Alalino ny fahaiza-mihaino
Loharano : Jean-François Guéodon – Journal du Net
Beazina isika mba hahay hihaino. Oham-piainana atolotra antsika i Masina Maria sy i Md Zôzefa.
Ireto ary misy mpandinika vitsivitsy hanampy antsika andalina ny fahaiza-mihaino.
———-
« Mamafy izay miteny, mijinja kosa izay mihaino » Pythagore
« Nomen’ny natiora lela iray sy sofina roa isika mba ho avo roa heny amin’izay tenenintsika no henointsika » Zénon d’Elée
« Aza mandray fitenenana raha tsy mahery kokoa noho ny fahanginana izay holazainao » Euripide
« Mila mahay mihaino raha te hanao zavatra am-pahamalinana » Sophocle
« Mihaino indroa ny manoratra » Confucius
« Tombon’ny fahalalana ny miteny, tombon’ny fahendrena kosa ny fihainoana » Plutarque
« Tsy ampy ny mihaino tsara ny hafa, ny fihainoana ny fanahiny no ilaina » Marc Aurèle
« Mila mihaino kokoa ary vitsy teny raha te hahomby amin’ny fitantanana raharaham-panjakana » Cardinal de Richelieu
« Mila mipetraka amin’ny toeran’ny mpamaky ny mpanoratra raha tiany hazava tsara izay soratany » Jean de la Bruyère
« Mila mihaino izay miteny isika raha te hohenoina » François de La Rochefoucauld
« Tsy miady hevitra izay tena mahay, feheziny ny taranjany ary mangina izy » Voltaire
« Filàna ny miteny, kanto kosa ny mihaino » Johann Wolfang von Goethe
« Ny tena manan-danja indrindra amin’ny fifandraisana dia ny mihaino izay tsy voalaza » Peter F.Drucker
« Henoy ny zava-misy eo anivon’ny ekipa, henoy ny vetsovetson’ny tsirairay ary henoy ny tahotra sy ny tsy mety izay asehon’ny tsirairay kanefa tsy tsapany » Fanny Bauer-Motti
————-
Tsidiho ny Journal du Net raha te hahafantatra misimisy kokoa.