 Aogositra 2017 ny andiany faharoa amin’ny Fihaonam-be nasiônalin’ny ankizy. “Ankizy Katolika miara-dia amin’i Masina Maria, mitondra ny namany mankany amin’i Jesoa” no lohahevitra iompanan’io hetsika io ary efa misokatra ny fisoratana anarana. Handray ireo ankizy katôlika Malagasy ny diosezin’i Morondava Ankizy 06 ka hatramin’ny 14 taona no …

Continue reading »

Jul 23

Ny fanabeazana ao amin’ny Irak’i Kristy

Ny Irak’i Kristy dia ny ankizy madinika entanin’ny Baikony : Mivavaka, Mandray an’i Jesoa, Mahafoy tena, Ho Apôstôly. Ny fanabeazana ny Herim-pon’ny Iraka no imasoana ao. Matetika izay handreseny ny hakamoana no atao. Beazina izy ho Iraka mazoto. Tsara fanahy. Mampitombo ny hery ao aminy izany. – Ahoana anefa no hahatongavana amin’izany ? Raha hiresaka …

Continue reading »

Jul 15

Fantaro ny Ekipa Kristianina Ankehitriny

EKA : Ekipa Kristianina Ankehitriny Sampany zokiny ao amin’ny Fivondronana eokaristikan’ny tanora ny EKA na Ekipa kristianina ankehitriny. Mamondrona ireo tanora 17 taona no mihoatra izy. Ny kendren’ny EKA dia « hampivelatra sy hampijoro ny tanora amin’ny fiantsoana azy eo amin’ny fiainana maha-olona, hampamirapiratra ny Endrik’i Kristy ao aminy, hanarahany ny fikasan’Andriamanitra Ray eo amin’ny …

Continue reading »

Jul 15

Irak’i Kristy : indreto zahay !

Iraka no iantsoana ny ankizy ao amin’ny Fivondronana Eokaristikan’ny Tanora. Iraka izy ireo satria nantsoin’i Kristy an-tsitrapo hampiray ny fanolorany sy ny vavaka ataony miaraka amin’ny Azy. Ary irahiny hitondra ny Hafany ho an’ireo namany. Irak’i Kristy, mpitondra ny hafatra mahagaga Sampana ivondronan’ireo ankizy latsaky ny 13 taona ny Irak’i Kristy. Irahina toy ny Mpaminany …

Continue reading »

Older posts «