« Aza matahotra, ry Maria, fa sitrak’Andriamanitra ianao » (Lk 1, 30) Ry Tanora malala, Ny andro eran-tany ho an’ny tanora amin’ity taona 2018 ity dia maneho dingana iray amin’ny fanomanana ny Andro eran-tany ho an’ny tanora, homarihana amin’ny sehatra iraisam-pirenena, izay ho tanterahina any Panama ny volana Janoary 2019. Izany dingana vaovao amin’ny …
Category Archive: Hafatra
Mar 05
Hafatra Karemy 2018 – Mangatsia-po noho ny haratsiana
« Ary noho ny habetsahan’ny faharatsiana dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro » (Mt 24, 12) Ry rahalahy sy anabavy malala, ho tonga amintsika indray ny Pakan’ny Tompo ! Isa-taona, mba hiomantsika amin’izany, dia manolotra antsika ny fotoanan’ny Karemy Andriamanitra. “Famantarana ara-tsakramentan’ny fibebahantsika” izany, izay manambara sy manolotra ho antsika ny fahafahana miverina amin’ny Tompo amin’ny …
Jun 14
Hafatry ny FFKM
Ho an’ny Kristianina sy ny vahoaka Malagasy, “Meteza hampihavanina amin’Andriamanitra ianareo” (2 Kor 5 : 20b) Ry havana, Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ilay Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina. Ny FFKM dia manolotra ny arahaba ho antsika rehetra tratry ny Pentekosta 2017. Ary mampatsiahy ihany koa fa tsy nandao …
May 19
Hafatry ny Fivondronamben’ny Eveka – Mey 2017
“Manaova asa mendrika vokatry ny fibebahana ary miovà ho amin’ny tsara”( Lk 3,8) HAFATRA HO AN’NY KRISTIANINA REHETRA SY IREO TSARA SITRAPO REHETRA « Homba antsika mianakavy anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’i Jesoa Kristy Tompontsika!». Efa imbetsaka izahay Eveka no nanoratra sy nanaitra mikasika ny zavamisy eto amin’ny firenena. Marina fa misy ireo ezaka natao, …
Apr 22
Hafatry ny Papa Fransoa : andro iraisam-pirenena faha-54 ivavahana ho an’ny fiantsoan’Andriamanitra
Entanin’ny Fanahy ho amin’ny Fanirahana Ry rahalahy sy anabavy Malala, Taona maro lasa izay no nandinihantsika ireto lafiny roa mahakasika ny antso maha-kristianina ireto dia: ny fanentanana antsika “hivoaka ny tenantsika ” mba hahafahana mihaino ny feon’Andriamanitra sy ny handinihana ny maha zava-dehibe ny ankohonam-piainana kristianina, amin’ny maha toerana sarobidy ahaterahan’ny antson’Andriamanitra, ikolokoloana azy sy …
Feb 15
Toritenin’i Kardinaly Pietro PAROLIN
Loharano : Lakroa.mg Son Eminence le Cardilnal Maurice Piat, Ianareo rahalahy malala ao amin’ny fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara sy avy amin’ireo nosin’ny ranomasimbe indianina, Ianareo pretra, ianareo diakra, Ianareo relijiozy lahy sy vavy, Ianareo mpiandraikitra ny fiangonana kristianina hafa finoana, Andriamantoa Filohan’ny Repoblika, Ianareo filohan’ny Repoblika teo aloha Andriamatoa Praiminisitra sy ianareo minisitra, …
Oct 21
Soridalana ho an’ny taom-panabeazana 2016 – 2017 (tohiny)
Afafi – FET ! Noho ny halavan’ny soridalana dia nozaraina ny fampitana azy mba hazava tsara amintsika ny votoatiny. Indro ary ny tapany faharoa. Raha toa ka hamaky ny tapany voalohany : Soridalana ho an’ny taom-panabeazana 2016 -2017 —————- 3. Famandrihana sy fampiasana ny gazetim-panabeazana « ny Hafatro » sy « Firaisankina » Araka ny efa iarahantsika mahita …
Oct 20
Soridalana ho an’ny taom-panabeazana 2016 – 2017
«Miambena ianareo ary mivavaha » (Marka 14, 38a) Afafi ! – FET ! Hafaliana ho anay aty amin’ny Foibe Nasiônalin’ny AFAFI-FET no miarahaba antsika rehetra Aomônie, Zoky am-panahy, Mpanabe sy ny AFAFI-FET tsy ankanavaka manerana ny Nosy amin’izao fiandohan’ny Taom-pikatrohana izao. Mbola ao anatin’ny Taona Masin’ny Famindram-po isika amin’izao fotoana, ka inoana fa nitondra soa sy fahombiazana …
Nov 12
Aoka haka tahaka ireo olomasina manodidina antsika isika hoy ny papa Fransoa
Loharano : Zenith.org Fakan-tahaka ny olomasina saingy tsy ireo nasandratra ho eo amin’ny laharana maha-olomasina ihany, fa indrindra ireo olomasina manodidina antsika, niezaka nampihatra ny Evanjely teo amin’ny fiainany andavanandro, omban’ny fahasoavan’Andriamanitra. Firy tamin’ireo olona fantatsika no nampiloa-bava antsika hoe “ tena olomasina ity olona ity !” Mety efa nifanerasera tamin’izy ireo isika, mety misy …
Oct 14
Sakafom-pitondran-tena isan’andro
Alaovy ny FANANTENANA iray sotrokely Dia arotsahy anaty FAHARETANA roa litatra Ampifangaroy amin’ny FINIAVANA efatra sotro Sy FINOANA indray mitete Ary FAHAMALINANA iray fonosana Teneho amin’ny AFOM-PITIAVANA miredareda Ka rehefa mangotraka dia tampohy FANENTREN-TENA iray daba Avelao hiotrika kely dia arosoy mafana eo ambony latabatry ny FITIAVANA Haingoy amin’ny HALEMEM-PANAHY iray fehezana Sy TSIKITSIKY MALEFAKA …