Category Archive: Bokim-panabeazana

Apr 12

Raiso ka vakio ny gazety Hafatro

Gazetim-panabeazana ho an’ireo Iraka sy Vavolombelona ny Hafatro. Efa naparitaka ny laharana faha-797, ireto avy ireo lahatsoratra ho hitanao ao : Vavaka Fanolorana ny andro 2016 Famaranana ny Taon-jobily AFAFI-FET Hafatry ny Papa Fransoa ho an’ny zatovo (adolantsento) momba ny taon-jobilin’ny Famindrampo Maka tahaka an’i Kristy Katesizy ho an’ny Irak’i Kristy (nataon’i Mgr Victor RAKOTONDRAJAO) …

Continue reading »

Apr 08

Efa nahazo gazety Firaisankina ve ianao ?

Azo vidiana any amin’ny Foibe Nasionaly ny gazety Firaisankina laharana 214. Santionany amin’ireo lahatsoratra ho hitanao ao ireto : Hafatry ny Papa momba ny taonan’ny Famindrampo Famaranana ny Jôbily faha 100 taona FET tany Rôma Arovy ny Tranobe iombonantsika Hafatry ny Papa ho an’ny Tanora Mpamindra fo tahaka ny Ray Mbola maro koa ny vaovao …

Continue reading »

Jul 15

Fanasina

Bokim-panabeazana atolotra ny Vavolombelon’i Kristy ny Fanasina. « Ho Vavolombelon’i Kristy, ho Fanasin’ny tany, ho Fahazavan’izao tontolo izao…tsy ampy intsony ny mahay katesizy na ny mahalala an’i Kristy fa ny fiainan’i Kristy mihitsy no ampianarina olona » Mgr TABAO, evekan’i Mananjary (1927-1999). Ankoatr’ireo fanabezana ny Vavolombelon’i Kristy dia mampiavaka ny Fanasina ny fandalinana ny fiainan’ny olona masina …

Continue reading »

Jul 15

Miaradia

Bokim-panabeazana ho an’ny EKA ny Miara-dia. Atolotra an’ireo tanora maniry hahalala an’i Kristy, ho tia azy, hifanerasera aminy mba ho babony manontolo ny Miara-dia. Miompana amin’i Kristy ny Miara-dia. Ahoana ny fomba fiainana ao anaty Ekipa ? Inona no toe-panahy tsara ananana rehefa mivory ? Ahoana no fomba anomanana tsara ny dingana mba hahatongavana amin’ny fiainana kristianina …

Continue reading »

Jul 15

Torolàlana

Boky hanoro làlana ny mpiandraikitra eo amin’ny fanabeazana ny ankizy sy ny tanora kristianina mivondrona ao amin’ny Eokaristia ny Torolàlana. Mamaly ny fanirian’ireo mpiandraikitra mikatsaka ny fomba hitantanana ny fikambanana mba hahafahana mamaly ny antson’i Kristy. Natao hanampy ny mpiandraikitra ihany koa ny Torolàlana mba handray an’i Kristy hanazava ny fiainany mba hahafahany manaraka azy …

Continue reading »