Admin

Author's details

Name: Admin
Date registered: 08/07/2014

Latest posts

  1. Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – oktôbra 2019 — 01/10/2019
  2. Hafatry ny Papa François ho an’ny Malagasy — 02/09/2019
  3. Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – septambra 2019 — 02/09/2019
  4. Raki-tsary : Mpamafy fiadanana sy fanantenana — 13/08/2019
  5. Hira faneva fandraisana an’i Papa Fransoa — 06/08/2019

Author's posts listings

Jun 07

Taon-jôbily faha 100 Taona : Hira Faneva

FET 100 taona   1. Fa hiroso hatrany ka tsy hihemotra hanamafy ny toky izay natao Ireo ezaka sy dingana vitako dia noho Ianao Jesoa Manaiky ‘zahay fa taninketsanao, ka vonona ho Anao   Hatramin’izay ka hatramin’izao dia isaoranay Anao Noho ny fitsimbinanao nijoro hatrany ty fikambananay   FET ! ‘Zay ilay tanora tia vavaka FET ! …

Continue reading »

Jun 07

Fanokafana ny taon-jôbily : Vavaka hateloan’andro ho fiomanam-panahy

AFAFI ! Efa antomotra ankehitriny ny fotoan-dehibe hiatrehantsika ny Jobily faha 100 taonan’ny FET eto amin’ny Nosintsika. Tsy ho ela intsony dia higadona ny Alahady 23 Jiona, fankalazana ny Sakramenta Masina, andro hanokafana amin’ny fomba ofisialy ny Taon-jobily. Antenaina fa efa samy vonombonona ny rehetra hiatrika io fotoan-dehibe io. Ny Lohahevitra na ny teny Fanevan’ny …

Continue reading »

Jun 03

Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – jona 2019

“Mba hiara-mientana amn’ireo tena mahantra, amin’ny alalan’ny fahononan-tena sy ny fanetren-tena eo amin’ny fiainany anie ny pretra”. Fantatsika loatra fa ny hanolotra Sorona Masina sy hizara Sakramenta ho an’ny kristianina no Iraka fototra maha pretra ny Pretra. Ny fangatahan’ny Papa anefa eto dia tsy miresaka na milaza mivantana momba io Iraka manokana na asa fanompoana …

Continue reading »

May 23

Fanentanana avy amin’ny Fivondronamben’ny Eveka momba ny famangian’i Papa Fransoa an’i Madagasikara

“Hataoko ao anatinareo ny Fanahiko…. Honina eo amin’ny tany nomeko ny razanareo ianareo, dia ho vahoakako ianareo, ary izaho ho Andriamanitrareo” (Ez 36, 27-28) Homba antsika mianakavy anie ny fiadanana! Misaotra an’Andriamanitra isika fa tanteraka ny faniriantsika sy ny an’ny Papa Fransoa, hamangy an’i Madagasikara ny 6 -10 septambra 2019, ho avy izao. Fitia mifamaly …

Continue reading »

May 01

Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – mey 2019

Mba ho lalivain’ny fampiraisana ny samy vahoaka amin’ny fandraisana andraikitra anie ny kristianina aty Afrika sy Madagasikara, izay tandindon’ny fanantenana ho an’ny kaontinanta afrikanina. Mitodika amin’ny Fiangonana aty Afrika sy Madagasikara ny fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina antsika Kristianina mandritra ity volana Mey ity. Na dia azo lazaina fa mbola tanora aza ny Fiangonana aty …

Continue reading »

Apr 05

Fangatahana ampanaovin’ny Papa Ray Masina – Avrily 2019

Mba ho an’ny mpitsabo sy ny mpilatsaka an-tsitrapo any amin’ny tany miady, izay mahafoy ny ainy ho famonjena ny hafa.    

Mar 25

Hafatry ny Papa ho an’ny karemy 2019

“Efa tsindrian-daona ery ny zava-boahary miandry ny hanehoana ireo zanak’Andriamanitra” (Rm 8, 19) Ry rahalahy sy anabavy ao amin’ny Tompo, Isan-taona, miaraka amin’ny Fiangonana Renintsika, Andriamanitra Ray dia “manomana ny kristianina hankalaza ny Paka amin’ny fo falifaly sy fanahy voadio” (Prefasy Karemy I), ka ho afaka hanovo ny hafenoan’ny fiainam-baovao ao amin’i Kristy amin’ny alalan’ny …

Continue reading »

Mar 04

Fangatahana ampanaovin’ny Papa ho an’ny volana Marsa 2019

« Mba ho tsapan’ny kristianina, indrindra ireo enjehina, fa eo akaikin’i Kristy mandrakariva izy ireo ary mba ho voahaja ny zony ». Ny Batemy no maha kristianina ny olona iray ka nandraisany ny fanosorana ho mpaminany sy mpisorona manjaka ao amin’ny Eglizy. Tena zanak’Andriamanitra tokoa izy amin’izany satria mitondra ny anaran’i Kristy. Mpitondra ny Tenin’Andriamanitra, mpitory ny …

Continue reading »

Feb 08

Tsy misy afa-manasa tànana hoy ny Papa Fransoa

Feb 05

Soridalana iombonan’ny AFAFI-FET

Miditra ny taona fahatelo fiomanam-panahy amin’ny fankalazana ny faha 100 taona niorenan’ny FET eto Madagasikara isika amin’izao taom-pikatrohana izao izao, dia ny “Taonan’ny Eokaristia” izany. Tsara ny manamarika fa tsy ny teny Faneva ihany tsy akory no atao hoe Soridalana, nefa kosa ny teny Faneva no mibaiko ny Soridalana manontolo. Teny Faneva             « Raiso ary …

Continue reading »

Older posts «

» Newer posts