Miditra ny taona faharoa amin’ny fiomanana amin’ny fankalazana ny faha 100 taona niorenan’ny FET eto Madagasikara isika amin’izao taom-pikatrohana izao izay antsointsika hoe: Taonan’ny Tenin’Andriamanitra. Tsara ny manamarika fa tsy ny teny Faneva ihany tsy akory no atao hoe Soridalana, nefa kosa ny teny Faneva no mibaiko ny Soridalana manontolo. Teny Faneva « Tompo ô, …
Category Archive: Fanentanana
Apr 26
Ny fizotry ny fampiasam-panahy
Raha ny fizotry ny Fampiasam-panahy kosa no resahina dia mizara ho Herinandro efatra mazava tsara ny fomba entina miatrika sy manatanteraka azy. Ny Herinandro Voalohany [FP. 21 – 90] Ny Herinandro Voalohany dia fametrahana ny Fototra, ka Andriamanitra no Fiandohana sy Fototra. Fanaovana jery todika sy fandinihana ny fiainana lasa ihany koa ny Herinandro …
Apr 12
Ny fampiasam-panahy sy ny dingana ao amin’ny EKA
Ny Aim-panahy iveloman’ny AFAFI-FET dia mifototra indrindra amin’ny Fampiasam-panahin’i Md Ignasy avy any Loiola. Notakarina avy amin’ny Fampiasam-panahin’i Md Ignasy. Mifototra indrindra amin’ny atao hoe Fampiasampanahy ny AFAFI FP= Fanazaran‐tena hivelona amin’ny ny Vavaka, ny Tenin’Andriamanitra, ny Eokaristia: Ny fampianaran’i Kristy manontolo sy ny fanarahan‐dia azy. Voafintina ao anatin’ny Laretirety 30 Andro, ahitana herinandro 4 …
Mar 23
Ireo fanontaniana tsara apetraka mandritry ny fandinihan-tena
Loharano : ZENIT Taorian’ireo fanontaniana telo fanombohana dia miroso amin’ny lalina kokoa ny fandnihan-tena. Hoy ny Tompo : “Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra” Mirona mankany amin’Andriamanitra tokoa ny foko ? Tiako mihoatra ny zavatra rehetra izy ary hajaiko ny didiny ? Sao dia omeko vahana loatra eo amin’ny fiainako ny zava-mandalo ? Marina …
Dec 24
Katesizin’i Papa Fransoa mikasika ny famindram-po
Ry rahalahy sy anabavy, nosokafana teny anivon’ireo katedraly isan- diosezy ny varavarana masina ny alahady 13 desambra farany teo, hahafahan’ireo maro an’isa miaina ny jôbilin’ny famindram-po ary mba ho taratry ny fitiavana sy ny famindram-pon’Andriamanitra eo amin’izao tontolo izao ny Fiangonana. Tsy tokony hijanona ho resabe fotsiny ny famindram-po sy ny famelana fa ho tanteraka …
Nov 16
Fantaro ny taonan’ny famindram-po
Hanomboka amin’ny 8 desambra 2015 ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 20 novambra 2016 ny Jôbily manokan’ny famindram-po. « Mpamindra fo tahaka ny Ray », notsoahina tao amin’ny Lk, 6-36, io ny teny ho enti-miaina sy mandalina ity taon-jôbily ity. Entanina isika hiaina ny famindram-po tahaka an’Andriamanitra Ray. Tsy mitsara ary tsy manameloka fa mamindra fo, mizara …
Oct 21
Laudato si, ho fiarovana ny fonenana iombonana
Hiatrehana ny faharavan’ny tontolo iainana ny Laudato si « Hoderaina anie ianao ry Tompoko » io no lohatenin’ny ansiklika navoakan’ny Papa Fransoa tamin’ny 24 mey 2015 lasa teo. Ho fiarovana ny tany, fananana iombonana no votoatin’ny taratasy ary manoritra soridalana entina miatrika ireo fanamby goavana ateraky ny faharavan’ny tontolo iainana ankehitriny ny Papa Ray Masina. Mizara toko …
Sep 29
Manome rà, manome aina
Mitsinjara ny «oxygène » manerana ny vatana manontolo ny rà. Izy ihany koa no manaparitaka ireo singa marobe ilain’ny vatana. Na eo aza anefa ny fivoaran’ny teknôlôjia dia mbola tsy afaka manamboatra rà ny zanak’olombelona ka ny fanomezan-drà ihany no ahazoana rà entina mamonjy izay mila izany : ireo vehivavy very rà betsaka eo am-piterahana ; …
Aug 19
Firotsahana an-tsitrapo, fototry ny fahombiazana
Sahirana amin’ny fitadiavana asa ny ankamaroan’ny tanora ankehitriny. Na dia manam-pahaizana aza izy ireo dia olana ny fangatahan’ny toeram-piasana traikefa. Manentana antsika hivavaka ho an’ireo mpirotsaka an-tsitrapo sy ireo olona atao an-jorombala sy ihatahan’ny fiaraha-monina ny Ray masina Fransoa amin’ity volana ity. Imbetsaka aho no niresaka tamin’ny tanora mpitady asa ary anisan’ny fanontaniana apetrako ny …
Jul 21
Alalino ny fahaiza-mihaino
Loharano : Jean-François Guéodon – Journal du Net Beazina isika mba hahay hihaino. Oham-piainana atolotra antsika i Masina Maria sy i Md Zôzefa. Ireto ary misy mpandinika vitsivitsy hanampy antsika andalina ny fahaiza-mihaino. ———- « Mamafy izay miteny, mijinja kosa izay mihaino » Pythagore « Nomen’ny natiora lela iray sy sofina roa isika mba ho avo roa heny …